Sabotsy 13 Novambra 2021
Apokalypsy 21. 1 – 5
Andriamanitra manatrika
1- Manavao ny olony ho tafatoetra tsara ao Aminy

Ny tabernakely izay manambara ny fanatrehan’Andriamanitra sy ny Fiangonan’ny olony eto, no entina maneho ny fifandraisana lalina sy lafatra eo amin’Andriamanitra sy ny olona. Nihasimba, io fifandraisana tsara io, ka na ny tontolo niainan’ny olona aza, dia nisolo fanjakan’ny faharatsiana. Eto no anomezan’Andriamanitra toky fa hitondra fanavaozana Izy. Tsy ny olona ihany no mandalo ny fanavaozan’Andriamanitra fa ny zava-boary rehetra. Ho levona avokoa izao tontolo rehetra izao izay efa efa nosaimbain’ny ota. Ny ranomasina izay heverina fa itoeran’ny hery mpanohitra an’Andriamanitra dia tsy hisy intsony. Amin’ny fanatrehany sy ny herin’ny Teniny no hanatanterahany izany, ka hamotipotehany sy hanafoanany tanteraka ny herin’ny ota. Hofafany hoy Izy ny ranomaso rehetra, ka tsy hisy intsony na fahafatesana na alahelo na fitarainana, fa efa lasa ny zavatra taloha (and 4). Raha mino ny fanatrehan’Andriamanitra amin’ny alalan’ny teniny izay ambarany amintsika isika, dia ho tafatoetra tsy hanana ahiahy.
2- Manatanteraka izay nambarany eo amin’ny fiainan’ny olony

Ny teny hoe » mahatoky » dia azo adika hoe « azo antoka », azo inoana sy anorenana finoana ». Na inona na inona teny efa nambaran’ny Tompo dia hainy tanterahina ary tsy maintsy tanteraka avokoa, satria tsy olombelona Izy ka handainga na zanak’olombelona ka hamitaka. Mahatoky sy Marina Izy ka tokony hino izay ambarany avokoa ny olona rehetra. Izay mino moa dia handova fiainana sy fiadanana mandrakizay ary hiaina izany sahady dieny ety. Izay tsy mety kosa dia tsy maintsy hohelohina ary hihatra aminy avokoa ny famaizana rehetra ambaran’ny Soratra Masina. Ho antsika àry, izay mandre ny tenin’Andriamanitra, inoy ny fanatrehany, raiso ny fanavaozany, mba ho tafatoetra tsara ao Aminy isika madra-piaviny ary mba hohavaoziny ho amin’ny fahatsarana hatrany ny fiainantsika.
Fanontaniana: Tsapanao ve fa manatrika anao isan’andro Andriamanitra Tompontsika ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM