Alahady 30 Aprily 2023

DANIELA 2.8-13

Maro no hodiovina sy hofotsiana ary hozahan-toetra

Zavatra roa no azo resahana momba ity fanadiovana sy famotsiana ary fizahantoetra ity :

1- Miresaka ny sehatry ny fanenjehana ireo kristiana izany teny izany ka ny fanenjehana izay nahazo ny kristiana indrindra nohisedrana azy mba ho hita raha mahatoky amin’ny finoana taminy izy ireo na tsia . Amin’izany fiainana izany mantsy dia misy ireo mety hiverina ilalana ka ireo izay mahavita miaritra nolazaina fa « hendry » ka afaka mahafantatra ny zava-miafina eto . Raha tsarovana ny tantaran’ny fivavahana teto Madagasikara dia nisy ny fanenjehana ny kristiana ,ary nisy tokoa ireo olona tsy naharitra izany fizahantoetra izany araka ny voalaza , kanefa nisy tokoa ireo niaritra izany hatramin’ny fahafatesana mihitsy aza . Amin’izany sehatry ny fanenjehana izany dia misy amin’ny olona no maharitra izany fa misy kosa ireo tsy vonona hiaritra mihitsy noho ny tsy finoana ,noho ny tahotra samihafa na noho ny fitiavan-tombotsoa manokana koa.

2-Entina ilazana ny fandresena ny fahafatesana tao amin’iJesoa Kristy , indrindra izany rehefa avy nodiovina sy nofotsiana ary nozahan-toetra Izy tamin’ny fahafatesana dia indro nitsangana tamin’ny maty ,izany hoe : afaka nihoatra izay fanadiovana sy famotsiana ary fizahan-toetra tanteraka rehetra . Araka izany , isika koa dia tsy maintsy handalo fanadiovana sy famotsiana ary fizahantoetra ,ka izay mino Azy , manaiky Azy , mivavaka sy matahotra Azy ary mivonona hiala amin’ny ratsy dia handresy tahaka Azy .

Fanontaniana :

Araka ny hevitrao, ho an’iza ny fanadiovana sy ny famotsiana ary ny fizahantoetra ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Sabotsy 29 Aprily 2023

EFESIANA 2.1-7

Efa maty ny olona noho ny fahadisoana sy ny fahotana

Milaza ny fahadisoam-panantenana noho ny faharatsiana vitan’ny olona ity teny eto ity .Ny hoe : :« nalehanareo » (and2) eto dia maneho fa nanatanteraka izany ny olona ,izany hoe : ny fomba ratsin’izao tontolo izao teo ambany fanapahan’ny devoly no nataon’ny olona . Ambara eto àry araka izany fa nitondra tena sy tafiditra lalina tamin’ny filàn’ny nofo sy ny sitrapo ratsin’ny nofo amin’ny endrika rehetra ny olona( ampitahao 1 Kor 6.9-11) .Izany no ilazana fa efa tonga ratsy toy ny hafa ,manao ny fanao ratsin’izao tontolo izao ny olona , ka rariny ny fahatezeran’Andriamanitra aminy ary izany koa no ilazana hoe efa maty ny olona na dia tsy tokony ho mendrika azy aza izany . Fantantsika tsara fa sehatra sy vanimpotoana hafa no nanoratana ity teny eto ity , kanefa raha dinihana ny zavatra voalaza dia mbola miteny amintsika mihitsy izany ankehitriny .Hita sy tsapa mantsy fa mbola misy sy iainana amin’ny tontolo ankehitriny ireny faharatsiana samihafa ireny ary izany no ilazana fa efa maty fahavelona tokoa ny olona .

Manome fahavelomana kosa ny Tompo ao amin’i Kristy

Na dia eo aza anefa izany faharatsiana nataon’ny olona izany dia nanomana vahaolana Andriamanitra noho ny famindrampony sy ny halehiben’ny fitiavany ka ny fahafatesana voalaza fa nisy teo aloha tao amin’ny olona vokatry ny ratsy nataony dia nosoloan’Andriamanitra fahavelomana kosa . Izany no antony nilazana hoe : fony mbola matin’ny fahadisoana isika dia nahavelona antsika kosa Andriamanitra tamin’ny alalan’i Kristy .

Fanontaniana :

Ny fahafatesana no tambin’ny ota nefa mino ve ianao fa afaka mamelona izay mino Azy kosa ny Tompo Andriamanitra ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Jobily /Razanajatovo Voahangy

Ramatoa RAZANAJATOVO Mbolatianasoa Voahangy

Hanamarika ny ivon’ny jobily fisotroan-dronono

Nanomboka ny Febroary  1988 ary feno 34 taona ankehitriny no nanatanterahany ny asa fanompoany an’Andriamanitra amin’ny Asa iombonana izay nisahanany ny andraikitra mpandraharaha tao amin’ny Departemanta Mpiasa sy Vola ary Fananana sy Fampamokarana. Mankalaza an’Andriamanitra noho izany taona marobe niasana izany ny mpanompony izay tonga eo amin’ny fotoan’ny fisotroan-dronono. Efa nomarihana ny fotoam-panokafana ny jobily teny amin’ny FJKM Andravoahangy Fivavahana ny Sabotsy 17 Desambra 2022.

Tonga eo amin’ny IVONY kosa izany ankehitriny izay homarihina ny Alahady 30 Aprily 2023 izao eny amin’ny FJKM Tranovato Rasalama Martiora Ambohipotsy manomboka amin’ny 10 ora maraina. Fotoan-dehibe ho azy io andro io ka hanasany ny mpianakavin’ny finoana rehetra hifanotrona aminy amin’izany.

 Feno 34 taona niasana, lava izany fotoana izany niatrehana ny asa iombonana teo anivon’ny Foibe FJKM. Maro ireo zavatra nifamahofaho tao anatin’izany, hoy izy. Tsy mora ny asa, tao ny sarotra nosedraina. Toy ny asa rehetra dia nisy hatrany ny olana nefa isaorana an’Andriamanitra fa teo hatrany Izy nanampy tamin’izany. Teo kosa anefa ny fahombiazana izay nomarihiny fa tena nahafaly azy tokoa. Nambarany, fa nandritry izay 34 taona izay, dia nitombo hatrany ny fahalalany ka nampanjary ny asa nataony. Ankehitriny, hoy izy, dia azo lazaina fa betsaka ny traikefa azo notrandrahina, ary isaorany ny Tompo sy ireo rehetra niara-niasa taminy. Nosoritany, fa nanehoan’Andriamanitra ny voninahiny sy ny heriny izy, ary nandrotsahany ny fahasoavany sy ny fitahiany.  

Tsiahivina, ny teny faneva noraisiny amin’izao jobily fisotroan-drononony izao dia ny I Kor.2:14a “Fa isaorana anie Andriamanira, izay nitondra anay mandrakariva ao amin’i Kristy toy ny fanaon’izay avy nandresy”. Ny Jolay 2023 kosa no fotoam-pamaranana ny jobily ao amin’ny FJKM Ambondrona Firaisana.

Nanangona: Aris

Zoma 28 Aprily 2023

JAONA 21.15-19

Ny asa pastoraly ho an’i Petera

Na dia tsy mitovy mihitsy aza ny fomba fitantaran’ny Filazantsara tsirairay ny zava-nisy araka ny maha-izy azy ny mpanoratra tsirairay sy ny nifandraisan’izy ireo tamin’i Jesoa Kristy dia azo lazaina hoe : misy itovizany ny venti-kevitry ny Filazantsara rehetra , mitantara ny fitsanganan’ i Jesoa Kristy tamin’ny maty sy ny zava-niseho taorian’izany , indrindra fa ny fanirahana ny mpianatra hanaparitaka ny Filazantsaran’ny fandresena amin’ny olombelona rehetra .

Efa nanambara mantsy i Jesoa Kristy ato amin’ny Filazantsara araka an’i Jaona hoe : handeha Aho dia irahiko ho aty aminareo ny mpananatra hitarika anareo amin’izany .Tonga ny fotoana eto momba izany fanirahana ny mpianatra izany hanohy ny asa natombok’i Jesoa kristy . Eto dia miresaka an’i Petera manokana ny teny .Koa raha haniraka an’i Petera i Jesoa Kristy dia naninona Izy aloha no nanontany intelo an’i Petera ny mahakasika ny fitiavan’i Petera Azy ?

I Petera dia niseho ho tena nafana fo tamin’ny fanarahana Azy mandrakariva .Nialoha làlana ny mpianatra hafa hatrany i Patera eo amin’ny resaka ifanaovana amin’ny Tompo , eo amin’ny zavatra maro samihafa ifandraisan’ny mpianatra aminy ( jereo Mat 26.30-35/ Mar 14.26-31) .Misy mpahay Baiboly milaza hoe: toy ny filohan’ny fikambanan’ny 12 lahy mihitsyi Petera ,izy koa anefa no ilay mpianatra nahavita nandà tanteraka ka nilaza ho tsy nahafantatra an’i Jesoa Kristy rehefa nenjehan’ny Jiosy Izy .

Sao sanatria mbola misy Petera tsy tapa-kevitra any ho any ka manontany anao koa i Jesoa Kristy eto , ahoana marina moa ny tena fitiavanao Azy?

Fanontaniana:

Ahoana no hanaporofoinao sy iainanao fa vonona amin’ny asa fanompoana anirahan’i Jesoa Kristy anao ianao?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alakamisy 27 Aprily 2023

EZEKIELA 34.20-31

Toe-javatra iray hain’ny olona loatra ny tontolon’ny fiandrasana ondry , satria hatrany am-piandohana dia isan’ny fihariam-pivelomana naha-izy azy ny olona ny fiompiana , ary izany zavatra hain’ny olona loatra izany indrindra no nampiasain’Andriamanitra hanehoany ny fifandraisany amin’ny olona mba tsy ho sarotra amin’ny olona ny fifandraisana Aminy .Araka ny itanteran’ny Soratra Masina azy anefa dia tsy mirindra ho azy amin’izao akory ny zava-misy ao amin’izany sehatry ny fiandrasana ondry izany satria notsinotsinoavin’ny mpiandry ondtry ka nijaly sy nitondra faisana mafy . Manoloana izany dia hamonjy ny ondriny Andriamanitra amin’ny alalany .

Fanendreny sy fanirahany mpiandry mahatoky

Tena sarotra ny toe-javatra iainan’ny ondry satria tsy miraharaha ny asa fiandrasana mihitsy ny mpiandry ka lasa milomano ny ondry ,rava ny ahi-maitso hohanina sy rano hosotroina ,ny ratsy ataon’ny fahavalo sy ny bibidia koa dia tsy hita holazaina intsony .Nanapa-kevitra ny Tompo araka izany fa hanendry mpiandry vaovao azo antoka ho famerenana amin’ny laoniny ny fiainan’ny ondry ,handrava izay mety ho endriky ny fahavalo rehetra ,hampanjaka ny fandriampahalemana mba hanatsarana ny fiainan’ny ondry indrindra .

Hanome fahafahampo amin’ny filàn’ny olona ny Tompo

Hanome ranonoram-pitahiana mivatravatra Aho , hoy ny Tompo . Fantantsika fa raha tsy misy ny rotsaka orana dia ho maina ny tany , ary hisedra fahasahiranana mafy ny zava-boahary rehetra ,fa raha hanome ranonoram-pitahiana ny Tompo dia hahavokatra ny tany ka tsy hijaly ara-tsakafo ny ondry .

Fanontaniana:

Iza no antsoin’ny Tompo hoe : ondriny ? Ahoana no fikarakarany ny ondriny ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alarobia 26 Aprily 2023

LIOKA 20.27-40

Ny fitsanganan’ny maty

Misy ny tsy finoana ny fitsanganan’ny maty

Antokom-pivavahana iray nisy tamin’ny andron’i Jesoa Kristy ny Sadoseo , ary izay fantantsika momba ny Sadoseo eto dia izao : tsy mino ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty izy ireo (jereo and27) . Izany fiheverany ny tsy fisian’ny fitsanganan’ny maty izany o nentiny niresaka tamin’i Jesoa ka nanaovany ohatra kidaladala mba entiny hanaovana tsinotsinona ny fitsangan’ny maty araka ny ahitana azy eto (and28-33)

Ny valitenin’i Jesoa Kristy momba izany

Misy fifanoherana be mihitsy ny fiainana ety an-tany sy ny fiainana amin’izany fitsanganan’ny tena amin’ny maty izany .Eto amin’ity tany ity dia misy ny fahaterahan’ny olona ary misy koa ny fahafatesana’ny olona , izany hoe: ny fiterahana no miantoka ny fitohizan’ny taranaka . Any amin’ny fiainana mandrakizay kosa ho an’ireo izay mendrika hiditra amin’izany , rehefa afaka amin’ny fitsaran’ Andriamanitra dia hitsangana amin’ny maty ary ho velona mandrakizay ka tsy hisy fahafatesana intsony any .Noho izany dia tsy manan-toerana any intsony ny fanambadiana sy ny fiterahana .Tsy misy resaka hoe : iza no vadin’iza intsony any araka ny eson’ny Sadoseo

-Ankilan’izany , manamafy ny fisian’ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty i Jesoa Kristy eto araka ny voalaza ao amin’ny tenin’ny lalàna hoe : Andriamanitr’i Abrahama sy Andriamanitr’Isaka ary Andriamanitr’i Jakoba, satria amin’Andriamanitra dia velona avokoa ny rehetra na ny marina kokoa ,hainy ny mamelona izay heverin’ny olona fa maty fa amin’ny fijerin’ny olona no misy maty ary tsy misy azo atao intsony .

Fanontaniana:

Ahoana ny fiainanao ilay fanekem-pinoana hoe:mino ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Talata 25 Aprily 2023

1 KORINTIANA 15.42-49

Afafy tena araka ny fomban’aina izy ,

atsangana ho tena araka ny fombam-panahy

Ny Grika izay mandà ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty dia mihevitra fa ny vatana dia zavatra misakana ny fanahy ka tsy mety raha misy vata-tena any an-danitra ,fa fanahy ihany no hita any . Ny Jiosy kosa dia mihevitra fa izao vatana ananana izao ihany no hitsangana indray fa tsy misy fiovana.Manazava ny momba ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty kosa i Paoly araka zao : afafy araka ny fomban’aina ety an-tany ny vatan’olombelona , izany hoe : amboarina hifanaraka amin’ny zavatry ny tany ,hiaina araka ny fomban’ny tany . Amn’izay lafiny izay dia tena misy hitoviana amin’ny zava-mananaina rehetra ety an-tany mihitsy ny olombelona ,toy ny biby ohatra ,ka tsy mahagaga mihitsy raha misy mahavita zavatra tahaka ny ataon’ny biby .Maty araka ny fomban’aina ety an-tany no tsy maintsy hiafaran’izany tena araka ny fomban’aina izany ary tsy misy afaka amin’izany akory na iza na iza . Soa ihany fa misy ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty araka ny hilazan’i Paoly azy hoe : vatana atsangana ho tena araka ny fombam-panahy .Tsy noheverin’Andriamanitra ho toy ny biby ny olona sanatria ary tsy najanony tamin’ny fomban’ny ety an-tany ihany , fa nomeny ny tena araka ny fombam-panahy tamin’ny alalan’ny fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty , ka afaka misitraka izany koa izay rehetra ao aminy . Araka izany , na dia mety maty aza ny tena ao amin’ny nofo , nafafy araka ny nofo dia fiainana mandrakizay kosa no omen’ny Tompo izay mino Azy ao amin’i Jesoa Kristy .

Fanontaniana :

Nafafy tety an-tany ho tena araka ny fomban’aina ny olombelona ,moa mety misitraka ny tena araka ny fombam-panahy kosa ve ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alatsinainy 24 Aprily 2023

ROMANA 6.1-14

Araka ny fampianaran’ny fiangonana dia tarihana ny olona rehetra na iza na iza mba hatao batisa. Fantantsika tsara moa fa misy ny fampianaran’ny fiangonana izay tsy maintsy atao ho an’izay hiditra sy maniry hanana anjara amin’izany sakramenta izany . Sanatria tsy mandiso izany akory isika eto fa milaza izay foto-pampianarana ambaran’i Paoly ambonin’izay efa ampianarin’ny fiangonana ihany . Milaza àry iPaoly eto , fa ny batisa raisin’ny kristiana dia fampiraisana ny olona atao batIsa amin’ny fahafatesana izay nahafatesan’i Jesoa Kristy. Koa izay natao batisa dia manaiky fa efa nanombo ny fahotany izay entin’ilay « olona taloha » tao anatiny tao . Lazaina izany hoe : efa maty ny fahotana nangeja ny olona tao amin’ny vatany araka ny nandevonana ilay « olona taloha » tao amin’i Jesoa Kristy .Tsy mijanona ho amin’ny fahafatesana anefa , fa indro velona Jesoa Kristy mba hahavelona izay rehetra ao Aminy indray .

Atolory àry ny tena ho an’Andriamanitra

Hamafisina àry fa izay rehetra vita batisa dia ilazana hoe : efa maty miaraka tamin’i Jesoa Kristy . Tsy tokony hanana fifandraisana aminy intsony ny fahotana , izany hoe : tsy ekena hanolotra ny momba ny tena ho amin’ny fahotana intsony, satria efa afaka tamin’izany ,araka ilay fahafatesana efa nisy . Na izany aza anefa , olana ho an’ny olombelona ihany izany noho izy mbola miaina sy mivelona ety ambonin’ny tany ka nifanerasera amin’ny zavatry ny tany feno faharatsiana . Izany indrindra àry no hanolorana ny tena ho an’Andriamanitra mba hitarihany sy hitahiany ary hanampiany ny olona .

Fanontaniana :

Inona no hevitry ny batisa araka ny ambaran’i Paoly eto ? Ahoana no tokony ho fiainan’ny kristiana vita batisa ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM