Alahady 31 Janoary 2021

2 MPANJAKA 5.15-27

Nolavin’i Elisa ny fisisihan’i Namana Syriana hanome zavatra ho azy rehefa nadio tamin’ny habokany izy . Fa Gehazy zatovon’i Elisa kosa nanao an-kafetsena mba hahazoana ny fanomezana nolavin’i Elisa . Zava-droa loha no ampianarin’ity tantara ity antsika :

1-Manome tsy mila tambiny Andriamanitra (and 15-19a)

Hitantsika eto fa noho ny fahadiovany tamin’ny habokany , rehefa nanaiky handro impito tao Jordana i Namana , dia niangavy an’i Elisa mihitsy mba handray ny fisaorana nentiny (and15) ,fa mazava ny tenin’i Elisa : «  raha velona koa Jehovah, izay hitsanganako eo anatrehany , dia tsy handray mihitsy aho » . Asehon’i Elisa amin’izany fa ny fahasoavana sy famindrampon’ Andriamanitra dia tsy amidy , tsy azo sandaina ary omeny maimaimpoana ho an’izay vonona hankato sy Teniny , ary hanova famindra ka hivavaka Aminy . Jesoa dia nanome maimaimpoana hatrany tamin’izay rehetra nataony . Tsy mila takalo ny fahasoavan’Andriamanitra . Ny fanoloranao tena dia ampy .

2-Mikapoka ny mpandainga Andriamanitra (and19-27)

Noho ny fitiavam-bola dia namoron-tsain-dratsy i Gehazy , zatovon’i Elisa mba hahazoany ireo zavatra nentin’i Namana rehefa nandà tsy handray i Elisa . Namoron-dainga tamin’ny anaran’i Elisa mihitsy izy mba hahatonga an’i Namana hanome vola sy fitafiana ho azy . Tsy niafina tamin’i Elisa anefa izany hafetsena sy lainga izany , ka rehefa nanontaniana i Gehazy dia mbola nandainga indray maka koa . Tsy i Namana ihany no nofitahiny fa mbola nikasa hamitaka an’i Elisa koa izy . Ary izany indrindra no nahatonga an’i Elisa hilaza taminy hoe: « ny habokan’i Namana dia hiraikitra aminao sy ny taranakao mandrakizay  » (and27) . Efa nahavoa an’i Ananiasy sy Safira io fitiavam-bola io ka nandaingany tamin’i Apostoly nitondra fahafatesana ho azy mivady . I Jesoa koa dia mampitandrina antsika hoe : « Mitandrema , miarova tena mba tsy ho azon’ny fieremana ianareo » (Lio 12.15). Ianao koa , fadio ny fitiavam-bola sy ny lainga fa tsy ialana maina eo anatrehan’ny Tompo izany .

Fanontaniana :

Inona àry no tokony hatao mba tsy ho azon’ny fieremana ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Sabotsy 30 Janoary 2021

1 KORINTIANA 12.27-31

Mampianatra ny Fiangonana tao Korinto i Paoly mba tsy hihevi-tena ho hany ilaina na koa tsy ilaina satria samy momba ny tenan’i Kristy ny tsirairay avy. Taomin’ny Soratra Masina ary isika mba :

Hahatsiaro ny maha-iray antsika (and27)

« Ary ianareo no tenan’i Kristy « , hoy i Paoly mantsy ny kristiana tao Korinto , satria Fanahy iray ihany rahateo no nomena ny tsirairay . Tiany havoitra amin’izany fa tokana ny Fiangonana , ary amin’ny maha-tena iray azy dia samy mandrafitra izany tena iray izany avokoa ny tsirairay . Sampona ny tena raha misy tsy eo ny momba ny tena, raha tsy eo ohatra ny tànana , tsy afaka mandray na inona na inona ny tena , raha tsy ao ny tongotra tsy afaka mamindra ny tena manontolo … Izany fampianaran’i Paoly izany dia manamafy ny vavaka nataon’i Jesoa ho an’ny mpianany hoe: « mba ho iray ihany izy rehetra » (Jao 17.21) . Taomina àry isika mba samy hahatsiaro tena fa iray ihany isika rehetra ka tsy hihevi-tena ho zavatra na nanilika ny hafa mba tsy hahasampona ny « Tenan’i Kristy « .

