Alakamisy 16 Desambra 2021

MPITORITENY 2.24-26

Ny tombotsoan’ny olona izay ankasitrahan’ Andriamanitra

Ny olona izay mankato ny Tenin’Andriamanitra eo amin’ny fiainany no ankasitrahan’Andriamanitra . Amin’izany dia manana tombony mihoatra noho ny olona mpanota izy (and26) ;

1-Mahazo fahendrena sy fahalalana

Ny fahendrena sy ny fahalalana dia miara-dàlana mandrakariva ao amin’ny Soratra Masina . Ny olona mitandrina ny Tenin’Andriamanitra amin’ny fanajana sy ny fatahorana Azy no hahazo izany . « Ny fatahorana an’i Jehovah no fiandoham-pahendrena , fahalalana tsara no ananan’izy rehetra mankato izany  » (Sal 111.10). Avy amin’Andriamanitra ny tena fahendrena ary izay omeny izany dia mahay mandanjalanja sy mieritreritra ny marina sy izay tokony hatao eo amin’ny fiainany andavanandro , mahay mamantatra sy manatanteraka mandrakariva izay tsara sy ankasitrahana eo imason’Andriamanitra , fa mandà kosa izay rehetra tsy mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra .

2-Mahita fifaliana

Endriky ny fankasitrahan’Andriamanitra antsika ny fahafahantsika mahita fifaliana sy fahasambarana amin’ny valin-kasasarany (and24) . Avy amin’Andriamanitra izany fahasambarana izany .Tsy miankina amin’ny fananana zavatra betsaka sy ampy no ahitana fifaliana sy fahasambarana fa miankina amin’ny sitrapon’Andriamanitra .Betsaka ireo olona izay heverina fa manana ny ampy sy manankarena , kanefa dia misento sy malahelo lava . Maro ny olona heverina fa sahirana sy tsy ampy fivelomana , kanefa dia mahita fifaliana sy fahasambarana amin’izay kely eo am-pelatànany . Faly izy , satria ampy ho azy i Jesoa Tompo .

Fanontaniana :

Mahita fifaliana amin’izay rehetra anananao ve ianao ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2025

Jona: AN'NY TOMPO NY FAHEFANA

| | 29. Ala. II man. Trinite
1 Sam. 2. 1-10 | Jao. 10. 11-21 | Apo. 5. 1-10

Jolay: OLOMBOAANTSO NY MPINO

| | 06. Ala. III man. Trinite
Isa. 45. 1-7 | Lio. 9. 1-6 | 1 Pet. 2. 18-25

| | 13. Ala. IV man. Trinite - S. Tanora Kristiana
1 Sam. 3. 1-9 | Mat. 15. 32-39 | 1 Kor. 1. 18-25

| | 20. Ala. V man. Trinite - S. Fivondronana Laika
Amo. 7. 10-15 | Mar. 10. 46-52 | Gal. 1. 11-17

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY MPIASA FOIBE FJKM 2025