FFPM/AKZV

FFPM / AKANINJAZAVAVY  (AKZV) BEHORIRIKA


Tontosa ny Alarobia 06 Jolay 2022 ny fifamindram-pitantanana  tamin’ ny Tale AKZV teo aloha, Ramatoa POGET HELIVAO , Mpitandrina FJKM sy Ramatoa  FANJARIVOLA Ranivoarimanitra , Tale FOFIKRI teo aloha. Izany dia natao tao amin’ny  Akaninjazavavy  (AKZV) Behoririrka tantanan’ny FFPM, natrehan’ny Tonia sy Mpandraharaha FFPM, ny  Komity Teknika AKZV 4 Mianadahy. Ny Tonia FFPM no nitarika ny fotoana tamin’ny alalan’ny Fanompoampivavahana fohy nalaina tao amin’ny Isaia 41.9-10 :  Tena ilaina ny mihaino ny feon’Andriamanitra amin’ny fotoan-tsarotra. Andriamanitra tsy miova. Koa aza matahotra. Nifanolorana tamin’izany ny Bokim-pananana, ny Tatitra ara-bola 2022. Avy eo dia natao ny fitsirihana ny entana voamarina sy ny toetoetry ny trano. Marihana fa ny isan’ny kilasimandry dia 21 mirahavavy: 14  ny mpanao taozavatra, 09 ny parkings amin’izao fotoana izao. Ny Tale POGET Helivao dia voatendry ho Tale Nasionalin’ny Aumonerie Nasionalin’ny FJKM. Ny famindram-pitantanana dia niafara tamin’ny fanaovan-tsonian’ny Tonian’ny FFPM, nyTale roa tonta, ny Filohan’ny KT/AKZV.


 Mirary soa amin’ny fanohizana ny asa ho Voninahitr’Andriamanitra.

Rtoa Sahondramalala Vololona
Filohan’ny KT/AKZV

Perikopa 2025

Mey: MITARI-DALANA NY FANAHY MASINA

| | 18. Ala. IV man. Paska - Mpiasa Foibe FJKM
2Sam. 23. 1-7 | Mat. 12. 22-30 | 1 Kor. 12. 1-11

| | 25. Ala. V man. Paska - Alahady FFPM
Mik. 3. 5-8 | Jao. 16. 12-15 | 2 Kor. 3. 12-18

Jona: AN'NY TOMPO NY FAHEFANA

| | 01. Ala. VI man. Paska
2 Tan.25. 1-12 | Mat.10. 26-31 | Jak.4. 11-17