Alarobia 13 Janoary 2021

LIOKA 4.14-22

Ireo iraka nampanaovin’ny Ray an’i Jesoa

Rehefa vita ny fizahan-toetra tsy maintsy nolalovan’i Jesoa dia tonga tao Nazareta , tany nahabe azy Izy . Nambarany tamin’ny olona ny antony nanirahan’ny Ray Azy araka izao manaraka izao :

1-Hitory teny soa mahafaly amin’ny malahelo

Ny hoe : « malahelo » dia ireo olona mahantra ara-panahy , mahatsiaro sy mahalala fa mpanota izy, ka mila vonjy ho afaka amin’ny fahotany .

2-Hitory fandefasana ho an’ny mpifatotra

Ny mpifatotra dia ilazana ireo olona voagadran’ny fahotana ka mahatsiaro ho tsy afa-miala amin’izany .

3-Hitory fampahiratana ho an’ny jamba

Ny jamba dia ireo olona tsy mahita sy tsy manana fahalalana ara-panahy

4-Hanafaka izay nampahoriana

Ny olona lazaina ho « nampahoriana » dia ireo izay eo ambany fahefan’ny herin’ilay ratsy ka mahatsiaro mijaly, vokatra izany .

5-Hitory taona ankasitrahan’i Jehovah

Ny taona antsoina eto dia ny « Jobily  » . Ny taon-jobily dia taona masina sy lehibe ary mahafaly . Koa ny olona izay nivaro-tena ho andevo noho ny fahantrany dia novotsorana rehefa tonga io fotoana io , ary izay efa nivarotra ny fananany noho ny fahatereny dia nahazo azy maimaimpoana indray . Nahazo fahasoavana kosa ny nanan-trosa , ny very harena . Taona mahafaly ny taon-jobily . Nahatalanjona ny olona ny teny soa rehetra naloaky ny vavany ka tao ny faly nankalazana Azy , nanaiky fa mendrika ho deraina Izy . Ny zavatra nampalahelo kosa dia ny tsy faneken’izy ireo fa izy no Ilay Mesia nandrandrainy . Ny maha- zanak’i i Josefa mpandrafitra Azy no mbola nanakona ny masom-panahiny ka nahajamba azy.

Fanontaniana :

Inona no andrasanao amin’ireo asa nanirahana an’i Jesoa ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV