Zoma 04 Jona 2021

Salamo 81.8-16

Ireo tombontsoa amin’ny fihainoana an’Andriamanitra

Sarotiny tamin’ny zanak’Israely Andriamanitra ka nandidy azy hihaino Azy. Ny fihainoana an’Andriamanitra mantsy dia ahazoana tombontsoa lehibe. Raha mamaky ny Deot 28 isika dia ahitana fa loharanom-pitahiana izany. Zava-dehibe araka izany ny mihaino an’Andriamanitra satria :

1-Ahazoana fahendrena

Fahendrena eo amin’ny fomba hitondrana ny fiainana eto amin’izao tontolo izao no tombontsoa voalohany azo avy amin’ny fahaiza-mihaino an’Andriamanitra sy ny Teniny. Mampiavaka ny mino amin’ny olona eto amin’izao tontolo izao izany fahendrena azo avy amin’ny fihainoana an’Andriamanitra izany. Jesoa raha teto amin’izao tontolo izao dia tena niavaka tamin’ity fahendrena ity, noho Izy nanam-potoana nitokanana nivavaka sy nihainoana an’Andriamanitra.

2-Ahazoana fitahiana sy fahasoavana

Loharanom-pitahiana tokoa ny fihainoana an’Andriamanitra. Hoy mantsy Mosesy hoe : « ary ho tonga aminao sy ho azonao izao fitahiana rehetra izao, raha mihaino ny feon’I Jehovah Andriamanitrao hianao » Deot 28.2. Nampianarin’ny Jiosy ny taranany mihitsy izany fahaiza-mihaino an’Andriamanitra izany, ary tsy mba nafeniny ny taranany ireo tombontsoa aterak ‘izany. Resy lahatra ny amin’ny fahamarinan’izany ny Mpanao Salamo eto raha miteny hoe : « mihainoa, ry oloko» . Ataovy ho zava-dehibe handraisam-pitahiana avy amin’ny Tompo ny fahaiza-mihaino Azy eto amin’izao tontolo izao. Adidy maha-Kristianina rahateo izany !

Fanontaniana :

Fitahiana toy ny ahoana no azon’izay mazoto mihaino sy mankato an’Andriamanitra ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV