Alahady 13 Septambra 2020.

GENESISY 42.18-21

Miasà amin’ny fatahorana an’Andriamanitra

1-Amin’ny fandraisana fepetra eo amin’ny andraikitra (and18-20)

Tamin’ny andro fahatelo nihibon’ny rahalahin’i Josefa tao an-tranomaizina dia nandray fepetra Josefa . Ny sivy navoaka , ny iray kosa mbola notanany tao , miandry ny fiverenan’ireo rahalahiny avy any Egypta . Fepetra tsy maintsy noraisiny izany , satria te- hahalala izy (Josefa) raha efa niova izy ireo aminn’y toetra ratsiny , ary ho famaizana azy ireo tsy hanao izany intsony na amin’iza na amin’iza . Ny kristiana koa dia tokony handray fepetra eo amin’izay andraikitra nifidianana azy , mba hahatanterahana ny asa (iraka nanirahana). Tsy hanao « eny tompoko » am-bava fotsiny , fa hiasa amin’ny fatahorana , kanefa araka ny fepetra mifehy eo amin’ny andraitra nifidianana ny tena .

2-Ho fampahatsiarovana ny heloka natao (and 21)

Tsy valifaty tamin’ny nataon’ny rahalahiny akory izao fa anatra ho azy ireo mba tsy ho ratsy fanahy na ho feno fialonana intsony .Toy ny rehetra manana kilema sy fahalemena dia ny fahatsiaroana ny heloka natao no zava-dehibe (and21,22) . Matetika rehefa manafina fahotana amin’ny fiainantsika isika dia Andriamanitra mihisy no manokatra ny saintsika hahatsiaro meloka. Koa izay iray alehany , na isika manamafy fo , na isika manetry tena eo anatrehany , miaiky ny fahotantsika sy hanapa-kevitra hanao marina amin’izany Jesoa Kristy dia miantso anio . Tsarovy ny heloka izay natao tamin’ny rahalahinao . Aoka ho amin’ny fatahorana fa tsy amin’ny fireharehana no amelana ny helok’izay manana alahelo aminao .

Fanontaniana :

Manaiky marina tokoa ny heloka vitanao ve ianao sa noho ny henatra olona ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV