Alatsinainy 31 Mey 2021

EFESIANA 3.14-20

1-Miaina amin’ny fifankatiavana

Nambaran’i Paoly Apostoly tamin’ny Fiangonana fa nivavaka ho azy ireo izy. Vavaka mba hahatonga ny mpino hanana ny toe-panahin’ny zanak’Andriamanitra, manana an’i Jesoa Kristy ao am-pony. Ny olona rehetra mino sy nandray ny famonjena nataon’i Jesoa dia tonga fianakaviana iray miaina amin’ny fifankatiavana, rehefa miasa sy mitarika ny Fanahy Masina (and. 17)

2-Mitombo amin’ny fahalalana

Zava-dehibe tamin’ny vavaka nataon’i Paoly Apostoly eto koa ny hahatonga ny mpino Kristiana hitombo amin’ny fahalalana an’Andriamanitra, hitombo amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy. Rehefa miasa sy mitarika ny mpino tokoa ny Fanahy Masina dia afaka mianatra, afaka mandalina ny Tenin’Andriamanitra izy. Tonga ho amin’ny fahalalana an’Andriamanitra sy ny fiainana ao Aminy ka hiorina sy hitombo amin’ny finoana hatrany.

3-Miaina amin’ny fahasoavana

Tsy fitomboana amin’ny fahalalana an’Andriamanitra ihany no tombotsoan’ny mpino manaiky hotarihan’ny Fanahy Masina, fa miaraka amin’izany koa ny fitomboana amin’ny fiainam-pahasoavana. Hoy ny and.20 « Ary ho an’izay mahay manao mihoatra ny zavatra rehetra, eny, mihoatra lavitra noho izay angatahintsika na heverintsika , araka ny hery izay miasa ato amintsika« . Omen’Andriamanitra ny fahasoavana rehetra ny mpino.

Fanontaniana:

Lazao ny toe-panahy mampiavaka ny olona tarihin’ny Fanahy Masina?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alahady 30 Mey 2021

LIOKA 10.17-24

Ny olona manao ny asan’Andriamanitra

1-Tarihina hiaina amin’ny fanetrentena

Raha mijery ny and 17-20 isika dia mahita fa manova sady mampitandrina ny fomba fihevitry ny mpianatra i Jesoa . Feno fifaliana ireto mpianatra fa nahita fahombiazana tamin’ny asa fitoriana ny Filazantsara . Nifamatotra tamin’izany anefa ny fiheveran-tena ho tena mahery : « na dia ny demonia aza manaiky anay » . Nampitandrina i Jesoa , mety handavo ny fireharehana , satria i satana dia miasa ety an-tany mamingana ny olon’Andriamanitra . Nomen’i Jesoa Kristy ny fahefana rehetra ny mpianatra , fahefana entina mandresy ny asan’ilay ratsy . Afaka mandresy rehefa tena miankina amin’i Jesoa fa tsy miankina amin’ny herin’ny tena . Mahaiza manetry tena .

2-Avahan’Andriamanitra

i Jesoa Kristy no nifidy ireto mpianatra hitory ny Filazantsara . Nomba azy ireo Andriamanitra ka nahita asa lehibe sy miavaka tokoa . Asa maneho ny fahalehibiazana , ny Voninahitr’ Andriamanitra izay tsy mba hitan’ireo tomponandraikitra ara-pivavahana Jiosy . Ireto mpianatra izay toa olona tsotra , tsy dia manao ahoana amin’ny fahaizana amam-pahalalana no nampahitan’Andriamanitra izany. Nifaly i Jesoa , nidera an’Andriamanitra Rainy ka nanambara fa tena miavaka ireto mpianatra nofidiany . Tsarovy fa miavaka ny olona manao ny asan’Andriamanitra . Sady nahita ny asan’Andriamanitra no mandray ny fiainam-pahasambarana avy Aminy .

Fanontaniana :

Inona no hatao mba hahazoana ny tena fahasambarana avy amin’i Jesoa Kristy ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Sabotsy 29 Mey 2021

ASAN’NY APOSTOLY 4.23-31

Ny mpanompo mandalo fitsapana

1-Mivavaka amin’ny finoana

Nosamborina , norahonana , norarana mba tsy hiteny na hampianatra amin’ny Anaran’i Jesoa ry Petera sy Jaona . Rehefa tafahaona tamin’ireo mpianatra namany izy roalahy dia niara- niombom-bavaka izy ireo . Nivavaka tamin’ny finoana fa Andriamanitra irery ihany no Tompon’ny hery sy ny fahefana eto amin’izao tontolo izao ity . Andriamanitra efa niasa tamin’ny alalan’ny Fanahiny izay nampiteny an’i Davida manoloana ny fahavalon’ny olony . Koa antenainy fa manoloana izao olana sy sakana samihafa izao dia matoky ireto mpianatr’i Jesoa fa tsy hitazana fotsiny Andriamanitra . Rehefa tojo olana , dia MIVAVAHA!

2-Ampaherezin’Andriamanitra

Nihaino ny fivavaky ny finoana tokoa Andriamanitra . Faniriana lalina tao anatin’ny mpianatra ny hijoro , hiroso , hitory amin’ny fahasahiana , hanao asa mitondra famonjena ho an’ny olona . Mba hahatanteraka izany dia nomen’Andriamanitra ny Fanahy Masina ny mpianatra , mitovy amin’ilay Fanahy nampiteny an’i Davida tamin’ny fahasahiana nanoherana ny fandrahonan ‘ny fahavalo . Tonga tamin’ireo mpianatra nivory , niara-niombom-bavaka ny Fanahy Masina . Noho ny herin’ny Fanahy Masina mitondra sy mitarika azy ireo dia feno fahasahiana nitory ny Tenin’Andriamanitra ny mpianatra . Tsy natahotra ny fahavalon’ny Filazantsara . Miharihary fa ny Fanahy Masina dia omen’Andriamanitra ho fampaherezana , ho fampijoroana ny mpanompony .

Fanontaniana :

Nahoana no misy olona matahotra hitory ny Filazantsara ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Mofo / Jiona 2021

ANORENANA NY MAHA KRISTIANA NY FINOANA

Daty Teny hovakiana
01Neh.9.32-37
02Asa.3. 12-16
03Mat.9.18-26
03Sal.81.8-16
05Apo.2.18-29
06Gen.7.1-5
07Lio.17.11-19
08File.8-21
09Mar.11.20-24
10Deo .20.1-9
11Gal.2.11-21
121Sam.15.16-26
13Jao.1.35-42
14Jos.3.7-17
152Tim.2.22-26
16Eks.2.1-10
17Fil.1.27-30
18Rom.12.3-8
19Mpoit.11.30-40
201Pet.4.1-6
21Jer.13.15-17
22Jao.14.5-11
23Oha.23.26-35
24Asa.17.1-9
25Mat.23.1-12
261Pet.2.1-10
272Mpa.22.11-20
28Kol.2.16-23
291kor.1.4-9
30Mat.16.13-19

Zoma 28 Mey 2021

NOMERY 11.24-30

Ny Fanahin’Andriamanitra

1-Mampiombona amin’ny asa fanompoana

Hitan’Andriamanitra fa mila namana i Mosesy ho mpiara-miasa aminy , hiombona amin’ny fitarihana ny vahoakan’Andriamanitra . Noho izany , nasain’Andriamanitra nanangana fitopolo lahy hiara- mitondra aminy izy . Ny Fanahin’Andriamanitra izay tao amin’i Mosesy ihany no nakana ka nanomezana ireo loholona ireo . Midika izany fa mampiombona ho amin’ny asa fanompoana ny Fanahin’Andriamanitra mba ho saina iray , fo iray miara-mihevitra no hitarihana ny olona .

2-Mampifandray amin’Andriamanitra

Rehefa nandray ny Fanahin’Andriamanitra ireo loholona nofidin’i Mosesy dia naminany , na ireo tonga teo amin’ny trano lay fihaonana izany na izy roalahy nijanona tany ivelan’ny toby . Faminaniana , fanompoana manokana , fiderana an’Andriamanitra izay maneho fa tafaray amin’Andriamanitra ireto loholona ireto noho ny Fanahiny mitoetra sy monina ao anatiny .

3-Ho an’ny olona rehetra

Rehefa nandre i Josoa fa naminany teny ivelan’ny toby ireo roalahy izay isan’ny voasoratra ho loholona dia niteny tamin’ i Mosesy mba handrara azy ireo . Mazava tsara anefa ny fikasana , ny fanirian’i Mosesy tsy ho an’ny sokajin’olona manokana ihany ny Fanahin’Andriamanitra fa ny olona rehetra no mandray izany , mba hahatonga ny olona hifandray amin’Andriamanitra sy hidera Azy .

Fanontaniana :

Nahoana no misy olona iray asa fanompoana , kanefa tsy mifankahazo na mifanenjika , mifamingana?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alakamisy 27 Mey 2021

1 KORINTIANA 2.1-5

Ny mpitory ny Filazantsara tarihan’ny Fanahy Masina

1-Mitory an’i Jesoa Kristy voahombo

I Jesoa Kristy voahombo tamin’ny hazo fijaliana ho famonjena izao tontolo izao no vontoatin’ny Filazantsara nambaran’i Paoly Apostoly . Iraka miavaka niantsoana sy nifidianan’i Jesoa Kristy azy ho vavolombelony tany amin’ny Jentilisa . Noho izany , tsy namilivily ny sain’ny olona ho amin’ny zavatra hafa i Paoly . Tsy naneho ny fahendren’olombelona , tsy naneho fahaiza-miteny na fanehoana fahalalana samihafa izy tamin’ny fanetrentena tanteraka , nanafoana ny maha-izy azy ny fiainana no notoriany ka nanambarany an’i Jesoa Kristy voahombo tamin’ny hazo fijaliana .

2-Mampiorina sy mitory ny finoana marina

I Jesoa Kristy no maty ho famonjena ny olona rehetra . Tanjon’ny asa fitoriana ny Filazantsara nataon’i Paoly Apostoly izany . Tena hiorina tsara ao amin’i Jesoa Kristy maty sy nitsangana tamin’ny maty ho famonjena ny finoan’ny olona , mba ho tena finoana marina sy mahavonjy . Fitarihana ny olona hibanjina an’i Jesoa Kristy noho izany no tena nataony fa tsy fampitodihana ny olona amin’ilay mpitory ny Filazantsara . Mila mitandrina tokoa isika ankehitriny . Aoreno ao amin’i Jesoa Kristy voahombo tamin’ny hazo fijaliana , nalevina kanefa nandresy ny fahafatesana , nitsangana tamin’ny maty ny maty . Aza manaiky ho voarebireby ho amin-javatra hafa .

Fanontaniana:

Ahoana no hanavahana ny tena mpitory Filazantsara marina amin’ireo mpampianatra sandoka ? Inona no atao hiarovana ny finoana marina ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alarobia 26 Mey 2021

HAGAY 2.1-9

Teny fampaherezana ho an’ny Jiosy amin’ny fananganana indray ny Tempoly :

1-Monina miaraka amin’ny olona Andriamanitra

Mitana ny fanekena efa nataony tamin’ny olony rehetra Andriamanitra . Tamin’ny fotoana nanafahany ny Zanak’ Israely avy tany Egypta , nitondra azy ireo namakivaky ny tany efitra dia tsy namela ny olona ho irery Izy . Ampahatsiahiviny ny Jiosy miatrika ny fanarenana ny firenena , fananganana indray ny Tempoly izany (and 5) . Monina , mitoetra eo amin’ny olona amin’ny alalan’ny Fanahiny Izy . Tsy irery miatrika ny asa rehetra ny olona . Tsarovy fa mandraka ankehitriny dia mitana ny teny nataony ho anao i Jesoa Kristy . Momba antsika mandrakariva Izy , matokia Azy , aza matahotra .

2- Miavaka ny asa ho vitaina

Rehefa resy ny tahotra , miasa amin’ny finoana ny olona , miasa ho fiainam-pitahiana ho azy ireo Andriamanitra . Izy no mitondra sy mifehy ny zavatra rehetra .Azy ny harena rehetra eto amin’izao tontolo izao ( and 6-8) . Andriamanitra no mitahy ny olona miasa ,manome ny zava-tsoa mba hahafahan’ny olona manolotra ho amin’ny asa nasainy hotanterahina. Ho vita ny fanarenana ny Tempoly, satria azo antoka ny fitahiany ho an’ny olona matoky Azy . Mazava ny fanomezan-toky, ho lehibe ny Voninahitry ny Tempoly , ho vita raha oharina amin’ ny tany aloha . Raha mino sy matoky an’ Andriamanitra isika dia mahavita asa lehibe sy miavaka mandrakariva .

Fanontaniana :

Nahoana no misy olona tsy mahafoy ho amin’ny asan’Andriamanitra ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Talata 25 Mey 2021

JAONA 16.12-15

Ny Fanahin’ny fahamarinana

1- Mampianatra ny marina

Mba hahafahan’ny mpianatra mahazaka ny toe-javatra tsy maintsy hatrehina eo amin’ny andraikitra nifidianan’ i Jesoa azy ireo dia nomena ny Fanahin’ny fahamarinana. Tsy zakan’ny sain’olombelona samy irery mantsy ny fahamarinana (and 12) , malemy , mora kivy ny olona amin’ny maha-olona azy . Mazava araka izany ny fanomezan-toky nataon’i Jesoa : « hitari-dàlana anareo ho amin’ny marina rehetra  » . Tsy fampianarana hafa no ampianarin’ ny Fanahin’ny fahamarinana , fa izay avy amin’i Jesoa ihany mba hampiorina tsara ny mpianatra sy hahafahana mandrakariva amin’ny asa fanompoana .

2-Mampijoro ho vavolombelona

Rehefa manatanteraka ny asa fanompoana nifidianana azy ny mpianatra dia tsy maintsy hisedra fahoriana , fijaliana , fanenjehana toy izay nahazo an’i Jesoa . Manoloana izany dia miasa ny Fanahin’ny fahamarinana , manambara amin’ny mpianatra izay toe-javatra efa niainan’i Jesoa . Mampianatra fa ny fiainana na ny zava-tsarotra rehetra dia efa nihatra tamin’i Jesoa . Tsy resy i Jesoa na dia niharan’ny fahafatesana aza fa nivoaka ho mpandresy . Rehefa mahatsiaro izany ireo mpianatra dia hanana fahasahiana , hijoro vavolombelona hatrany , fa mampandresy azy amin’ny fotoan-tsarotra rehetra ihany koa ny Tompo . Mijoro tsara amin’ny asa fanompoana noho ny Fanahy Masina mitarika azy ny mpino .

Fanontaniana :

Nahoana no tsy miorina tsara ny olona rehefa tojo fitsapana amin’ny asa fanompoana ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM