Alakamisy 13 Janoary 2022
DEOTERONOMIA 7.6-11
Ny fifidianan’ Andriamanitra
Nahoana no nifidy ny firenena Israely Andriamanitra ? Nahoana no nifidy antsika Fiangonana Izy ?
1-Safidiny manokana
Mety alaim-panahy ny olom-boafidy ka hihevitra fa ny antony nifidianan’Andriamanitra azy dia noho ny fahatsarany mihoatra noho ny sasany , na ny fahamarianny mihohatra noho ny hafa . Asehon’ Andriamanitra eto fa tsy miankina velively amin’izany ny fifidianany . »Tsy ny hamaroanareo noho ny firenena rehetra anefa no niraiketan’ny fitiavan’i Jehovah taminareo sy ny nifidianany anareo » .Tokony ho tsapan’ny kristiana fa ny fifidianana azy dia tsy avy aminy fa noho ny fahasoavan’ Andriamanitra irery ihany . Malalaka aminn’y safidiny ny Tompo .Hoy i Jesao : »Tsy ianareo no nifidy Ahy , fa Izaho no nifidy anareo ka nanendry anareo mba handeha sy hamoa ary haharetan’ny vokatrareo » (Jao 15.16)
2-Ho fampahafantarana ny Anarany
Tsy ny Israely ihany no mahazo tombotsoa amin’izao fifidianan’Andriamanitra azy izao , fa ny firenena rehetra. Israely no fitaovana eo am-pelatànan’Andriamanitra, ho fampahafatarana ny Anarany any amin’ny Jentilisa .Raha mitandrina sy mankato ny didiny ireo dia hahazo fitahiana hatramin’ny taranany , fa raha minia mandà sy tsy mankato kosa dia hofaiziny . Izany hoe : amin’ny alalan’ny fifidianan’Andriamanitra ny Israely no hahafahan’ ny firenena rehetra ny fitiavana sy ny faharipon’Andriamanitra , sady ahitana ihany koa ny fahatezeran’Andriamanitra sy ny famaizany (and9,10) . Mitaky fankatoavana ny Teniny ny fifidianan’Andriamanitra ;
Fanontaniana :
Inona no asa miandry ny olom-boafidin’Andriamanitra ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM