Fanavaozana trano/ Ampandrana

Fitokanana sy fanavaozana ny trano fonenan’ny Mpiasa FOIBE

Iray amin’ireo asa tontosain’ny Komity maharitra mikasika ny fampandrosoana eo anivon’ny
FJKM no notokanana araka ny fombam-piangonana ka niderana an’Andriamanitra teny an-toerana
niarahana tamin’ireo olo-manankaja maro eo anivon’ny Fiangonana, izay notarihin’ny Filoha FJKM,
Dr IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA AMMI, Mpitandrina.
Asa fanatsarana ny endrika ivelany tamin’ny alalan’ny lalotra sy loko no natao ary nisy ihany
koa ny fanamboarana trano fidiovana ho an’ireo tokatrano tsy nisy izany. Marihina fa tsy natao
ambanin-javatra ny tontolo maintso ho fanatsarana ny tontolo ivelany, ka hazo fihinamboa isan-
karazany izay miavaka tokoa no nambolena teny, izay fanomezana avy amin’ny Amerikana Atoa
Dan Turk. Fianakaviana 15 isa ireo mpiasan’ny FJKM monina eny, ary misy ny fikambanan’ny
ankohonana mipetraka eny an-toerana, izay hiandraikitra ny fikojakojana ny tanàna amin’ny ho avy,
ka mitarika izany fikambanan’ny mpiray tanana izany ny Filoha Atoa RANDRIAMALALA Josoa.
Marihina fa “Fiadanana” no anarana nofidin’ny mpiasa monina eny an-toerana.
Nanomboka ny Sabotsy 22 Novambra 2022 ny asa fanatsarana ny tanàna fonenan’ireo
mpiasan’ny FJKM ka ny Talata 07 Martsa 2023 izany no notokanana araka ny fomam-piangonana
ka teo an-tokotanibe.
Ny Filoha mitarika ny komity Foibe misahana ny fampandrosoana, dia Atoa RABENORO
DAVID ary ahitana vaomiera 4, ao anatin’izany komity maharitra izany, dia : 1/ Vaomiera Vola. 2/
Vaomiera Mpiasa. 3/ Vaomiera Fananana. 4/ Vaomiera Fampandrosoana .

ILAIMAZOTO ˂SF˃

Perikopa 2025

Mey: MITARI-DALANA NY FANAHY MASINA

| | 25. Ala. V man. Paska - Alahady FFPM
Mik. 3. 5-8 | Jao. 16. 12-15 | 2 Kor. 3. 12-18

| | 29. ANDRO NIAKARANA
Salamo 47, 1-9 | Jaona 14, 25-31 | Asan'ny Apostoly 1, 6-11

Jona: AN'NY TOMPO NY FAHEFANA

| | 01. Ala. VI man. Paska
2 Tan.25. 1-12 | Mat.10. 26-31 | Jak.4. 11-17

| | 08. PENTEKOSTA - Sekoly FJKM
Ezekiela 39. 25-29 | Jaona 15, 26-27 | Asan'ny Apostoly 2, 14-21

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY MPIASA FOIBE FJKM 2025