Zoma 12 Novambra 2021

Hebreo 9. 23 – 28

Tafatoetra ny fon’izay miandry ny Tompo

Manomboka any amin’ny andininy faha 11 eo alohan’ity perikopantsika anio ity dia efa miresaka ilay Tabernakely natao tanana sy ilay tsara lavitra ny mpanoratra. Toerana manamarika ny fanatrehan’Andriamanitra sy anateram-panatitra.

1- Jesoa miditra hanafaka anao

Ambara eto fa tsy mba niditra tao amin’ity fitoerana masina nataon-tanana ity i Jesoa mba hitondra fanatitra izay fanaon’ny mpisorona. Tsy nitondra biby atao fanatitra ihany koa Izy. Fa tandindon’ny any an-danitra ihany izay hita tety an-tany. Ny mpisorona raha nitondra fanatitra ho an’ny olona iray dia mitondra izany ho an’ilay olona nanolotra ilay biby natao fanatitra. Fa i Jesoa kosa dia nitondra ny tenany ho fanatitra ho antsika, izay mametraka ny fahotan-tsika ho eo am-pototry ny hazo fijaliany. « Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin’ny tsi-fahamarinana rehetra » (1Jao1. 9). Izy tenany no niditra niseho teo anatrehan’Andriamanitra ho ahy sy ho anao.

2- Jesoa manatitra fanatitra indray mandeha

Fanao talohan’ny nahatongavan’i Jesoa ny mamono biby fanatitra noho ny ota. Ary indraindray ary dia arakaraka ny fanananao no anomezanao ny biby atao sorona. Izany asan’ny mpisorona izany anefa tsy vita indray mandeha fa miverimberina hatrany. Rehefa nanao sorona ny Tenany kosa i Jesoa ho fanavotana antsika dia indray mandeha tsy miverina ny Azy. Tsarovy ry havana fa rehefa hiverina Izy dia tsy hanao sorona fanindroany ho an’ny ota intsony fa tonga hitsara ny velona sy ny maty ary hitondra famonjena mandrakizay ho an’izay mitoetra mahatoky amin’ny fiandrasana Azy.

Fanontaniana : Efa nametraka ny fahotanao teo amin’i Jesoa ve ianao ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2025

Aogositra: MIFAMPAHERY NY MPINO

| | 17. Ala. IX man. Trinite - Aumônerie Nationale
1 Mpa. 17. 10-16 | Lio. 5. 17-26 | Asa 15. 22-29

| | 24. Ala. X man. Trinite - AKAFITA
Sal. 31. 19-24 | Jao. 14. 18-24 | 1 Kor. 16. 5-14

| | 31. Ala. XI man. Trinite
2 Tan. 19. 8-11 | Mat. 18. 15-20 | 1 Tes. 5. 12-15

Septambra: VELON'NY FINOANA NY MPINO

| | 07. Ala. XII man. Trinite
Gen. 15. 1-6 | Jao. 9. 35-41 | Rom. 4. 1-12

FJKM Fahazavana

ANDRIAMAMPIANINA Zaka, Mpitandrina