Alakamisy 30 Martsa 2023
JAKOBA 4.13-20
Ny olona matoky an’Andriamanitra
1-Mametraka ny fiainany eo aminy
« fa aleo manao izao : Raha sitrapon’ny Tompo , ka velona izahay dia hataonay izao na izany » (and15)
Manoratra amin’ny fiangonana manerantany ny Apostoly eto ka mananatra azy mba hametraka ny tokiny amin’Andriamanitra .Tsy hamaritra mialoha ny fikasana amin’ny andro ho avy raha tsy efa nametraka izany tamin’Andriamanitra .Fianarana ho an’ny kristiana ankehitriny ihany koa izany .Koa apetraho amin’Andriamanitra ny fandaharam-potoananao ,ny fikasana rehetra. Aza matoky tena ka hihevitra ho tompon’ny fandaharam-potoana irery tsy misy Andriamanitra fa ankino Aminy ny fiainana manontolo . Jesoa Kristy no hahatanteraka ny aminao rehetra sady Izy no handamina ny làlanao .
2-Manao soa
« Koa izay mahalala hanao soa , nefa tsy manao dia heloka ho azy izany » (and17)
Mampitodika ny olona amin’ny fanaovantsoa ny Apostoly Jakoba .Heloka eo anatrehan’Andriamanitra ny mijanona eo aminn’y fietritreretana hanao soa , kanefa tsy manatanteraka izany akory .Tsy fisainana hanao soa no andrasan’Andriamanitra amin’ny olona fa ny hampihatra izany eo amin’ny fiainana mihitsy .Ho anao koa, aza mijanona hatreo amin’ny fikasana ihany raha tokony hanao soa fa tanteraho izany , ampiharo ho tonga asa mivaingana . Fahadisoana eo anatrehan’Andriamanitra ny tsy manome izay tokony homena fanampiana sy fiantrana .Koa mazotoa amin’ny fiantrana ho fanampiana ny hafa fa izany no sitrapon’Andriamanitra ao amin’i Jesoa kristy .
Fanontaniana:
Iza avy no tokony hanaovana soa kanefa tsy nanaovanao ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM