Alahady 14 Novambra 2021

Jakoba 5. 7 – 11

Ny mino tafatoetra amin’ny fiandrasana ny Tompo

1- Manohy ny asany amim-paharetana (7-8)

Ny fiainan’ny mpiasa tany na ny mpamboly eto, no ohatra tsotra omen’ny Apostoly anehoana izany hoe miasa amim-paharetana izany. Ny mpamboly dia efa mahazo sary an-tsaina sahady ny amin’ny vokatry ny asa izay ikirazany. Tsy mba manahy ny amin’ny tafio-drivotra, na semban-drahona mety mandalo izy. Mino izy fa ho avy ny orana hanamando ny tany ka hampahavokatra ny voa izay nafafy. Azony antoka, fa mbola hisy andro izay hijinjana ny vokatra. Izay tsy maintsy iainan’izy ireo dia ny fiandrasana am-pahatoniana sy am-paharetana ny vokatry ny asa natao. Raha tiantsika ny ho tafatoetra tsara eo am-piandrasana ny fiavian’i Jesoa Tompo, dia mila mikely aina sy manohy hatrany ny asany isika (Jao. 9.4). Ny fanohizana sy ny famitana hatrany ny asa nanirahan’i Jesoa dia hampibaribary ny finoana Azy sy hampitombo miandalana ny faharetana ho amin’ny fiandrasana ny andro hiaviany?

2- Manohy miaina amin’ny fanantenana (9-11)

Manome fianarana ho antsika eto ny Soratra Masina ny amin’ny fiainan’ireo Mpaminany izay niaritra sy naharitra tamin’ny fahoriana nentiny. Na dia mafy toy inona aza fahoriaina nosedraina, dia tsy mba nitsoaka an-daharana izy ireo fa nanohy hatrany ny asa nankinina taminy satria mafy orina tao anatin’izy ireo ny fanantenana. Rehefa niaritra sy naharitra izy ireo dia fahasambarana tsy mety ritra no nomen’Andriamanitra azy ireo tamin’ny fiafaran’ny fiainany. Ry mpino kristiana te ho tafatoetra amin’ny fiandrasana ny fiavin’ny Tompo! Mahareta amin’ny fahoriana, mifalia amin’ny fanantenana ( Rom 12.12) . Hevero ho toy ny antomotra hatrany ny andro hiavin’ny Tompo, mba aharetanao amin’ny finoana Azy. Izay maharitra ihany ho hahazo famindrampo sy fiantrana ka ho afa-miaina ilay fianana feno fahasambarana mandrakizay.

Fanontaniana : Inona no andrandrainao ho hita raha tonga tapoka aminao Kristy ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2025

Aogositra: MIFAMPAHERY NY MPINO

| | 17. Ala. IX man. Trinite - Aumônerie Nationale
1 Mpa. 17. 10-16 | Lio. 5. 17-26 | Asa 15. 22-29

| | 24. Ala. X man. Trinite - AKAFITA
Sal. 31. 19-24 | Jao. 14. 18-24 | 1 Kor. 16. 5-14

| | 31. Ala. XI man. Trinite
2 Tan. 19. 8-11 | Mat. 18. 15-20 | 1 Tes. 5. 12-15

Septambra: VELON'NY FINOANA NY MPINO

| | 07. Ala. XII man. Trinite
Gen. 15. 1-6 | Jao. 9. 35-41 | Rom. 4. 1-12

FJKM Fahazavana

ANDRIAMAMPIANINA Zaka, Mpitandrina