Hafatra Paska 2020
FIANGONAN’I JESOA KRISTY ETO MADAGASIKARA

Ry havana,
Ny Biraon’ny Mpiandraikitra Foibe, izay nanatanteraka ny fivoriany, dia mindrana ny Tenin’ny Soratra Masina hoe : « Mamangy ny fiangonana… izay ao amin’Andriamanitra Ray sy I Jesoa Kristy Tompo : ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana. Misaotra an’Andriamanitra mandrakariva izahay ny aminareo rehetra ka manonona anareo amin’ny fivavahanay, sady tsy mitsahatra mahatsiaro ny asanareo amin’ny finoana sy ny fikelezanareo aina amin’ny fitiavana ary ny faharetanareo amin’ny fanantenana an’I Kristy Tompontsika eo imason’Andriamanitra Raintsika » (1Tes 1.1-3)
Misaotra an’Andriamanitra lehibe isika, ry havana, fa noho ny famindram-pony, dia nomeny tombon’androm-pahavelomana, ka mahatratra izao fotoan-tsarobidy loatra eo amin’ny tantaran’ny Fiangonana sy ny famonjena izao, dia ny vaninandron’ny Paska, nandresen’I Jesoa Kristy ny fahafatesana.
Mandalo fotoan-tsarotra tokoa izao tontolo izao ankehitriny noho ny fielezan’ilay tsimokaretina « coronavirus », ary misedra izany koa ny firenentsika. Eo anatrehan’izany indrindra, sy manoloana ny Paska fandresena, no itondran’ny Mpiandraikitra Foibe, izao hafatra izao.
- Mankahery antsika vahoakan’Andriamanitra sy ny isan-tsokajiny rehetra, hatoky tanteraka an’Andriamanitra, araka ny Teny izay efa nambaran’I Jesoa Kristy hoe : « Aty amin’izao tontolo izao no hahitanareo fahoriana, nefa matokia; Izaho efa naharesy izao tontolo izao » (Jaona 16:33)
- Miantso antsika hombom-po hatrany amin’ny vavaka fibebahana sy fangatahana, mba horaisin’Andriamanitra ny fiverenana ao Aminy, ho fanasitranany an’izao tontolo izao sy ny firenentsika. Araka ny Tenin’ny Soratra Masina hoe : « Ka dia neken’i Jehovah ny fifonana natao ho an’ny tany, ka nitsahatra tsy namely ny Israely intsony ilay areti-mandringana » (2 Samoela 24:25b)
- Mampahatsiahy antsika, fa tsy mahasakana ny Fitoriantsika ny Filazantsaran’ny famonjena, vitan’I Jesoa Kristy teo ambony hazofijaliana, ny trangan-javatra iainantsika ankehitriny. Araka ny voalazan’ny Tenin’Andriamanitra hoe : « Mitoria ny teny, mazotoa, na amin’ny fotoana, na tsy amin’ny fotoana » (2 Timoty 4:2)
- Mampahafantatra antsika, fa ho fiainana izany, dia hisy ny fanompoam-pivavahana, izay hiombonantsika mpino FJKM rehetra ny fanarahana azy, ao amin’ny fahitalavitra sy radio samihafa, ny Alahadin’ny Paska 12 avrily 2020, araka izao : Facebook FTV amin’ny 6 ora maraina, Fahitalavitra sy radio RTA amin’ny 7 ora maraina, Fahitalavitra MBS sy MaTV ary ny Radio Fahazavana samy amin’ny 9 ora maraina.
- Azontsika atao tsara ny manangona ny rakitra isam-pianakaviana, amin’ny fotoam-bavaka izay hataontsika, ka rehefa tonga ny fotoana hisokafan’ny Fiangonana, dia harotsatsika izany. Araka ny voasoratra hoe : « Ary Andriamanitra mahay mampitombo ny fahasoavana rehetra aminareo, mba hanananareo ny onony rehetra mandrakariva amin’ny zavatra rehetra, ka hitombo amin’ny asa tsara rehetra » (2 Korintianina 9:8)
- Isika FJKM, dia tsy manao fampandraisana ny Fanasan’ny Tompo an-trano, ampitain-davitra.
- Noho ny fahasahiranana iainan’ny maro, dia antsoina sy entanina isika Fiangonana, hanao asa fanasoavana ho fitsinjovana ireo sahirana. Nefa koa hojerena manokana ny fiahiana ireo mpiasam-piangonana, manao asa fanompoana eo anivony. Araka ny voasoratra hoe : « Ary aza mba ketraka amin’ny fanaovan-tsoa isika, fa amin’ny fotoan’andro no hijinjantsika, raha tsy reraka isika » (Galatiana 6:9)
- Mampirisika antsika Fiangonana handray andraikitra eny anivon’ny fiarahamonina, ho fiaraha-mientana, mba handresena izao valanaretina izao. Araka ny teny nambaran’I Jesoa hoe : « Ianareo no fanasin’ny tany… Ianareo no fahazavan’izao tontolo izao. » (Matio 5:13)
Mametraka ny veloma finaritra ary mirary soa araka ny tsodrano manao hoe : « Ary Andriamanitry ny fiadanana, Izay nitondra an’I Jesoa Tompontsika, Mpiandry ondry Lehibe, hiala amin’ny maty, mitondra ny ran’ny fanekena mandrakizay; Izy anie hahatanteraka anareo amin’ny asa tsara rehetra hanao ny sitrapony ka hiasa ao anatinareo izay ankasitrahana eo imasony amin’ny alàlan’I Jesoa Kristy » (Hebreo 13:21-21)
Antananarivo, 10 Avrily 2020
Ny Filohan’ny FJKM
Dr IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA Ammi, Mpitandrina.