Alarobia 23 Febroary 2022

Mitana ny Teniny ny Tompo

Titosy 1 : 1 – 4

Eo am-panombohana izao epistiliny ho an’i Titosy izao i Paoly dia mampita hoe: Andriamanitra tsy mahay mandrainga! Ary teolojia marina indrindra izany satria :

  1. Efa izany mihitsy Andriamanitra (and. 2)

« Andriamanitra tsy mahay mandainga hatry ny fony fahagola. » hoy i Paoly eto, ary raha hiverenana jerena manomboka any amin’ny tantaran’ny fahariana aza, dia efa teolojia fototra ny hoe « izay hataon’Andriamanitra dia tsy maintsy lazainy ary izay lazainy dia tsy maintsy ataony« . Dia mitohy teo amin’ny tantaran’ny vahoaka nofidiany fa mitana ny Teniny Izy ka raha nampanantena fahafahana avy any Egypta Izy dia nataony izany, nampanantena fampodiana avy any Babylona koa Izy ary notanterahiny izany. Koa raha mampanantena fiainana mandrakizay ho an’izay mino Izy dia efa notanterahiny rahateo ho an’i Jesoa Kristy izany satria nandresy ny fahafatesana Izy ho antoky ny fitsanganan’ny mino ho amin’ny fiainana mandrakizay koa!

2. Manoro ny lala-marina mandrakariva Izy

« Fa nasehony ny teniny tamin’ny toriteny izay natolotra ho adidiko araka ny didin’Andriamanitra mpamonjy antsika » (and. 3) hoy ihany i Paoly ; azontsika takarina amin’izany fa ilay Andriamanitra nampanantena fiainana mandrakizay dia efa nanome sady mitaona ny olona hahazo izany, ka miteny amin’ny alalan’ny mpanompony irahiny hitoriteny mba hampianatra ny olona ny lalana sy ny fomba hahazoana misitraka izany fiainana mandrakizay izany dia tsy inona akory fa ny fandraisana an’i « Kristy Jesoa mpamonjy » ho Tompo sy mpamonjy rahateo, satria Izy no nanambara hoe : « Izay mino Ahy na dia maty aza dia ho velona indray ary izay rehetra velona ka mino Ahy dia tsy ho faty mandrakizay » (Jao. 11 :25) : fiainana mandrakizay izany !

Fanontaniana :

Efa tsapanao ve fa mitana ny Teniny tokoa ny Tompo ?

Perikopa 2025

Aogositra: MIFAMPAHERY NY MPINO

| | 03. Ala. VII man. Trinite
2 Sam. 10. 9-14 | Jao. 14. 1-7 | Efe. 6. 10-13

| | 10. Ala. VIII man. Trinite - KFTM
Dan. 10. 18-11.1 | Lio. 22. 24-34 | Jak. 5. 7-11

| | 17. Ala. IX man. Trinite - Aumônerie Nationale
1 Mpa. 17. 10-16 | Lio. 5. 17-26 | Asa 15. 22-29

| | 24. Ala. X man. Trinite - AKAFITA
Sal. 31. 19-24 | Jao. 14. 18-24 | 1 Kor. 16. 5-14

FJKM Fahazavana

ANDRIAMAMPIANINA Zaka, Mpitandrina