Hilofo amin’ny anjara fanompoantsika avy (and 27b)

«  ka samy momba ny tenany avokoa araka ny anjaranareo avy . Ambara eto fa samy manana anjara manokana avokoa ny tsirairay , na dia samy momba ny tenan’i Kristy aza. Ny hevitra ao ambadik’izany dia ny hoe : samy nomena anjara fanompoana voafaritra mazava ny isam-batan’olona ka manana adidy hanatanteraka izany tsara satria ny kendrena amin’izany diany hahavelona sy hampandroso tsara ny « tenan’i Kristy » , rehefa samy mahavita ny anjarany ny tsirairay dia handroso ny Fiangonana . I Jesoa izao nahavita araka ny tokony ho izy ny anjara fanompoany ka afaka niteny hoe : « vita » (Jao 19.30) ary ianao ?

Fanontaniana :

Ho anao manokana , hatraiza ny fahavitanao ny anjara fanompoanao ?

Sampana Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Zoma 29 Janoary 2021

MATIO 3.13-17

Mitantara amintsika ny nanaovana Batisa an’i Jesoa ny Perikopa eto. Izao tantara izao no nampiharihary amintsika fa :

Namerina ny fifandraisana teo amin’ Andriamanitra sy ny olona i Jesoa (and15)

Na dia nandà aza i Jaona tamin’ny voalohany dia nekeny ihany ny hanao batisa an’i Jesoa mba hahatanteraka ny Tenin’Andriamanitra . Tamin’ny andron’i Jesoa mantsy dia nihevitra ny olona sasany fa tsy misy intsony ny mpaminany . Nangina Andriamanitra ary nikatona ihany koa ny lanitra ka tapaka ny fifandraisana . Asongadin’i Matio eto kosa amin’izao fitantarany izao fa i Jesoa no mamerina indray io fifandraisana eo amin’ Andriamanitra sy ny olona io ary manokatra ny lanitra ho porofon’izany . Tsy misy olona tokony hahatsiaro ho lavitra an’ Andriamanitra na koa hihevi-tena ho adinon’Andriamanitra fa eo rahateo i Jesoa .

Tena olombelona feno sady tena Andriamanitra feno i Jesoa (and16,17)

Ataon’i Matio mihasikasina tsara eto fa nanaiky hatao Batisa tahaka ny olombelona rehetra i Jesoa , na dia tsy nanana heloka tokony avela aza Izy mba hanehoana fa tena olombelona Izy . Fa etsy ankilan’izany koa dia samy miara-manambara sy manamafy ny maha- Andriamanitra feno Azy ny feon’ Andriamanitra Ray milaza hoe: « ity zanako malalako izay sitrako  » sy ny fidinan’ny Fanahy Masina tahaka ny voromailala nipetraka teo amboniny . Toetra roa tsy afa-misaraka sady tsy hay avahana ao amin’i Jesoa ireo , sady maneho ny maha- Izy Azy . Mitaona antsika hino sy hatoky tanteraka an’i Jesoa izany satia mahatsapa izay manjo antsika Izy (olombelona) ary manankery sy fahefana hamonjy sy hanafaka antsika koa (Andriamanitra) .

Fanontaniana :

Mitondra inona ho anao ny fahafantarana fa sady olombelona feno no Andriamanitra feno i Jesoa ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alakamisy 28 Janoary 2021

SALAMO 18.20-27

Mitantara ny namonJen’Andriamanitra azy i Davida eto amin’ity salamo ity . Misongadina eto fa :

Mahita ny olona Andriamanitra

ka mamaly soa izay matahotra Azy (and 20)

« nanisy soa ahy araka ny fahamarinako Jehovah , araka ny fahadiovan’ny tànako no namaliany ahy » . Manomboka eto no asehon’i Davida fa hitan’ Andriamanitra avokoa ny fiainany rehetra. Tsy misy miafina Aminy ny ataony rehetra . Raha mitanisa i Davida eto ny amin’izay nataony dia tsy tsy fanamarinantena akory fa entina maneho kosa fa nandeha araka ny sitrapon’ Andriamanitra izy . Tsy misy azo afenina amin’Andriamanitra rahateo ny zavatra rehetra , na ny hita maso na ny any ami’ny takona araka ny ilazan’i Jesoa azy hoe : « ...fa tsy misy miafina izay tsy ho hita na takona izay tsy haseho  » (Lio 8.7) . Ianao koa mandehana araka ny sitrapon’ Andriamanitra fa mahita anao Izy , ary Izy no hamaly anao.

Mampietry ny mpiavonavona (and 27)

« Fa ianao mamonjy ny olona ory ary ny maso miandranandrana kosa aetrinao  » . Ny hevitry ny teny hoe : « miandranandrana » eto dia hoe: mieboebo manambony teny sy miavonavona , izany hoe : ireo izay tsy mahatsiaro fa malemy , mila mpamonjy fa mihevitra ho mahavonjy tena noho ny heriny na ny tanjany . Ambaran’i Davida eto fa aetrin’ Andriamanitra ny mpiavonavona , fa izay manetry tena kosa ka no misitraka ny famonjeny , ary hamafisin’i Jesoa izany rehefa mampianatra Izy hoe: « Fa izay manandra-tena no haetry , ary izay manetry tena no hasandratra  » (Matio 23.12) . Tandremo àry ny avovanona sy ny fanandratantena.

Fanontaniana :

Mahita anao izao Andiamanitra , inona re no lazainy sy hataony momba anao ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alarobia 27 Janoary 2021

EKSODOSY 33.12-23

Ny resaka nifandaharan’i Mosesy tamin’ Andriamanitra no tantaraina amintsika eto . Ny ady varotra nataon’i Mosesy mba hahita ny Voninahitr’ Andriamanitra no misongadina indrindra amin’izany . Hitantsika taratra amin’izao tantara izao fa Andriamanitra dia :

Andriamanitra mihaino (and 12)

Ny fifamalian’ny resaka ifanaovan’i Mosesy amin’Andriamanitra hitantsika ao amin’ny tantara no mampiseho amintsika fa azo ifampiresahana Andriamanitra sady tsy miavona , fa mhaino izay ambaran’ny olony Aminy . Moa ve tsy izany indrindra koa no nataon’i Jesoa fony izy tety an-tany Azon’ny olona atonina Izy sady tsy nanavaka na iza na iza , ary Izy tenany mihitsy no nilaza hoe:  » malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho » (Mat 11.29b) .Aza misalasala àry miantoraka amin’ny Tompo, fa mihaino tokoa Izy. Tsy manamaivana ny fangatahana na fitarainan’izay mangataka Aminy amin’ny fo tokoa .

Andriamanitra tsy mandao (and14)

« Ny tavako no handeha dia hanome fitsaharana Aho » , hoy i Jehovah tamin’i Mosesy . Ny teny hoe : ny tavako dia azo adika koa hoe ; « ny fanatrehako » , izany hoe: manome toky mihitsy i Jehovah eto fa hanatrika an’i Mosesy hatrany Izy, tsy hamela azy ho irery fa eo hatrany , ary tsy vitan’izany ihany fa entin’i Jehovah manamafy ny fombany na ny fiarahany làlana amin’i Mosesy ny filazany hoe: « hanome anao fitsaharana Aho » . Ny hevitr’io kosa dia hoe : tsy hisy zavatra tokony hampanahy na hampitebiteby an’i Mosesy intsony satria eo Andriamanitra . I Jesoa koa dia nanome toky mazava fa homba antsika mandrakariva ambara-pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao (Mat 28.20) . Aza be fanahiana intsony àry fa momba anao Andriamanitrao.

Fanontaniana :

Ahoana no efa niainanao izany hoe : Andriamanitra mihaino sady tsy mandao izany ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Talata 26 Janoary 2021

HEBREO 12.1-6

Mitaona ny Hebreo hifantoka amin’i Jesoa Kristy ny Epistily eto raha mananatra azy ireo hanana finoana matanjaka indrindra manoloana ny hazakazaka sy ny fizahan-toetra lalovan’izy ireo . Ohariny amin’ny mpanao hazakazaka olympika ny mino ary torohevitra tsara no omeny . Asainy mijery an’i Jesoa ny Hebreo . Nahoana no asaina mijery an’i Jesoa ny Hebreo ?

Fa iza moa i Jesoa ho an’ny mpino ?

« Tompon’ny finoana sy mpanefa azy« (and) hoy ny Epistily eto .Tompon’ny finoana , izany hoe : izy mihitsy no mpitarika sady mpialoha làlana ny finoan’ny mpino , natoky an’Andriamanitra izy. Fa mpanefa ny finoana hany koa Izy ka sady mpanatanteraka no fahatanterahan’ny faminaniana nambara hatrany amin’ny Testamenta Taloha . Izy no mpanefa ny fahasoavana sy ny asan’ny mino ary Izy ihany koa araka izany no mpitsara sy mpamaly soa ny finoan’ny mpino . Mifantoha Aminy ianao!

Nanao ny fahoriana nentiny tamin’ny fihazakazahany ?

« Fa hevero tsara ilay naharitra ny fanoherana nataon’ny mpanota taminy » (and3) , niaritra sy naharitra ny fanenjehana i Jesoa, na tamin’ny teny nataon’ny mpanenjika Azy na tamin’ny fihetsika ihany koa, notoherina mandrakariva Izy . Fanampin’izany naharitra ny hazo fijaliana Izy . ,kanefa nahefa hatramin’ny farany fa tsy niala an-daharana velively . Mianara Aminy ianao .

Inona no valisoan’ny fiaretana sy faharetan’i Jesoa ?

« ka dia efa mipetraka eo amin’ny ankavanan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra Izy » (and2). rehefa nahatozo hatramin’ny farany ny fihazakazahany i Jesoa dia misitraka ny voninahitra mendrika Azy rahateo . Tsy misy satroboninahitra raha tsy mandalo hazo fijaliana . Raha miara-miaritra aminy isika dia hiara-manamboninahitra Aminy koa « (Rom 8.17) .Taomina ary ianao mba tsy ho mora kivy amin’ny fanarahan-dia an’i Jesoa , hisy zava-mahamay tokoa atrehana amin’izany fa banjino tsara i Kristy . Mianara Aminy , miareta ary mahareta dia hahazo satroboninahitra .

Fanontaniana :

Inona no hevitry ny hoe : »ny hazo fijaliana« mialohan’ny satroboninahitra?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alatsinainy 25 Janoary 2021

SALAMO 111.1-9

Salamo mampanakoako ny fiderana an’Andriamanitra noho ny fahatsarany sy ny fanasoavany ny olona ity salamo ity . Iombonany amin’ny Salamo 113-Sal 118 ny fampiasana ny teny hoe : Haleloia, izay azo adika hoe: Miderà an’i Jehovah .

1-Fiderana manao ahoana ary no mendrika Azy

« Hidera an’i Jehovah amin’ny foko rehetra aho » (and 1), hoy ny mpanao Salamo , izany hoe : fiderana miainga avy ao anaty noho ny fahatsapana ny fahalehibiazan’ Andriamanitra . Fiderana tena izy fa tsy ivelambelany , satria ny hevitry ny hoe : » amin’ny foko rehetra » dia milaza ny maha- izy ny tena manontolo hatrany anaty lalina indrindra . Amin’ny fotoana anaovantsika fiderana ka omena lohateny mipoapoaka ireny : tena avy ao anaty lalina tokoa ve sa molotra fotsiny , sa fitiavana te-handihy , sa sanatria ihany koa fitadiavam-bola dia manao fampisehoana fiderana goavambe?

2-Inona no anton’izany fiderana izany ?

« Lehibe ny asan’i Jehovah » (and2-8) , hoy ihany ny mpanao salamo eto . Avoitrany amin’izany fa ny antony manosika azy hidera an’Andriamanitra dia ny fahalehibiazany sy ny fisitrahan’ny mpanao salamo ny asa tsy manam-paharoa nataony teo amin’ny fiainany manokana sy teo amin’ny tantaran’ny firenena . Raha mamaky isika dia hahatsikaritra fa velabelarina ao ny toetra soan’ Andriamanitra : fahagagana, fiantrana sy famindrampo (and 4) , fanomezana hanina , tsy fivadihana (and 5) , fanehoan-kery sy fanomezana tany (and6) . Raha atao indray milaza dia ny traikefan’ny mpanao salamo miaraka tamin’Andriamanitra no nahatsapany ireo asan’Andriamanitra ireo teo amin’ny fiainany ka mahatonga azy hanandratra fiderana . I Jesoa koa aza dia nahatsapa ny fahendren’Andriamanitra ka loa-bolana hoe: « Midera anao aho Raiko » (Mat 11.25) .

Fanontaniana :

Raha ny tantaranao no jerena , inona avy tamin’ireo toetran’Andriamanitra tanisain’ny mpanao salamo ireo no efa tsaroana fa nahakasika anao mivantana?

Sampana Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alahady 24 Janoary 2021

ASAN’NY APOSTOLY 17.22-34

Taminy dia misionera faharoa nataon’i Paoly no izao ny mampahafantatra ny momba an’ Andriamanitra tao Atena izao , ary tao amin’ny Areopago izay toerana fivorian’ny olo-manan-kaja ary tribonaly mihitsy aza. Eo anoloan’ireo heverina ho manam-pahendrena (filozofia) no mandaha-teny i Paoly ka ambarany amin’izany fa:

1-Tokana ihany Andriamanitra (and 24)

« Andriamanitra izay nanao izao tontolo izao sy ny ao aminy rehetra. Izy no Tompon’ny lanitra sy ny tany ka tsy mba mitoetra ao anaty tempoly nataon-tànana  » eo anatrehan’ny kolontsaina Grika , izay mivavaka amin’andriamanitra maro ary mamorona andriamanitra araka ny filàny sy ny asa ataony no ambaran’i Paoly fa Andriamanitra tokana ihany no marina , ary satria « tsy fantatrareo » (and23) , hoy i Paoly . Ilay tena Andriamanitra , dia Izy indrindra no toriko aminareo . Tamin’ny fomba hentitra nefa tsy nanafintohina ny mpihaino no nitarihan’i Paoly ny fitoriany .

2-Mandidy ny olona hibebaka Andriamanitra (and 30)

« Ary Andriamanitra ninia tsy nijery ny andron’ny tsi-fahalalana , fa ankehitriny Izy mandidy ny olona rehetra amin’izao tontolo izao hibebaka » ,rehefa nitari-dresaka tsikelikely mba hahatakaran’ny mpihaino azy ny momba an’Andriamanitra i Paoly dia mitaona azy ireo kosa hanova famindra , natorony azy ireo izay andrasan’Andriamanitra aminy , dia ny fibebahana , izany hoe: ny fahavononana hanova ny fiainany hatrany amin’ny fakany mihitsy hiala amin’ireo andriamani-tsy izy . Tsy manameloka ny lasa fony tsy nahalala Andriamanitra , fa hitsarana izay efa nitoriana kosa ny tsy fandraisana fanapahan-kevitra , kanefa efa nampahafantatra an’i Jesoa .

Fanontaniana :

Ahoana ny fijerinao ny fomba nentin’i Paoly nitory an’i Kristy tamin’ny Ateniana ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM