FOIBE FJKM

FANASANA

✳️Fanompoam-pivavahana hitondrana am-bavaka ny taom-piasana 2023 sy ny Filohan’ny FJKM, Antsonjobe 2023.

✳️ NY FOIBE FJKM dia manasa antsika, Mpitandrina sy ny Kristiana rehetra, ho tonga hidera sy hankalaza an’Andriamanitra amin’ny fanompoam-pivavahana ho fitondrana amim-bavaka ny Filohan’ny FJKM mianakavy sy ny taom-piasana 2023.Izany dia ho tanterahina eny amin’ny Coliséum ANTSONJOBE

👉ny Alahady 15 Janoary 2023:🌿amin’ny 7 ora ka hatramin’ny 9 ora maraina: asa sy fampaherezana iarahana amin’ny Mpiandry FJKM.🌿amin’ny 9 ora sy sasany maraina: Fanompoam-pivavahana ho fitondrana amim-bavaka ny Filohan’ny FJKM mianakavy sy ny taom-piasana 2023

Toy izao ny fandaminana iombonana:

👉Mihidy avokoa ny Fiangonana amin’ny Synodamparitany efatra eto Antananarivo (SP10; SP11; SP12; SP 19),

👉Hisy toerana manokana ho an’ny isaky ny SP ary hitondra Banderoles ny isam-piangonana.

👉Manao fanamiana ny Sampana rehetra fa miara-mipetraka amin’ny SP misy azy ihany.

👉Mitondra Badge ny Mpitandrina rehetra fa hisy toerana voatokana ho an’ny Mpitandrina mivady avy.

Tongava maro ho Voninahitr’Andriamanitra.“

« Miorena tsara, Aza miova

Sabotsy 31 Desambra 2022

ASAN’NY APOSTOLY 5.29-42

Ny tena mpitory Filazantsara

Aoka ho fantatsika fa ny tena mpitory ny Filazantsara dia ;

1- Tsy mihemotra manoloana ny sakantsakana

Tezitra ny mpisoronabe mbamin’ny namany raha nahita fa maro ny olona resy lahatra noho ny Filazantsara ka nanapa-kevitra hanara-dia an-dry Petera.Nosamboriny izy ireo ka nataony tao an-tranomaizina,nefa nony alina dia nisy anjelin’ny Tompo namoha ny varavaran’ny fonja ka namoaka azy taorian’izay dia mbola nanohy nampianatra teo an-kianjan’ny tempoly indray ireo Apostoly na dia efa norarana mafy aza (and28) . Ny tena mpitory ny Filazantsara dia tsy mihemotra manoloana ny sakantsakana samihafa .  » Iza no hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’i Kristy? fahoriana va sa fahantrana sa fanenjehana sa mosary sa fitanjahana sa loza sa sabatra ? » (Rom 8.35)

2- Andriamanitra ihany no ankatoaviny fa tsy olona

Tsy midika akory izany fa tokony hanohitra ny mpitondra sy ny manam-pahefana ny mpino.Ambaran’ny Soratra Masina aza fa tokony hanaja ny mpanapaka sy ny mpifehy ny mpino (1Pet 2.13,14/Rom 13.1-3),saingy ambara koa fa adidy tsy maintsy efaina eo anatrehan’Andriamanitra ny asa fitoriana ny Filazantsara ka na inona na inona ,ary na iza na iza hisakana izany dia tsy maintsy toherina amin’ny Anaran’i Jesoa .Izany no nilazan’ny Apostoly Paoly hoe : « Andriamanitra no tokony hekena mihoatra noho ny olona » (and 29). Nohararaotin’i Petera tamin’io fotoana io nanadihadiana azy io ny fanambarana ny amin’ i Jesoa izay notoriany ka vao mainka sanganehana ireto mpisakana . « Fa raha mitory ny Filazantsara aho,dia tsy misy ho reharehako,satria tsy maintsy manao izany,fa lozako raha tsy mitory ny Filazantsara aho« (1Kor 9.16)

Fanontaniana:

Inona no sakana efa nolalovanao noho ny fanarahana an’i Kristy ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Mofo /Jan 2023

MPAHARY IZAO REHETRA IZAO NY TOMPO

DATYTENY VAKIANA
01Gen 2.4-17
02Apo 21.1-8
03Isa 43.14-28
04Jao 1.1-5
05Sal 51.1-19
06Kol 1.15-20
07Gen 1.26-28
08Mat 14.13-23
09Sal 104.24-35
10Oha 8.22-36
11Isa 45.9-13
12Gen 5.1-5
13Rom 9.19-26
14Isa 44.21-23
15Apo 4.9-11
16Eze 36.33-38
172 Kor 5.11-21
18Sal 33.4-11
19Apo 15.1-4
20Mat 11.25-27
21Sal 95.1-11
22Jer10.6-13
23Isa 64.7-11
24Mpitor 12.1-7
25Jao 10.20-26
26Sal 89.5-18
27Asa 17.22-31
28Isa 46.3-7
29Lio 17.11-19
30Isa 65.17-21
31Apo22.1-5

Zoma 30 Desambra 2022

APOKALYPSY 12.1-6

Toy izao ny fanazavana ireo famantarana voalaza eto ;

1-Ilay vehivavy mitafy masoandro (and1)

Ny fiangonan’Andriamanitra no sary asehon’ilay vehivavy. Niatrika fanenjehene mivaivay ny mpino tamin’ny andron’ny fiangonana voalohany.Ny hampahery ireo kristiana tamin’izany andro izany no kendren’ny famantarana.Mety hihatra amin’ny kristiana amin’ny fotoana rehetra ihany koa anefa izay nahazo ireo fiangonana voalohany ireo , ary ny hoe ; mitafy masoandro dia entina ilazana ny voninahitra sy ny hery ampombain’ny Tompo azy. Ny hoe; bevohoka sy mihetsi-jaza kosa dia ilazana ny fahalemeny sy ny fahoriana izay mihatra aminy. »Ary mihetsi-jaza izy ka mitaraina satria marary fatratra efa hiteraka »(and 2).

2- Ilay dragona (and 3.4)

Satana sy ny fahalozana entiny no endrika asehon’ny dragona .Mahatahotra sy mahatsiravina ny endriny. »dragona mena lehibe manan-doha fito sy tandroka folo ary misy diadema fito amin’ny lohany ».Ny ataony dia tsy misy afa-tsy ny hanozongozona sy hampitondra fahoriana ny fiangonana. Izany no hevitry ny hoe ;  »ary ny dragona nijanona teo anatrehan’ilay vehivavyefahiterakamba handrapaa ny zanany raha vao teraka » and4.Nihevitra izy fa ho mora ny hahazoany mamotika ny fiangonana.Tsy izany ihany anefa no mitranga satria voafetra ihany ny heriny .

3-Ny zazalahy and5

Jesoa Kristy Mpanjaka no ambaran’izany. »Izy no hanapaka ny firenena rehetra amin’ny tehim-by’‘.Nakarina faingana eo anilan’Andriamanitra sy eo anilan’ny seza fiandrianany ilay zaza. Mampahatsiahy fomba niarovan’Andriamanitra an’i Jesoa zaza tamin’ny tànan’i Heroda sy ny nandosiran’i Josefa sy Maria tany Egypta ny fandosirana tany anefitra and 6

Fanontaniana ;

Mbola miatrika fanenjehana ny fiangonana ankehitriny .Hazavao

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alakamisy 29 Desambra 2022

MATIO 2.13-15

An’ny Tompo ny fanjakana

Tsy zakan’iHeroda ny nandre ny hahaterahan’Ilay Mpanjakan’ny Jiosy (Mat 2.3) .Nikasa hamono ny zaza izy .

1-Tsy mahasakana Azy ny fahefan’olombelona

Hery roa no mifanandrina dia ny fanjakan’i Heroda sy ny fanjakan’iMesia. Heroda lehibe dia nanjaka tamin’ny Jiosy tamin’izany fotoana izany .Nampihorohoro azy ny filazan’ny Magy fa hisy mpanjaka ho teraka .Nanapa-kevitra hampiasa ny hery sy ny fahefana rehetra nananany mba hamonoana ny zaza Mesia izy . Tsy manan-kery ho entina hanohitra izany filazan-dratsy izany i Josefa sy Maria , izay eo ambany fanapahany rahateo .Miditra an-tsehatra Andriamanitra ka maniraka ny anjeliny mba hiarovany ny fikasany hamonjy ny olona rehetra .Tsy voasakan’ny fanjakana sy ny fahefan’olombelona ny Filazantsara.

2-Araho ny toromarika omeny (and13)

Azon’Andriamanitra natao ny nanavotra an’i Jesoa zaza tamin’ny fomba hafa izay mety ho tsy takatry ny saina , saingy napetrany tamin’i Josefa ny andraikitra hiarovana ny zaza .Niseho taminy ny anjelin’ny Tompo ,ka nanoro làlana azy mba hiarovana an’i Jesoa zaza. Nanaraka an-tsakany sy andavany izay rehetra nambara taminy i Josefa .Nentina nandositra ho any amin’ny firenena jentilisa Jesoa .Toa hita taratra eto sahady ny fihitaran’ny fitoriana ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy mankany amin’ny firenena rehetra raha efa nandà tsy nandray Azy ny Jiosy izay nofidin’Andriamanitra .Anjarantsika fiangonana ny miaro sy mampiely ny Filazantsara ho fanitarana ny fanjakan’Andriamanitra .Ny fankatoavantsika ny Tenin’Andriamanitra no hery enti-mitory sy mandresy ny fahefan’ilay ratsy .

Fanontaniana:

Inona no andraikitry ny fiangonana eo anatrehan’ny fanjakana ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alarobia 28 Desambra 2022

ISAIA 9.1-6

Ny fahaterahan’ny Mesia

 Hanova ny fiainan’ny vahoakany  ny fahatongavan’ny Mesia

 1-Fiposahan’ny  fahazavana (and1-4)

 Raha niaina tao  anatin’ny aizina izy ireo teo  aloha dia hahita  mazava lehibe.Niaina tao  anatin’ny  aizim-pahotana  sy ny famoizam-po ,izay aloky ny fahafatesana ny Israely.Nampahorian’ny fahavalo ny Israely ,nampilanjaina zioga  fitondrana entana tahaka ny biby,nokapohina tamin’ny karavasy (and3,4).Maizina tanteraka ny androny .Toa nanafina ny tavany tamin’izy ireo ny Tompo ,ka tena nahatsiaro ho  toy ny efa maty izy ireo. Fa ankehitriny kosa, ny mpaminany Isaia  dia mitondra hazavana mamirapiratra  dia ny teny  mamelona fanantenana ,mitondra fifaliana,milaza fanafahana.Tsy misy ezaka avy tamin’ireo  olona nitoetra tao amin’ny maizina  ny nahatonga ny mazava , fa tena asan’Andriamanitra  samirery izany .Ny   fahaterahan’I Jesoa Kristy  no  manafaka antsika amin’ny aizim-pahotana.

2-Fanjakam-piadanana (and 5-6)

Fa zaza no teraka ho antsika .Zazalahy  no omena antsika “… Fanomezana sarobidy indrindra avy amin’ny Tompo  ho an’ny mino  ny fahatongavan’ny Mesia .Amin’ny alalany  no  andravan’ny Tompo ny fahavalo  sy hanatanterahany ny famonjena .Misalotra ny fitafiana sy ny marika  maha-mpanapaka Azy Izy(and5b) .Ny asa tanterahany  sy ny  toetra hitondrany  ny fanjakany no hanomezan’ny olona Azy ny Anarany araka izao : Mpanolotsaina mahagaga, Andriamanitra mahery. Jesoa Kristy dia tena Zanak’Andriamanitra ,Rain’ny mandrakizay,mizara zava-tsoa mandrakariva ho an’ny zanany  .Andrian’ny fiadanana mpanapaky ny fiadanana .Ny fanjakan’ny Mesia no fanjakana mandrakizay  anjakan’ny  fiadanana sy ny fahamarinana (and6) .

Fanontaniana:

Nanova ny fiainanao ve ny fankalazanao ny Krismasy ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Talata 27 Desambra 2022

2 MPANJAKA 19.1-7

An’ny  Tompo ny fandresena

1-Mampandresy izay mialoka Aminy Izy

Tamin’ity fotoana ity dia Hezekia no mpanjakan’ny Joda .Ny Asyriana ,izay firenena matanjaka indrindra tamin’izany fotoana izany no fahavalon’ny firenena ka nampihorohoro fatratra sady nirehareha noho ny fananany hery ara-tafika .Fantatr’i Hezekia tsara ny halehiben’ny hery mifanandrina aminy ,saingy tsy nilavo lefona teo anatrehan’ny iraky ny mpanjakan’ny Asyria izy ,fa naleony nametraka ny fanantenany sy ny adiny tamin’Andriamanitra (and1-2).Fantany fa lehibe sy mahery lavitra ny Tompo  Andriamanitra .Nanetry tena sy nivavaka tamin’ny Tompo ny mpanjaka Hezekia sy ireo akaiky azy.Nantsoiny hiaraka aminy koa ny mpaminany Isaia (and5).Anjarantsika fiangonana ny mivavaka mba hanomezan’Andriamanitra mpitondra sy manam-pahefana tahaka an’i Hezekia.

2-Izy no mandroaka ny fahavalo  .

Nampitondra teny fampaherezana ho an’iHezekia ny mpaminany Isaia  .Nambarany tamin’izany fa ny Tompo mihitsy no hiady sy handingana ny fahavalo . “Fa indro Izaho efa hanisy fanahy ao anatiny , ary hahare siosio izy fa hiverina ho any amin’ny taniny ,dia hataoko lavo-tsabatra any amin’ny taniny izy”  (and6-7).Rehefa mibebaka sy manakim-po tanteraka amin’Andriamanitra ny olona dia misava avokoa ny tahotra sy ny ahiahy rehetra ;foana ny loza mitatao izay saika nianjady. Fomba mahagaga tsy takatry  ny saina no nentin’Andriamanitra nanafaka an’I Hezekia sy ny fanjakany teo am-pelatànan’ny Asyriana .Nandresy tsy niady izy ! Marina ny tenin’ny Tompo hoe: “Jehovah hiady ho anareo fa ianareo kosa hangina  “ (Eks 14.14).

Fanontaniana :

Fotoana manao ahoana no tena ilana vavaka sy fifadian-kanina?

Sampana Sekoly Alahady  FOIBE FJKM