Vavaka iombonana 14

Caucase Avaratra

Isa-maraina, miposaka avy ao amin’ny tendrombohitra avon’ny Caucase Avaratra ny masoandro ary manazava ny olona efa ho 7 tapitrisa monina eo anelanelan’ny Ranomasina Mainty sy ny Ranomasina Caspienne. Anisan’ny olona voahilika indrindra eran-tany izy ireo. Fiteny 45 mahery no ampiasaina ao, isany mahatonga ny rafi-pitenenany ho sarotra indrindra eran-tany. Tena vitsy koa ny Baiboly voadika amin’ny fiteniny.
Ny mponina amin’io faritra io dia manome lanja ny foko misy azy ka tsy mivadika amin’izany. Tsy manana fitokisana ny vahiny sy izay rehetra avy any ivelany. Na izany aza, raha resy io tsy fahatokisana io, mety hivoatra ny fifandraisana.

Yura dia tonga mpino rehefa nalefa sesitany tany Azia afovoany ny razambeny tamin’ny 1944. Niverina tany an-tanindrazany, tany Caucase, izy mba hitory amin’ny olona momba an’i Jesoa Kristy. Efa 30 taona mahery izy izao no nipetraka tany, izy irery ihany no mpino fantatra teo amin’ny vahoaka Caucase.
Nandritra ny taona maro Yura dia nivavaka mba hisian’ny fisokafana indrindra ao amin’ny tanànany izay tena tiany. Tanàna tena lavitra anefa no misy azy sy ny “vahoaka voromahery” . Mba hahatongavana any dia tsy maintsy mangataka fahazoan-dàlana 90 andro mialoha ao aminy. Avy eo dia tsy maintsy miakatra any an-tendrombohitra mandritra ny ora maro ary mandalo toeram-pisavana maromaro. Rehefa tonga any amin’ny toerana haleha vao fantatra raha mahazo alalana hiditra. Misy faritra hafa mora ny fidirana ao, saingy mila ny fifandraisana kunakh izy ireo vao tafiditra any.

Ny tany sy ny fiteny ary ny kolontsaina mitambatra no mahatonga an’i Caucase Avaratra ho iray amin’ireo toerana farany nandray ny Filazantsara amin’ity kaontinanta ity.

Mivavaha isika :
• Mba hisokatra ny varavarana amin’ireo olona mihidy ireo hidiran’ny mpino
(Apokalypsy 3:8).
• Mba hahazo fitahiana ny mponina any Caucase Avaratra, mba hisian’ny fiadanana sy fahalalana an’Andriamanitra.
(2 Petera 1:2):
• Mba handre ny tenin’Andriamanitra amin’ny fiteniny avy ireo olona rehetra ireo
(Asan’ny Apostoly 2:4–6).

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV