Talata 09 Novambra 2021

Salamo 25. 1 – 7

Tafatoetra ny fon’izay miandry ny Tompo

Voahodidina fahavalo i Davida ary miandry sy mijery ny fahavalony. Davida kosa miandry sy mijery an’Andriamanitra. Raha tianao hitoetra ao amin’ny Tompo ny fonao dia :

1- Aoka hanana fahatokiana ianao :

Tsy tantin’i Davida loatra ny ho resin’ny fahavalony ka nankininy tamin’ny Tompo ny adiny. Na dia nandalo tao an-tsainy aza ny ho menatra noho ny fahavalo dia lehibe lavitra noho izany ny fahatokiany ny Tompony. Ary ninoany fa tsy avelan’ny Tompo hanjaka aminy ireo. Hoy izy « Eny, tsy hisy ho menatra izay rehetra miandry Anao ». Satria Andriamanitra no itokiany, dia tsy hisy velively izany. Ary izany no tombony ananantsika an’i Jesoa izay hivavahantsika. Tsy hamela antsika ho irery Izy ary tsy ho tonga fihomehezan’ny fahavalo isika. Ny fahatokiana no fanalahidy satria Jesoa efa nampanantena antsika hoe: « Tsy hamela anareo ho kamboty Aho; ary hankaty aminareo Aho » ( Jao. 14: 18 )

2- Aoka hanaraka ny Teniny :

Tsy mba nangataka ny hanoloran’ny Tompo ho azy ny fahavalony na nangataka fandresena sy fandripahana ny fahavalony i Davida. Izao no nambarany : « Ampahafantaro ny làlanao aho, Jehovah ô; ampianaro ny sitrakao aho. Tariho amin’ny fahamarinanao aho ka ampianaro »(and 4, 5). Fahagagana sy famantarana matetika no tena tadiavintsika olombelona ankehitriny. Izany no ianteheran’ny fontsika sy ny finoantsika. Andao hianatra tahaka an’i Davida . Fantaro sy ianaro ary ankatoavy ny Tenin’Andriamanitra. Raha manana ny Tenin’Andriamanitra isika dia hitombo ny fahatokiantsika Azy. Miorina amin’ny fankatoavana ny Tenin’Andriamanitra ny fahasoavana rehetra araka ny tenin’i Jesoa hoe « Raha miray amiko ianareo , ka mitoetra ao anatinareo ny teniko, dia angataho izay tianareo na inona na inona, fa ho tonga aminareo izany » ( Jao. 15. 7)

Fanontaniana :

Efa mari-toerana ve ny finoanao?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2025

Aogositra: MIFAMPAHERY NY MPINO

| | 17. Ala. IX man. Trinite - Aumônerie Nationale
1 Mpa. 17. 10-16 | Lio. 5. 17-26 | Asa 15. 22-29

| | 24. Ala. X man. Trinite - AKAFITA
Sal. 31. 19-24 | Jao. 14. 18-24 | 1 Kor. 16. 5-14

| | 31. Ala. XI man. Trinite
2 Tan. 19. 8-11 | Mat. 18. 15-20 | 1 Tes. 5. 12-15

Septambra: VELON'NY FINOANA NY MPINO

| | 07. Ala. XII man. Trinite
Gen. 15. 1-6 | Jao. 9. 35-41 | Rom. 4. 1-12

FJKM Fahazavana

ANDRIAMAMPIANINA Zaka, Mpitandrina