fisaorana

Ho an’ny mpianakavin’ny finoana


Ny Foibe FJKM tarihin’Andriamatoa Filoha dia misaotra an’Andriamanitra ny amin’ny fientanam-pon’ny olona maro nanohana sy nanampy ireo mpiray tanindrazana tratran’ny kere any atsimo, ao amin’ny Synodamparitany Kristy Ranovelona Ambovombe Atsimo. Isaorana ireo rehetra kristiana tsirairay, Synodamparitany, Fitandremana, Fiangonana, Fikambanana sy Sampana, Sekoly ; na teto Madagasikara na tany ivelany tamin’ny tolo-tanana nataony.
Hatramin’ny 19 Aogositra 2020 hatramin’ny 07 Janoary 2021, ny fitambaran’ny ezaka vita dia : 61.141.295 Ar.
Nisy ihany koa ireo sakafo maro samihafa voaray toy ny katsaka, koba aina, menaka, ronono amin’ny boaty, sira vovony, siramamy, vary, mangahazo ; savony. Mbola hiampy ireo amin’ny ezaka mbola ataontsika tsirairay avy izay mbola hoavy.
Amin’ny gazety manaraka laharana 933 no hitondrana aminao eto ny antsipiriany amin’ny ezaka vita sy ny lisitr’ireo nanome fanampiana.

FOIBE FJKM

Perikopa 2025

Jolay: OLOMBOAANTSO NY MPINO

| | 06. Ala. III man. Trinite
Isa. 45. 1-7 | Lio. 9. 1-6 | 1 Pet. 2. 18-25

| | 13. Ala. IV man. Trinite - S. Tanora Kristiana
1 Sam. 3. 1-9 | Mat. 15. 32-39 | 1 Kor. 1. 18-25

| | 20. Ala. V man. Trinite - S. Fivondronana Laika
Amo. 7. 10-15 | Mar. 10. 46-52 | Gal. 1. 11-17

| | 27. Ala. VI man. Trinite - TPM sy IFRP
Jer. 1. 4-10 | Mar. 3. 13-19 | Rom. 1. 1-7

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY MPIASA FOIBE FJKM 2025