Hafatry ny Filoha / Okt 22

VONTOSY FILAZANTSARA

NY NOSY MADAGASIKARA !

Averintsika hatrany izany

Fa antsoantso fanentanana

Izay tsy mbola lefy laza.

Satria dia misy, tena misy,

Tena vokatra tokoa

Tamin’ny ezaka natao.

Mamaky ny gazety ianao,

na mihaino “radio”

Ka mandre ireo misionera

Mitantara irony dia

Nandehanany nitory,

Tena velom-bolo ianao,

Mahagaga re ny Tompo!

Tena velona i Jesoa!

Eny, tena iravoana

Sy isaorana ny Tompo

Ireny rehetrarehetra ireny.

Fa olo-mino marobe

No ‘ndray nanolo-tena handeha,

Mpitandrina sy Fiangonana

Tsy vitsy koa no indreo mijoro

Tsy hitsitsy herin-tena

Sy fotoana sy harena

Handehanana mitory

Ny famonjen’ny Tompontsika

Dia i Jesoa Kristy!

Tsara ireny, nefa kosa

Mbola misy tsy tontosa:

Koa andao, herezo hatrany

VONTOSY FILAZANTSARA

NY NOSY MADAGASIKARA !

IRAKO AMMI

Perikopa 2025

Mey: MITARI-DALANA NY FANAHY MASINA

| | 18. Ala. IV man. Paska - Mpiasa Foibe FJKM
2Sam. 23. 1-7 | Mat. 12. 22-30 | 1 Kor. 12. 1-11

| | 25. Ala. V man. Paska - Alahady FFPM
Mik. 3. 5-8 | Jao. 16. 12-15 | 2 Kor. 3. 12-18

Jona: AN'NY TOMPO NY FAHEFANA

| | 01. Ala. VI man. Paska
2 Tan.25. 1-12 | Mat.10. 26-31 | Jak.4. 11-17