Alarobia 10 Novambra 2021

MATIO 13.36-43

Fantaro mba ho tafatoetra ianao

1-Mpamafy voa tsara

Jesoa no mpamafy voa tsara , araka ny hita eo amin’ny and37 ary ilay voa nafafiny dia ny zanaky ny fanjakan’ny lanitra . Tsy nafafiny any an-danitra io fa nafafiny eto amin’izao tontolo izao .Tsaroana eto ilay vavaka nataony hoe : « Izaho tsy mangataka aminao mba hampiala azy amin’izao tontolo izao , fa ny mba hiaro azy amin’ny ratsy » (Jao 17.15) . Vokatra tsara no andrasan’Andriamanitra amintsika mba hahafaly Azy amin’ny fotoam-pijinjana . Ny mpamafy ihany no ho tomponandraikitra amin’ny fijinjana sy nhy fanangonam-bokatra .Ny anjarantsika dia ny mamoa voa tsara . Hita eto fa ny vary dia tonga vary ihany . Hoy i Jesoa :« eny an-tànany ny fikororohany hanadiovany tsara ny ao am-pamoloany kaanngonany ny vary ho any amin’ny sompiny, fa ny akofa sy ny mololo hodorany amin’ny afo tsy azo vonoina  » (Lio 3.17).Mitandrema sao voa tsara ihany ianao fa manakofa dia hariana ihany .Ivelomy ny Tenin’Andriamanitra hahatonga anao ho misy lanja eo amin’ny Tompo.

2-Mpamafy voa ratsy

Ny mpamafy voa ratsy dia ny devoly (and39) ary ny voa ratsy nafafiny ( tsiparifary )dia zanak’ilay ratsy . Ny tsiparifary dia sady tsy ahazoam-bokatra tsara no manimba ny tanimbary ary voalaza eto fa tany iray ihany no naniriany niaraka tamin’ny vary .Mila mitandrina amin’ny herin’ny ratsy isika satria mitombo miaraka amintsika eto amin’ity tany ity izany , ary mihaza antsika andro amana alina . Koa « mahonona tena, miambena fa ny devoly fahavalonareo mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany » (1Petera 5.8).

Fanontaniana :

Efa novakianao ve ny Matio 25.31-33 ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2025

Aogositra: MIFAMPAHERY NY MPINO

| | 17. Ala. IX man. Trinite - Aumônerie Nationale
1 Mpa. 17. 10-16 | Lio. 5. 17-26 | Asa 15. 22-29

| | 24. Ala. X man. Trinite - AKAFITA
Sal. 31. 19-24 | Jao. 14. 18-24 | 1 Kor. 16. 5-14

| | 31. Ala. XI man. Trinite
2 Tan. 19. 8-11 | Mat. 18. 15-20 | 1 Tes. 5. 12-15

Septambra: VELON'NY FINOANA NY MPINO

| | 07. Ala. XII man. Trinite
Gen. 15. 1-6 | Jao. 9. 35-41 | Rom. 4. 1-12

FJKM Fahazavana

ANDRIAMAMPIANINA Zaka, Mpitandrina