Alahady 12 Jona 2022
LIOKA 6.1-5
Meteza afahan’ny Tompo
1-Amin’ny toetra ratsy mamatotra (and2)

Nambaran’ireto Fariseo ireto fa tsy mety ny mikosokosoka salohim-bary amin’ny tànana ka mihinana izany amin’ny andro sabata .Mampalahelo mihitsy ireto sokajin’olona ireto fa voafatotry ny toetra ratsy , nefa heverina fa tsara . Toetra mihevitra ho hendry foana ka tsy mety ho diso mihitsy ,toetra manakiana olona mandrakariva na dia efa tsy tokony hokianina izao aza .Toetra mihatsaravelatsihy .Olona voageja ireo nefa izy ireo mihevitra azy fa afaka. Mampalahelo izany .Tsarovy ilay tenin’i Jesoa Kristy manao hoe: « Esory aloha ny andry eo amin’ny masonao ary amin’izay vao ho hitanao tsara ny hanesoranao ny sombinkazo eo amin’ny mason’ny rahalahinao » (Mat 7.5).Aza mba zatra manakiana olona fa aleo ihany aloha mijery ny an’ny tena ary meteza ny ho afahana amin’izany .
2-Amin’ny fombafombam-pivavahana (and3,5)

Fatra-panaja ny fombafombam-pivavahana loatra ireto Jiosy ireto indrindra fa ireo sokajin’olona misongadina toy ny Fariseo. Efa nolovain’izy ireo tamin’ny razany efa tao amin’ny Testamenta Taloha izany . Nofikiriny ka zary nampivaona azy .Tsy ny fombafombam-pivavahana no ratsy fa izy lasa manandevo. Mila manatona an’i Jesoa Kristy .Tandremo ! isika kristiana mazoto miditra am-piangonana mihintsy no matetika voafatotr’izany . Jesoa no manam-pahefana fa tsy fehezin’ny sabata.
Fanontaniana:
Inona amin’ny fombafombam-piavavana ao amin’ny Fiangonana misy anao no manam-pahefana aminao izao ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM