Alahadin’ny MAMRE

MASERA MAMRE F.J.K.M

Fandaharana iombonana

Alahady 16 Oktobra 2022

Feon-javamaneno

 1- Fiarahabana Apostolika

 Ry havana malala, « Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Ray sy Jesoa Kristy Tompo » (IKor. 1: 1-3).

Faly miarahaba antsika nahatratra ity Alahady natokana hitondrana amim-bavaka ny Masera MAMRE FJKM ity ary mbola ibanjinantsika ny lohahevitra hoe:

« HAVAOZY NY FANOMPOAN’NY FIANGONANA »

2-Fiderana an’Andriamanitra : Sal. 113

Hira 36

3- Vavaka fiderana sy fisaorana

4- Fanambarana ny sitrapon’Andriamanitra

 Henoy amin’ny fanajana ny teny manambara ny sitrapon’Andriamanitra amintsika: « Ary nisy mpaminany vavy anankiray dia Ana… izay tsy niala teo an-kianjan’ny Tempoly, fa nanompo tamin’ny fifadian-kanina sy ny fivavahana andro amana alina…dia nisaotra Andriamanitra ka nilaza Azy tamin’izay rehetra niandry ny fanavotana tao Jerosalema (Lio. 36-38).

“ Sambatra ny mahitsy lalàna…” Hira 489: 1,4

5- Fiaiken-keloka

Ry Andriamanitra ô, indreto izahay manetry tena eto anatrehanao, miaiky ny fahantranay sy ny fahotanay. Tsy nanome Anao ny voninahitra tokony ho Anao izahay. Nandika ny lalànao masina izahay. Tsy mba nikatsaka ny fanjakanao sy ny fahamarinanao mihoatra noho ny zavatra rehetra izahay. Tsy mandany ny andronay amin’ny fiderana Anao sy ny fivavahana tsy mitsahatra izahay. Rendrika tao anatin’ny hazakazak’izao fiainana izao izahay ka izay tokony nakahalanay no nankamaminay sy sahinay natao teo imasonao. Ry Rain’ny famindrampo ô, mitalaho Aminao izahay: mamelà ny helokay, diovy izahay ho afa-pahotana, havaozy ao anatinay ny fanahinay mba ho vonon-kanompo Anao. Ny fitiavan’i Jesoa Kristy Zanakao Mpamonjy no angatahanay izany. Amen. Vavaka mangina Hira 444:1,4

 6- Famelan-keloka

Hoy ny Tompo:” Satria nino anatra ianao ka nanetry tena teo anatrehako, Izaho efa nihaino. Aza matahotra ianao, fa efa nanavotra anao Aho; Ahy ianao. Izaho dia Izaho no mamono ny fahadisoanao, ary tsy hotsa rovako ny fahotanao”. Voavela ny helokareo noho ny Anarany masina. Miderà ny Tompo

 “Sambatra ny olona izay voavela ny helony…” Hira 424:1,3,4

7- Fanekem-pinoana (laharana fahatelo)

 Feon-javamaneno

8- Filazan-draharaha

 Rakitra (Hiran’ny Antokom-pihira)

9- Fanolorana ny Rakitra

Hira 441:1,3,6

10- Tenin’Andriamanitra

 Fotoana ho an’ny ankizy sy ny tanora

 Hira 207: 1, 4

Vavaka mialohan’ny vakiteny Soratra Masina

– Mal. 3: 13-24

 – Lio. 2: 36-38

 – Rom. 5: 7-13

 Hira 786

 11- Toriteny Vavaka mangina na feon-javamaneno

 12- Vavaka fangatahana

ANTOM-BAVAKA

 -Hivavaka isika ho an’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara

. -Entintsika amim-bavaka ireo birao sy mpiandraikitra Foibe

 -Hivavaka isika ho an’ny Vina sy ny asa fitoriana ny Filazantsara sahanin’ny Fiangonana

 -Hivavaka isika ho an’ny Fiarahamiaina amim-bavaka Masera MAMRE F.J.KM

– Hivavaka isika ho an’ny Firenena.

13- Asa vavolombelona

Hira: FF. 10 14-

Tsodrano

 Vavaka mangina

Ho an’Andriamanitra irery ihany anie ny voninahitra.

 Amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina.Amen

Perikopa 2025

Jolay: OLOMBOAANTSO NY MPINO

| | 13. Ala. IV man. Trinite - S. Tanora Kristiana
1 Sam. 3. 1-9 | Mat. 15. 32-39 | 1 Kor. 1. 18-25

| | 20. Ala. V man. Trinite - S. Fivondronana Laika
Amo. 7. 10-15 | Mar. 10. 46-52 | Gal. 1. 11-17

| | 27. Ala. VI man. Trinite - TPM sy IFRP
Jer. 1. 4-10 | Mar. 3. 13-19 | Rom. 1. 1-7

Aogositra: MIFAMPAHERY NY MPINO

| | 03. Ala. VII man. Trinite
2 Sam. 10. 9-14 | Jao. 14. 1-7 | Efe. 6. 10-13

FJKM Fahazavana

ANDRIAMAMPIANINA Zaka, Mpitandrina