Alahady 4 Aprily 2021

Matio 28 :1-10

Hafatra efatra avy amin’ny Anjely nampiorina finoana

1-Aza matahotra ianareo !

Tsy teny vaovao ao amin’ny  Soratra Masina akory ity teny ity. Jesoa dia nampiasa izany im-betsaka rehefa mitafa amin’ny mpianany. Maro e ny azo andikana ny hoe « Tahotra » fa ny ambara amintsika eto dia ilay tahotra mariky ny tsy fanana na tsy fisian’ny finoana. Miteny ny anjely eto hoe « Aza matahotra ianareo » satria ny fotoana nitsanganan’i Tompo dia androm-pifaliana.

2-Tsy ato Izy !

Manondro toerana ilay anjely eto. Io toerana nambarany io dia ny fasana nandevenana an’i Jesoa. Tsy ao amin’izany toerana izany intsony izy, fasana, fitoeran’ny maty io toerana io. (Lio 24.5). Tsy voatazon’ny fasana sy ny fiainan-tsy hita Izy satria Izy dia fiainana.

3-Avia ka jereo !

Nasain’ny anjely nijery tsara ireto vehivavy ireto mba tsy hionona amin’ny filazana fotsiny fa tena hahita maso ihany koa ny zava-misy. Satria tsy honohono ny fitsanganan’i Jesoa tamin’ny maty fa zava-nisy mihitsy (Jao.14.6)

4-Mandehana faingana ka lazao amin’ny mpianany

Io hafatra io dia manambara sahady ny tsy fitazonan’i Jesoa alahelo tamin’ny mpianany. Fony nosamborina mantsy i Jesoa dia tsy nisy na dia iray aza tamin’ireo mpianany nijanona nanotrona Azy fa nandositra Azy avokoa.

Fanontaniana :

Fantatrao ve ny andraikitra miandry anao amin’izao Paska izao.

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV