Vavaka

30 Andro iombonana aminny vavàka ho an n’y SILAMO (02 Aprily -02 Mey )

Alakamisy 31 Martsa 2022

JEREMIA 44.24-30

Mamaly ny faharatsiana na aiza na aiza ny Tompo

1-Arahiny na aiza na aiza mpanompony

Hoy ny voasoratra : « Ary hoy koa Jeremia tamin’ny olona rehetra sy tamin’ny vehivavy rehetra .Mihainoa ny tenin’i Jehovah , ry Joda rehetra ,izay aty amin’ny tany Egypta » (Jer 44.24). Efa nanambara Andriamanitra fa Andriamanitry ny akaiky sy ny lavitra Izy , manerana izao rehetra izao , ary mijery ny olona rehetra ety ambany masoandro .Misy tokoa isika mihevitra fa rehefa ivelan’ny tranon’Andriamanitra dia afaka manao zavatra tsy mifanaraka amin’ny sitrapony . Fa na aiza isika na aiza dia tokony ho vavolombelon’ny Tompo amin’izay ataontsika avy . Tsarovy ny teniny na aiza na aiza misy anao .

2-Samy eo anatrehany avy isika rehetra

Manafay sy manasazy izay mafy izay mafy sofina sy mafy fo tsy mety hihaino Azy Andriamanitra . Ary tsy ho an’ny olona tao Jerosalema ihany fa niantefa tamin’ny olony tany an-tany hafa izany . Tsy voafaritry ny toerana ny fahefan’Andriamanitra ary tokony ho tahaka izany koa ny fanatanterahana ny sitrapony . Fa maro isika no manao trandraka an-tany mena ka manaraka volontany ary manaraka ny ratsy ataon’ny tany onenantsika .Ireny no kristiana tanalahy ka mifangaro loko amin’ny faharatsiana misy eo amin’ny fiaraha-monina misy azy . Isika no hitenenan’ny Tompo anio .

Fanontaniana :

Moa misy toerana tsy eo anatrehan’Andriamanitra va?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alarobia 30 Martsa 2022

JEREMIA 25.1-14

Mamaly ny faharatsiana ny Tompo

1-Meteza hihaino ny Tompo

Ny alahelon’Andriamanitra no hita eto amin’ity perikopa ity . Nanantena Andriamanitra fa hanaraka ny didiny ny olony , kanjo zava-poana izany . Ambaran’i Jeremia eto fa nandritra ny 23 Taona no nanambarany ny hafatr’Andriamanitra , saingy tsy nihaino ny olona. Ary tsy izany ihany fa nisy mpaminany maro hafa koa nirahina hanambara fa tsy nihaino ny olona . Mahatezitra an’Andriamanitra ny tsy fetezantsika hihaino Azy .Tsy ity Boky Mofonaina ity ihany no efa nitenenan’ny Tompo antsika , fa efa fomba maro , saingy tsy mihaino Azy isika . Vakio ny Mar 1.11

2-Mialà amin’ny ratsy ianao

Misy teny fampanantenana efa nomen’ny Tompo ny Zanak’Israely dia hy fandovana ny tany Kanana izay tany tondra-dronono sy tantely , saingy ambaran’Andriamanitra eto fa raha tsy miala amin’ny ratsy fanaony izy ireo dia esorin’Andriamanitra amin’izany .Moa tsy toy izany koa va ny hafatra ataon’ny Tompo amintsika anio ? Samia miala amin’ny làlan-dratsinareo avy ianareo ary aza manaraka andriamanin-kafa sy manompo sampy . Raha vitantsika izany dia hamponenin’Andriamanitra amintsika ny fitahiana .Fa mandositra antsika ny fitahiana satria maloto eo anatrehany isika. « Fa ny helokareo no efitra mampisaraka anareo amin’ Andriamanitrareo , ary ny fahotanareo no mampiafina ny tavany aminareo , ka dia tsy mihaino Izy » (Isa 59.2)

Fanontaniana :

Inona no dingana efa nataonao hialan’ny fahatezeran’nyTompo ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Talata 29 Martsa 2022

2 TESALONIANA 1.3-12

Teny mampahery ny fiangonana tany Tesalonika no hitantsika eto . Ao anatin’izany no ahitantsika izany hoe :

Andriamanitra mandray andraikitra

1-Mitoera ho mahatoky (and 4-5)

Ny mpanompon’Andriamanitra dia sedrain-javatra maro ary mariky ny fanarahana ny Tompo izany . Izy Jesoa mantsy no efa niteny fa ho halan’ny olona isika noho ny amin’i Jesoa izay inoantsika. Derain’i Paoly ireto olona anoratany ireto noho ny faharetany ny amin’ny fahoriana ,ny faharetany amin’ny finoana . Hazavain’i Paoly eto fa tsy ho very maina izany fiaretana izany .Fa ankehitriny dia maro ny kristiana raha vao misy fanakianana kely dia mihemotra . « Aza matahotra izay efa hiaretanao .Indro ny devoly efa hanao ny sasany aminareo ao an-tranomaizina , mba ho voazaha toetra ianareo , ary hanam-pahoriana hafoloana .Aoka ho mahatoky hatramin’ny fahafatesana ianao , dia omeko anao ny satroboninahitra fiainana » (Apo 2.10)

2-Mamaly izay fahavalontsika Izy (and6)

Zavatra marina amin’Andriamanitra , hoy i Paoly ny hamaly fahoriana izay mampahory anareo .Misaotra ry Tompo noho izany fanambarana lehibe feno fanomezan-toky omenao anao izany . Fa Anao Andriamanitra tokoa ny famaliana fa tsy anay . Izany no tombony azontsika izay mpanara-dia an’i Jesoa .Matetika isika no tratry ny fakam-panahy hamaly bontana izay manisy ratsy antsika . Eto anefa dia ambaran’ny Tompo fa Azy ny famaliana (Heb 10.3).

Fanontaniana :

Efa nihatra taminao ve izany hoe : « fanenjehana » ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

MOFO /Avrily 2022

Teny ho vakiana isanandro

MANDRESY ny FAHAFATESANA NY TOMPO

DATYTENY VAKIANA
01Asa 2.22-31
02Joba 19.25-29
03Jona 2.1-11
042 Kor 4.7-18
05Efes 2.1-7
06Mat 20.17-19
07Lev 18.1-5
08Apo 1.17-20
09Lio 7.11-17
10Rom 8.31-39
11Mar 5.35-43
121 Tes 4.13-18
13Jao12.12-19
14Sal 56.1-13
15Jao 19.28-37
16Isa 26.1-11
17Jao 20.1-10
181 Jao 3.13-17
19Rom 6.8-14
20Isa 25.1-9
21Apo 3.14-22
221 Kor 15.54-58
23Sal 116.1-9
24Oha 10.1-12
25Rom 14.7-9
26Jao 11.18-27
27Jao 20.26-31
281 Sam 2.1-10
292 Tim 1.6-12
30Lio 21.12-19

FFPM/Tolotra asa

Antso Ho Tale AKANY FAMPANDROSOANA AMBODINISOTRY

Ny FOIBE FJKM dia mitady Mpiasa ho Talen’ny AKANY FAMPANDROSOANA Ambodinisotry eo anivon’ny Fiombonan’ny Fiangonana Protestanta eto Madagasikara (FFPM)

1-TALEN’NY AKANY FIFAMPANDROSOANA AMBODINISOTRY

Toy izao ny mason-tsivana ho amin’izany :

-Mpandray ny Fanasan’ny Tompo tsy latsaky ny efatra taona

-Vehivavy manambady na mpitovo

-Mpitandrina manana Diplaoma « Licence » farafahakeliny amin’ny Teolojia.Tombony ny fananana dupaloma « Licence » amin’ny « Assistance Sociale » na « Educateur Spécialisé »

-Manana fahalalana mikasika « Administration » sy ny « Informatique« , Anglisy sy Frantsay , ary ny fanaovana Projet

-Manana « Autorisation d’Enseigner »

-Manana traikefa amin’ny fifandraisana amin’ny mpamatsy vola

IRETO AVY NY ANTONTAN-TARATASY ILAINA AMIN’IZANY

1-Taratasy milaza ny faniriana hanao ny asa ( lettre de motivation )

2-Fampahafantarana ny momba ny tena ( Curriculum Vitae)

3-Taratasy fanolorana avy amin’ny Mpitandrina sy ny Prezidà Synodaly na ny ny Filoha Mpanampy SP

4-Dika mitovy Diplaoma

Ny antonta-taratasy mihidy misy ny soratra Tolotra asa voalaza eo ambony , dia haterina ao amin’ny Foibe FJKM Analakely –varavarana 204 Sekretera Jeneraly Foibe FJKM Trano Ifanomezantsoa Analakely . Ny Daty farany hanaterana izany dia nhy Zoma 08 Aprily 2022 , alohan’ny 4ora hariva .

Ny Sekretera Jeneraly FOIBE FJKM

Alatsinainy 28 Martsa 2022

Mitoera ho mpanompo mahatoky

Ity tantara ity dia notsongaina tao amin’ny tantara manambara ny nifidianana izay ho solon’i Jodasy izay namadika an’i Jesoa .

1-Dia hazony ny antso niantsoana anao

Nitsangana teo afovoan’ny mpianatra rehetra i Petera ka nanambara fa i Jodasy dia efa nahazo ny zara fanompoana mitovy amin’ny mpianatry ny Tompo rehetra. Izany fanambarana izany dia maneho fa tsy afaka hirehareha fotsiny isika fa manana ny Tompo .Mila mitandrina ihany koa sao ho voarombak’i satana. « Koa izay manao azy fa efa mijoro tsara , dia aoka izy hitandrina fandrao ho lavo » (1 Kor 10.12)

2-Fa zava-tsarobidy no efa nomena anao

Efa tao anaty toerana tsara i Jodasy ,saingy tratry ny mena miraviravy ka nanakalo vola ny fitahiana sy ny fahasoavana teo anilan’i Jesoa.Maro isika no manome tsiny azy , noho izany fahalavoany izany, kanefa maro be isika no tratran’ny fakampanahy hamadika nyTompo . Amin’izany dia sahintsika ny mandà an’i Jesoa amin’ny tombotsoa samihafa . Vitantsika ny mijanona tsy mankany am-piangonana na miala amin’ny asa fanompoana noho ny fitadiavam-bola na raharaham-barotra. Adinontsika tanteraka ny Tenin’iJesoa hoe: « Kanefa , katsaho ny fanjakany dia hanampy ho anareo izany zavatra izany » (Lio 12.31) sy ilay nambaran’i Solomona hoe: « zava-poana ho anareo ny mifoha maraina sy ny alim-pandry ka homana ny hanina azo amin’ny fahasahiranana.Izany anefa dia omeny ihany ho an’ny malalany na dia matory aza izy » (Sal 127.2)

Fanontaniana :

Inona no mbola lehibe eo amin’ny fiainanao?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alahady 27 Martsa 2022

JEREMIA 21.1-10

Fototry ny olana ny fialana amin’ny Tompo

Faminaniana no ataon’i Jeremia eto . Ary faminaniana miavaka satria milaza loza mahatsiravina hihatra amin’ny Zanak’Israely . Mba hampahazava ny tantara dia tsara isika mamaky ny 2 Tantara 36.11-13. Ambara ao fa nanao izay ratsy teo anatrehan’Andriamanitra Zedekia mpanjaka .Tsy mahay nanetry tena no feno avonavona loatra ny fony ka tsy nihaino an’i Jeremia mpaminany .

Rehefa mamaky tsara izay ambaran’i Jeremia isika dia mahita fa nolavin’Andriamanitea ny fangatahan’i Zedekia hampiala ny fahavalo eo anatrehany (and2-7).Hitantsika eto fa Andriamanitra mihitsy no mirotsaka an-tsehatra hiady ka hanolotra azy ireo amin’ny fahavalony .Zava-doza loatra izany ary mety hampisalasala antsika mihitsy aza hoe: moa tsy Andriamanitra fitiavana va Izy ?

Valiny : Rehefa hampanalavirintsika an’Andriamanitra ny fontsika dia manalavitra antsika ihany koa ny fahasoavana sy ny fitahiana ary ny fiarovana avy Aminy .Rehefa miala ny tànam-pahasoavany dia manjaka amintsika ny herin’ ilay ratsy .

Ny tokony hatao:

Ry zaza mpiodina mba miverena fa vonona handray antsika mpanota mibebaka Andriamanitra . Fa efa natolony Jesoa ho famonjena antsika. Zedekia te-hovonjena nefa tsy miala amin’ny ratsy .Isika kosa andeha hiova ka hankato ny Teniny hananantsika fiainam-baovao

Fanontaniana :

Vonona ny ovain’ny Tenin’Andriamanitra ve ianao?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Sabotsy 26 Martsa 2022

DEOTERONOMIA 32.36-43

« ...hamaly ny mpandrafy Azy Izy , ary hanao fanavotana kosa ho an’ny taniny sy ny olony » (and 43)

Famaliana tsy miangatra no ataon’ny Tompo

1-Manafay izay mpivadika

Fihirana nataon’i Mosesy ity perikopa ity .Taorian’ny anatra farany nataony no nanolorany azy ity ho an’ny Zanak’Israely. Ireo no lazainy hoe : mpandrafy Azy dia ireo ambarany eo amin’ny and 5 , fa taranaka miolakolaka sy mivadika Aminy . Dia mahatsiaro ny Tenin’i Jesoa tamin’ny mpianany isika manao hoe : « Izay tsy momba Ahy dia manohitra Ahy » (Lio 11.23) . Amin’ny fotoana hialantsika amin’Andriamanitra no hirotsahantsika an-tsehatra ho amin’ny fanoherana Azy . Dia ho tonga ny famaliana ataony . Hoy i Paoly : « Aza mety hofitahina ianareo . Andriamanitra tsy azo vazivaziana , fa izay afafin’ny olona no hojinjany  » (Gal 6.7)

2-Manavotra izay mino

Avotan’Andriamanitra amin’ny loza sy fahasahiranana samihafa isika raha mifikitra Aminy satria tsy ataony maty antoka izay manompo Azy marina tokoa. Ny atao hoe : olon’Andriamanitra dia izay mandray an’i Jesoa ho Tompo sy Mpamonjy ny fiainana ary miezaka hanatanteraka ny Teniny « ...ny olonao marina dia ho velon’ny finoana » Heb 10.38 ) . Mahagaga loatra ny fitiavan’Andriamanitra fa tsy isika ihany no omeny fahasoavana fa ny tamintsika ihany koa ary ambininy amin’izay atao isika.

Fanontaniana :

Efa tonga ohatra tsara amin’izay misy anao ve ianao ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM