Alakamisy 13 Janoary 2022

DEOTERONOMIA 7.6-11

Ny fifidianan’ Andriamanitra

Nahoana no nifidy ny firenena Israely Andriamanitra ? Nahoana no nifidy antsika Fiangonana Izy ?

1-Safidiny manokana

Mety alaim-panahy ny olom-boafidy ka hihevitra fa ny antony nifidianan’Andriamanitra azy dia noho ny fahatsarany mihoatra noho ny sasany , na ny fahamarianny mihohatra noho ny hafa . Asehon’ Andriamanitra eto fa tsy miankina velively amin’izany ny fifidianany . »Tsy ny hamaroanareo noho ny firenena rehetra anefa no niraiketan’ny fitiavan’i Jehovah taminareo sy ny nifidianany anareo  » .Tokony ho tsapan’ny kristiana fa ny fifidianana azy dia tsy avy aminy fa noho ny fahasoavan’ Andriamanitra irery ihany . Malalaka aminn’y safidiny ny Tompo .Hoy i Jesao : »Tsy ianareo no nifidy Ahy , fa Izaho no nifidy anareo ka nanendry anareo mba handeha sy hamoa ary haharetan’ny vokatrareo » (Jao 15.16)

2-Ho fampahafantarana ny Anarany

Tsy ny Israely ihany no mahazo tombotsoa amin’izao fifidianan’Andriamanitra azy izao , fa ny firenena rehetra. Israely no fitaovana eo am-pelatànan’Andriamanitra, ho fampahafatarana ny Anarany any amin’ny Jentilisa .Raha mitandrina sy mankato ny didiny ireo dia hahazo fitahiana hatramin’ny taranany , fa raha minia mandà sy tsy mankato kosa dia hofaiziny . Izany hoe : amin’ny alalan’ny fifidianan’Andriamanitra ny Israely no hahafahan’ ny firenena rehetra ny fitiavana sy ny faharipon’Andriamanitra , sady ahitana ihany koa ny fahatezeran’Andriamanitra sy ny famaizany (and9,10) . Mitaky fankatoavana ny Teniny ny fifidianan’Andriamanitra ;

Fanontaniana :

Inona no asa miandry ny olom-boafidin’Andriamanitra ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2025

Novambra: MAHANDRASA, HO AVY NY TOMPO

| | 23. Ala. XXIV man. Trinite - KPMSV
Mik. 7. 7-10 | Lio. 21. 5-11 | 1Jao. 2. 24-29

| | 30. Advento I
Sal. 75. 1-10 | Lio. 21. 12-19 | Apo. 3. 7-13

Desambra: MANANTENÀ AN'ANDRIAMANITRA

| | 07. Advento II
Job. 11. 13-20 | Jao. 3. 16-21 | 1Pet. 1. 17-21

| | 14. Advento III - Sampana Sekoly Alahady
Sal. 131. 1-3 | Lio. 10. 21-24 | 1Kor. 14. 20-22

FJKM Fahazavana

Fivoriana voalohany – taorian’ny SLXX ao amin’ny CFD AMPANDRANA

Fandaminana ny Alahady 19 Oktobra 2025 eny amin’ny FJKM AMBOHIMALAZA FIRAISANA KANANA VAOVAO