Sabotsy 05 Jiona 2021

APOKALYPSY 2.18-29

Jesoa Zanak’Andriamanitra

Ho fampaherezana ireo kristiana niharan’ny fanenjehana , ho fampaherezana ireo kristiana niezaka nijoro ho vavolombelon’i Jesoa tamin’ny fotoan-tsarotra no antony nanoratan’i Jaona ny Apokalypsy . Ny tanjona tamin’izany dia ny hampahafantatra fa i Jesoa , izay ninoan’izy ireo dia efa nandresy teto amin’izao tontolo izao , ka manjaka ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra . Jesoa Zanak’Andriamanitra dia :

1-Mahalala tsara ny olony (and19)

Fantatr’i Jesoa amin’ny antsipirihany ny momba ny olony araka izay ambaran’i Jaona eto : asa , fitiavana manao ny asa , finoana manosika hiasa , faharetana amin’ny asa. Tsy misy miafina amin’i Jesoa araka izany ny fiainan’ny mpanompony , ny fiainan’ny mino eo am-pijoroana vavolombelona . Andriamanitra mahita sy mahatsapa ny zavatra rehetra tokoa mantsy i Jesoa . Zava-dehibe ho an’ny mino ny mahalala an’izany , satria fantany fa mijery sy tena mahita azy ny Tompony .

2-Mamaly ny olona araka ny asany (and23 )

Mifanaraka amin’ny asa tanterahin’ny olona no valim-pitia azony antenaina avy amin’Andriamanitra . Andriamanitra marina i Jesoa ka mamaly ny olona araka ny ezaka rehetra tanterahiny amin’ny fanompoana Azy. Tsy misy miasa jamba rafozana izany ao amin’i Jesoa . Tsy maintsy hahazo valim-pitia avokoa izay mikely aina tsara avy amin’ny Tompo izy , raha ratsy kosa dia hahazo valiny mifanaraka amin’izany avy amin’ny Tompo koa izy . Raha tsy maintsy hahazo valin’asa avy amin’ny Tompo ihany , aleo miezaka manao asa tsara fa hahazo valim-pitia tsara avy amin’Andriamanitra .

Fanontaniana :

Inona no valin’asa lehibe indrindra omen’ny Tompo antsika ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2025

Jolay: OLOMBOAANTSO NY MPINO

| | 13. Ala. IV man. Trinite - S. Tanora Kristiana
1 Sam. 3. 1-9 | Mat. 15. 32-39 | 1 Kor. 1. 18-25

| | 20. Ala. V man. Trinite - S. Fivondronana Laika
Amo. 7. 10-15 | Mar. 10. 46-52 | Gal. 1. 11-17

| | 27. Ala. VI man. Trinite - TPM sy IFRP
Jer. 1. 4-10 | Mar. 3. 13-19 | Rom. 1. 1-7

Aogositra: MIFAMPAHERY NY MPINO

| | 03. Ala. VII man. Trinite
2 Sam. 10. 9-14 | Jao. 14. 1-7 | Efe. 6. 10-13

FJKM Fahazavana

ANDRIAMAMPIANINA Zaka, Mpitandrina