Synoda lehibe XIX /Fanokafana


Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy.

Nisokatra ny faha-11 Aogositra 2021 tamin’ny 8 ora maraina ny Synoda lehibe faha-XIX ny fiangonana FJKM . Ny biraon’ny Mpiandraikitra foibe no nitarika ny fanompoam-pivavahana fanokafana.  Ity Synoda lehibe ity no ambaratongan-drafitra ambony indrindra eto anivon’ny FJKM. Fivoriana izay atao isaky ny 4 taona araka ny fitsipika sy foto-dalàna FJKM, araka ny fanazavan’ny Filoha FJKM amperin’asa nandritry ny fanompoam-pivavahana fanokafana. Nisaotra ireo solotenan’ny andrim-panjakana izy sy ireo vondrom-mpiangonana mpiara- miasa amin’ny FJKM.
Ny Synoda Lehibe dia fotoana natao hanavaozana indray ny mpitarika eo anivon’ny FJKM. Ankoatry ny biraon’ny Mpiandraikitra foibe sy ireo Mpiandraikitra Foibe dia misy koa ireo solotena isaky ny synodam-paritany 38, ireo Tonia sy Talen-tsampana, sampan’asa ary asa ary ireo Departemanta eo anivon’ny Foibe FJKM. Misy koa ireo vahiny nasaina manokana hiatrika izany.

Nisy ny fanolorana mari-pankasitrahana tamin’ izany koa ireo Birao  ny Mpiandraikitra Foibe 2016 – 2021.
Taorian’ izany no nanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny fampirantina fampahafantarana ny FJKM sy ireo rantsa-mangaika ao anatiny.
Taorian’ izany dia niantomboka avy hatrany ny fivoriana tsy azon’ny be sy ny maro atrehana nifidianana ny biraon’ny Synoda.

R.Veronica

Perikopa 2024

Jolay: MIARAHA MANDEHA AMIN’NY TOMPO ANDRIAMANITRAO

| | 28. Ala. IX man. Trinite - TPM sy IFRP
Deotoronimia 31. 1–8 | Matio 4. 18–22 | Kolosiana 2. 4–7

Aogositra: MANAMASINA NY TENANY NY MPINO

| | 04. Ala. X man. Trinite
Levitikosy 19. 1–4 | Matio 7. 6 | 1Petera 1. 13–16

| | 11. Ala. XI man. Trinite - KFTM (Maritiora)
Estera 4. 6–17 | Lioka 12. 4–7 | 1Petera 1. 13–16

| | 18. Ala. XII man. Trinite - Aumônerie Nationale
Isaia 52. 11–12 | Marka 7. 14–23 | 2Korintiana 6.11–7.1

FJKM Fahazavana

Alahadin’ny SFL 2024 :

Production : FTV / FJKM