Hafatry ny Filoha/ Feb 2022

VONTOSY FILAZANTSARA

NY NOSY MADAGASIKARA

Ka aza mora afa-po

Amin’ny vokatra manify,

amin’ny eo ho eo ihany

fa andao hilofo mihitsy

hisy vokatra mivaingana

izay hitondra fanovana

amin’ny lalan’ny Tantara.

Fa ny filazantsara

Nanirahana hotorina

Amin’izao tontolo izao

Sy eto Madagasikara,

tsy mba sanatria akory

kabary ambony vavahady,

fa hery miasa mahatratra

ny isan’androm-piainantsika

mba handrava fahotana,

mba handresy fahalovana

ary fahazaran-dratsy

izay niainana hatrizay.

Tsy azontsika atao mihitsy

Ny hamela ny mpanota

Ho tamana lava izao

Ao anaty fahotana.

Fa io indrindra no manimba

‘ty tanindrazantsika ity.

Koa raha tsy mbola hitantsika

Ny vokatry ny fitoriana

Ny Vaovaon’ny famonjena,

tsy hanaiky resy isika

fa hanoa ny baiko hoe:

VONTOSY FILAZANTSARA

NY NOSY MADAGASIKARA!

IRAKO AMMI

Sampati/andron’ny 22 Feb

SAMPATI  FJKM

Nanamarika ny andron’ny 22 Febroary

Toy ny isan-taona dia nanamarika ny andro faha-22 febroary teo ny Skoto manerantany, izay andron’i Baden Powel namorona azy. Ho an’ny mpikambana eo anivon’ny SAMPATI FOIBE FJKM manokana dia fanompoam-pivavahana tao amin’ny efitrano 201 no notanterahana nentina nanamarihana izany. Nitohy tamin’ny alalan’ny asa firotsahana izany avy eo, dia ny fanadiovana sy fanomezana dabam-pako ny ivotoeram-piasana teo anivon’ny FOIBE FJKM. Namaranana izany ny fanapahana mofomamy.

Raha ny tany amin’ny faritra kosa dia ny asa firotsahana amin’ny fanarenana ireo rava noho ny fandalovan’ny rivodoza Batsirai sy Dumako farany teo no nentina nanamarihana io andro io.

Nanangona Aris

Fanambadiana/Olana 10

Fandalinana

OLANA 10 MAHAZO NY FANAMBADIANA

Toy ny renirano mikoriana ny fitiavana : mandalo vato misakana, mianjera anaty hantsana, fa mitohy hatramin’ny farany ny diany. Izany koa no tokony hizoran’ny fanambadiana rehetra, rehefa fantatra mialoha fa hisy vato na hantsana holalovany. Ireo no atolotra eto ireo olana 10, izay efa vahaolana sahady ny fahafantarana mialoha izany. Ary ampiantsika olana faha 11.

  • TSY AMPY SERASERA

Fony vao niaraka, dia nifampitantara ny zavatra rehetra, mihaona sy miaraka hatrany. Mihena tsikelikely izany taty aoriana. Mety hampihena koa ny fitiavana izany. Ny fiaraha-mivavaky ny fianakaviana, dia tena serasera lehibe.

  • TSY AMPY FIFAMPITOKISANA

Hita eny amin’ny fitadiavan’ny iray mitsikilo ny fiainan’ny olon-tiany izany : finday, olona iresahana, solosaina, fanontaniana tsy misy farany tamin’izay natao sy naleha. Ny lehilahy dia mpiteny hoe “ianao ve tsy matoky ahy e?” Mila fitokisana ny lehilahy.

  • SAROPIARO

Mety ho porofom-pitiavana ity,  toa tsy mahatsiaro tia raha tsy saropiaro hono. Nefa rehefa tafahoatra dia toy ny aretina ihany. Tsy afa-miaina malalaka intsony maha saropiaro. Ny vehivavy no mpiteny hoe “ianao ve tsy tia ahy e?” Mila fitiavana ny vehivavy.

  • FITIAVANA TSY MAHAY MIARAKA

Samy manana ny tiany ny roa tonta, ka sahirana mandrindra izany. Zavatra maro no mety isehoan’izany. Fa ilaina ny manana Vina iraisana, mba hibaiko ireny fitiavana ireny.

  • FANANAHANA

Somary tsy sahy resahina loatra ity olana ity. Anisan’ny fototra mampikorontana ny tokantrano anefa io, hatramin’ny 70% mihitsy. Mila fahafinaretana ifampizarana ny fananahana, ka samy afapo amin’izany (I Kor 7:3)

  • VOLA

Ity no anisan’ny olana haingana sy mipoitra vetivety. Alamino ny fitadiavana, ny fitantanana sy ny fandaniana. Samy miara-mihevitra ny mpivady, fa tsy anjaran’ny iray fotsiny. Ny vola hono, no tanana fahatelo hihetsehan’ny olona.

  • SAMY HAFA NY MAIKA

Miova ny olona tsirairay, araka ny fandrosoan’ny fotoana: ny zaza milalao, ny tanora mihira, ny manambady mitady vola, ny olon-dehibe mitaiza zafikely. Manaraka izany koa ny ataony ho maika aminy. Jereo hatrany izay marimaritra iraisana, ho fitandroana ny fanambadiana.

  • FOTOANA

Mandeha haingana tokoa ny fotoana, ka na ny mpivady aza dia toy ny tsy miara-miaina sy mifankahita, noho ny hazakaza-davan’ny fiainana. Ivereno iainana hatrany ireny fotoana mamy niarahana niaina fony vao niaraka ireny.

  • FAHALEOVANTENA LOATRA

Novoizin’ny taonjato faha 21 ity fahaleovantenan’ny olona ao anaty fanambadiana ity: samy manana ny volany, ny alehany… Mijere hatrany anefa zavatra azonareo iaraha-manao, toy ny mikarakara zaridaina rehefa faran’ny herinandro.

  • TSY AMPY FITIAVANA

Rehefa mitombo ny taona niarahana, dia hoatran’ny adino ny porofom-pitiavana. Mila teny kely mamy hatrany anefa ny roa tonta, hampitombo fa miaina amin’ny fitiavana. Ireny no porofom-pitiavana mahamafy orina azy.

  • ARA-PANAHY

Ankoatra ireo olana 10 ireo, dia tsy mora ny miatrika ny lalan’ny fanambadiana , ho an’ny finoana samy hafa. Ny iray Silamo mankany amin’ny moskea, baikoin’i Allah sy ny Coran. Ny iray Kristiana mankany am-piangonana, baikoin’i Jesoa sy ny Baiboly. Mifandefitra eo amboalohany, fa sarotra ihany ny hiainana ny finoana samy maka ho azy. Indrindra rehefa mihevitra ny hoavy ara-panahin’ny zanaka.

  • Zaka, Mpitandrina

FJKM miatrika ireo traboina

Mandray an-tanana ireo traboina sy rava fananana vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Batsirai

Manoloana ny voina nihatra vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Batsirai teto Madagasikara iny dia nisy fidinana ifotony notanterahan’ireo tomponandraikitry ny FJKM tany amin’ireo faritra sy distrika niharan’ny faharavana( Ambositra, Matsiatra soa, Ambalavao Tsienimparihy, Mananjary Pangalana, Manakara). Nisy ny fivoriana teo amin’ny rantsan-mangaika rehetra ho fanatanterahana ny asa rehetra ho tanterahana amin’izany. Fomba fiasa telo no ho entin’ny fiangonana FJKM hanampiana ireo traboina sy rava fananana ireo. Isany amin’izany ny fifandraisana eo amin’ny samy Fiangonana. Ireo Synodamparitany sy fiangonana tsy tratran’ireo voina sy faharavam-pananana no antsoina hifanome tanana amin’ny fanarenana ny rava sy ny hanolotra ny fanampiana ilaina amin’izany. Manaraka izay ny fiaraha-miasa eo amin’ny fiangonana sy ny fanjakana. Eo amin’ity sehatra ity dia ny eo anivon’ny SAF-FJKM no miandraikitra izany noho izy izay rantsan-mangaika misehatra eo anivon’ny fiaraha-monina sy efa mpisehatra eo anivon’ny firenena. Ary ny fahatelo dia ny fifandraisana amin’ny fiangonana maneran-tany. Eto kosa dia ireo fiangonana mpiara-miasa amintsika avy any ivelany toy ny: CWM, ny PCUSA, ny Presbyterian Church avy any Korea…

Mba ho fiombonam-po amam-panahy dia hisy ny fanompoam-pivavahana izay ho tanterahana ny Alahady 27 Febroary izao manomboka amin’ny 2 ora sy 30 minitra tolakandro ao amin’ny FJKM Andrainarivo Fahasoavana. Ao no hilazana ny tatitra rehetra sy ny zava-misy ary ny ezaka efa natao ary handraisana ireo fanomezana, vola na rakitra izay efa nangonina sy nataon’ny tsirairay.

                                                     Ryja kely

Fanompoam-pivavahana / Teny Anglisy

“To God only be the glory”

Feno hipoka araka ny fanajana ny fepetra ara-pahasalamana ny FJKM Katedraly Analakely tamin’ny Alahady 13 Febroary 2022 tolakandro teo nandritra ny fanokafana ny fanompoam-pivavahana amin’ny teny anglisy tanterahin’ny FJKM. Ao anatin’ny « Hazakazaka Masina » ny fitrandrahana ny fanomezam-pahasoavana samihafa hitoriana ny Filazantsara ka anisan’izany ny tenim-pirenena vahiny. Teny be mpampiasa indrindra maneran-tany ny teny anglisy, ny FJKM rahateo dia zanaky ny misionera anglisy London Missionary Society (LMS) . Koa tsy mahagaga raha marobe toy izao ny kristiana FJKM miombona amin’ny fanompoam-pivavahana amin’ny teny anglisy. Tanora mbola mpianatra ny ankamaroan’ireo tonga nanatrika ny fotoana, fa tsy vitsy koa ny olon-dehibe izay efa ao anatin’ny sehatry ny asa. Samy nahazo tombony roa lehibe farafahakeliny izy rehetra ireo satria sady nandray ny Filazantsara no nahavita ny fampiharana ny teny anglisy izay nianarana. Amin’ny teny anglisy ranofotsiny ny fanompoam-pivavahana, na ny hira sy vavaka na ny toriteny sy tsodrano, hatramin’ny filazana ny raharaham-piangonana koa aza. Nitoriteny tamin’io fotoana io Andriamatoa RAKOTOBE RAJAOMANJATO Dodaherisoa, Mpitandrina, Biraon’ny Mpiandraikitra Foibe, ka nanambara fa raha te hanova ny tantara ny FJKM dia atomboka amin’ny fanamby kely iray isam-bolana ataon’ny isam-batan’olona izany, dia fanamby an-tapitrisany no ho tanteraka ao anatin’ny efa-taona ka hanova ny Fiangonana sy ny firenena tena hiaina araka ny sitrapon’Andriamanitra. Fampiharana izany mihitsy izao natomboka izao, satria tsy ho ela dia hivelatra ivelan’Antananarivo Renivohitra sy ny manodidina ny asa. Ireo Komity Mpanomana ny fanompoam-pivavahana amin’ny teny anglisy dia mbola somary vitsy an’isa ka miantso namana izy ireo hanatevin-daharana izany komity izany. Hotaterahina isam-bolana ny fanompoam-pivavahana ka amin’ny Alahady 13 Martsa 2022 indray ny fotoana manaraka izay hotanterahina ao amin’ny FJKM Zoara Fanantenana Ambohipo, amin’ny 3 ora tolakandro. “To God only be the glory” na ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra.

Niry Rakoto

Alatsinainy 28 Febroary 2022

Lioka 1. 34 – 38

Teny nataon’ny anjely tamin’i Maria ny hoe: « Fa tsy hisy tsy ho tanteraka ny teny rehetra ataon’Andriamanitra »( and37), ary izany indrindra no miseho amin’ny fitantaran’i Lioka. Hafatra lehibe izay ampitaina eto ny hoe tena manatanteraka izay lazainy Andriamanitra koa :

1- Aza manahy na misalasala (and 34)

« Hanao ahoana re no hahatanteraka izany fa tsy mahalala lahy aho ? », fanontaniana toa maneho fisalasalana no nataon’i Maria raha nilazan’ny anjely izy fa hiteraka zazalahy, ary amin’ny fisainan’olombelona dia mitombina tokoa io fanontaniana io; fa tsy sitraky ny Tompo hitoetra amin’ny fisalasalana i Maria (avy amin’ilay ratsy rahateo ny fisalasalana) ka dia nambara taminy mazava hoe: « Ny Fanahy Masina no tonga ao aminao, ary hisy herin’ny avo indrindra hanaloka anao, koa ny Masina izay hateraka dia atao hoe Zanak’Andriamanitra » (and 35). Matokia ny Tompo ianao fa tsy mba mamitaka Izy, manana ny fombany Izy, hefainy izay lazainy!

2- Ekeo am-panetren-tena ny Teniny (and 38)

Nanaiky i Maria ho fitaovana hanatanterahana ny famonjena, tsy ho azy sy ny fireneny ihany fa ho an’izao tontolo izao mihitsy. « Inty aho akizivavin’ny Tompo, aoka anie ho tonga amiko araka ny teninao » hoy izy. Tsy mora akory ny toerana nisy an’i Maria, tovovavy tsy manam-bady, efa mitoe-jaza sahady, tsy mendrika izany teo amin’ny fiaraha-monina Jiosy, fa nohon’ny Tenin’Andriamanitra dia tsy nampaninona azy izany, ary raha zohina ny tantara dia nasehon’Andriamanitra mandrakariva taminy ny fombàny azy. Ianao koa minoa sy maneke ny Tenin’ny Tompo fa tanterahiny izany sady momba anao Izy (Matio 28. 20).

Fanontaniana :

Ahoana no ahazoano antoka fa hefain’Andriamanitra tokoa izay lazainy ?

SAMPANA SEKOLY ALAHADY FOIBE FJKM

Alahady 27 Febroary 2022

Genesisy 21. 1 – 8

Nahazo zanaka tamin’Andriamanitra ihany i Abrahama sy Saraha ka niteraka an’Isaka, milaza izany fa mitana ny Teniny ny Tompo ka :

1- Manefa izay nolazainy (and 1)

« Ary Jehovah namangy an’i Saraha araka izay efa nolazainy, ary dia nataon’i Jehovah tamin’i Saraha araka ilay efa noteneniny » hoy ny fitantarana eto, ny hevitry ny teny hoe « namangy » dia hoe mijery manokana, mikarakara mandray an-tanana, maneho izany fa tsy miova amin’ny fampanantenana efa nataony ny Tompo, izay lazainy tsy maintsy ataony, ary miasa Izy (misahirana mihitsy raha ny teny fototra no jerena) hanatanteraka ny Teniny, izany no hevitry ny hoe: « nataon’i Jehovah« . Tsy mba Andriamantira mivadibadika na mandino ny Teniny Izy.

Mampatsiahy ny teny nataon’ny Anjely tamin’i Maria hoe: « Ary sambatra ianao izay nino fa efaina izay zavatra nampilazain’ny Tompo taminao. » (Lio 1. 45)

2- Manana ny fotoanany (and 5)

« Ary efa zato taona Abrahama, raha niteraka an’Isaka zanany« , matoa notsindrian’ny tantara io taonan’i Abrahama io dia tiany hisongadina mihitsy ao anatin’izany fa tsy mampanantena poakaty Andriamanitra, nefa manana ny fotoana fantany fa mety. Raha ny lojika na ny fihevitr’olombelona teo amin’ny Toeran’i Abrahama sy Saraha dia efa tsy nanantena intsony, mety ho efa namoy fo koa aza ka nieritreritra fa nanadino Andriamanitra, saingy marina indrindra eto fa ny fihevitr’Andriamantira tsy fihevitr’olombelona (Isaia 55. 8 ) . Ianao koa aza misalasala, matokia, mahandrasa, mahareta; « Minoa fotsiny ihany » (Marka 8. 50) hoy i Jesoa!

Fanontaniana :

Moa efa nisy nampanantenain’Andriamanitra anao va ka tsy nataony ?

SAMPANA SEKOLY ALAHADY FOIBE FJKM