Sabotsy 18 Jona 2022

Salamo 24.1-10 

Mampanjaka ny fahefany ny Tompo

« An’i Jehovah ny tany sy izay rehetra eo aminy. Izao rehetra izao sy ny mponina eo aminy » (Salamo 24.1) 

1- Tompony Izy sady tompon’antoka aminy.

Ny tany sy izay rehetra eo aminy no tiana hambara amin’izany. Izany dia mampahatsiahy ny famoronan’Andriamanitra izao tontolo izao. Nohariany ny tany sy ireo zava-maminy. Asan’ny tànany avokoa ireny rehetra ireny. Ary mbola ampahatsiahivina antsika eto izany , Satria misy ny olona toa kivy am-pandehanana eto amin’ity izao tontolo izao ity. Aoka tsy hohadinointsika fa narindran’Andriamanitra tamin’ny fahendreny ny famoronana izao rehetra izao. Mbola Azy izany mandraka ankehitriny. Eny na isika olombelona aza eto amin’ity tany ity dia Azy.  Vakio ny Isaia 45.11. 

2- Tafiditra amin’ny drafi-pamonjeny 

Ny tsy fanajana ny tontolo iainana no mampiseho ny fahambaniantoetrantsika olombelona sy hanaovana tsinontsinona Ilay nahary azy. Feno faharatsiana ny tany sy ny mponina eo aminy. Koa raha tiantsika ho tonga lafatra ny tany dia tsy maintsy miverina amin’ny Mpamorona isika. Ny didiny sy ny fitsipiny no mamerina amin’ny laoniny ny zavatra rehetra. Izany no tiany hambara amin’ny 17, 14 .

Fanontaniana :

Tsaroanao ve fa an’Andriamanitra ianao ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2022

Jolay: IORENANA AMIN'NY  NY FINOANA  NY FANOMPOANA

| | 10. Ala.IV man.Trinite-Sampana Tanora Kristiana
Jos 2.1-16/ Mat 8.14-17/ 1Tim 4.11-16

| | 17. Ala. V man.Trinite -Samp Fivondronana Laika
Sal 116.12-19/ Mar 6.7-13/ 1Tes 1.1-10

| | 24. Ala.VI man.Trinite
Jona 1.1-16/ Lio 4.38-41/ Jak 2.21-26

FJKM Fahazavana

FJKM ANOSIZATO ANDREFANA FONENANA MASINA (SP AA11)