Zoma 06 Mey 2022

TITOSY 3.3-7

Ny asan’ny Fanahy Masina amin’ny olona

1-Manadio ho tonga olom-baovao

Anisan’izay nampianarin’i Paoly amin’ity Epistily ity ny amin’ny fitondrantena tokony hananan’ny mpino eo anivon’ny fiaraha-monina .Ambarany fa ny kristiana dia tokony hanaiky ny mpitondra sy ny manam-pahefana amin’ny fanatontosana izay rehetra mety ho asa soa , tsy tokony hanevateva olona , tsy ho liana ady , fa handefitra ka hanana fahalemem-panahy amin’ny olona rehetra . Tokony ho fantatry ny mpino mazava tsara fa mba nanana ny toetra ratsy izay efa niainany izy fahiny , efa nanohitra an’Andriamanitra mihitsy aza , saingy noho ny fahasoavan’Andriamanitra sy ny fanadivan’ny Fanahy Masina dia afaka tamin’izany izy ka tonga olom-baovao . Ary ny fahatsapana sy ny fandraisana amin’ny finoana izany famonjena nataon’Andriamanitra taminy izany no hitarika azy hahay mihavana amin’ny olona rehetra .

2-Manamarina eo anatrehan’Andriamanitra

Marihan’ny Apostoly mazava tsara fa ny famonjen’Andriamanitra ny mpino dia tsy avy amin’ny fahatsarany sy izay ezaka vitany akory fa tena asan’ny fahasovan’Andriamanitra samirery , dia ny nandrotsahan’Andriamanitra be dia be ny Fanahy Masina tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy Mpamonjy (and5).Izany dia efa nambaran’ny Apostoly rahateo araka ny voasoratra hoe: « Fa fahasoavana no namonjena anareo amin’ny finoana , ary tsy avy aminareo izany fa fanomezana avy amin’Andriamanitra , tsy avy amin’ny asa fandrao hisy hirehareha  » (Efe 2.8,9). Ary noho ny hamoram-panahy sy fitiavan’Andriamanitra izay tanteraka tao amin’iJesoa Kristy no nahatongavantsika hanana fanantenana ny amin’ny fiainana mandrakizay .

Fanontaniana:

Inona no efa niova taminao raha oharina amin’ilay ianao fahiny ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2025

Jolay: OLOMBOAANTSO NY MPINO

| | 13. Ala. IV man. Trinite - S. Tanora Kristiana
1 Sam. 3. 1-9 | Mat. 15. 32-39 | 1 Kor. 1. 18-25

| | 20. Ala. V man. Trinite - S. Fivondronana Laika
Amo. 7. 10-15 | Mar. 10. 46-52 | Gal. 1. 11-17

| | 27. Ala. VI man. Trinite - TPM sy IFRP
Jer. 1. 4-10 | Mar. 3. 13-19 | Rom. 1. 1-7

Aogositra: MIFAMPAHERY NY MPINO

| | 03. Ala. VII man. Trinite
2 Sam. 10. 9-14 | Jao. 14. 1-7 | Efe. 6. 10-13

FJKM Fahazavana

ANDRIAMAMPIANINA Zaka, Mpitandrina