Zoma 05 Aogositra 2022

Kolosiana 2, 4-15 
Tano mafy ny finoana ka :
1- Aoka hitandrina amin’ny fampianaran-diso 

« Ary izany no lazaiko fandrao hisy hampadiso hevitra anareo amin’ny teny toa marina » (and.4). Niely tao Kolosia ireo fampianarana hafahafa izay miharo filozofian’olombelona. Misy ireo izay te hampifangaro ny fampianaran’i Kristy amin’ireo fampianaran’olombelona ka mampitandrina i Paoly manoloana izany. Mampitandrina antsika i Jesoa mba tsy ho voafitaka isika. 

2- Tandrovy hatrany ny firaisan’ny fiangonana 

« Mifaly sy mijery ny filaminanareo… ao amin’i Kristy » i Paoly dia manara-maso akaiky ny fiainan’ny fiangonana. Ilatrany hatrany, rehefa henony, fantany fa miray hina ny fiangonana. milaminana ny fiangonana, dia ampahafantariny ny fiangonana ny fifaliany manoloana izany. Io fiarovana ny firaisan’ny fiangonana tsy ho simba io dia tafiditra mihitsy amin’ny faneken’ny diakona aty amintsika, dia ny Fiangonana izay nanoloran’ny Tompo ny Tenany. Mariho fa filaminana ao amin’i Kristy no resahina eto. fa tsy fanaovana marimaritra iraisana any an-kafa. 

3- Mandeha, mamàka, miorina ao amin’i Kristy 

« Mandehana ao aminy araka izany koa, ka mamáka tsara sy miorina mafy ao aminy ary tafatoetra amin’ny finoana » (and.7). Mifampiankina ary mifampitohy ireto fahamarinana ambaran’i Paoly ireto: Ny fandraisana an’i Kristy, ny fandehanana ao aminy, mamaka sy miorina mafy ao aminy ary tafatoetra amin’ny finoana. Oharina amin’ny hazo ny fifandraisana eto ka raha tiana ny hahita vokatra dia tsy maintsy mamáka tsara amin’ilay foto-boaloboka Tsy mahela na inona na inona isika raha tafasaraka Aminy.

Fanontaniana : Inona avy ireo tokony hatao hampiorenana ny finoana?

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV