Alarobia 08 Aprily 2020.

2 KORINTIANA 5.12-15

Vavolombelona azo antoka

Teo amin’ny fanompoana nataon’i Paoly dia ambarany eto fa tsy manana zavatra afenina izy.

1-Vavolombelona mijoro ho modely (and12-13)

Tsy hoe: »tsy midera tena izahay » .Fa mikatsaka kosa ny hanome izay antony tokony hirehetan’ny korintiana noho ny aminy sy izay rehetra ataony .Fa izay nataony na manao ahoana na manao ahoana dia hijoroany maha-Apostoly . Zava-dehibe ho an’izay olona tarihantsika ho ao amin’ny Tompo ,araka izany ny fijoroantsika ho tena mpanompon’i Kristy (vakio 5.16) .

2-Vavolombelona teren’ny fitiavan’i Kristy (and14-15)

Mazava ny fanambarana miezinezina ataon’i Paoly eto : « ny fitiavan’i Kristy no manery anay » .Azo ambara fa sady fitiavana avy amin’i Kristy io no fitiavan’ny Apostoly an’i Kristy . Io fitiavana io dia miseho tamin’ny nahafatesan’i Kristy ho an’ny mpino rehetra satria tsy maintsy ao amin’i Kristy ny rehetra na amin’ny fiainana na aminn’y fahafatesana (vakio Rom 6.1;Gal 2.19) . Aza avela hisy zavatra hibaiko antsika afa-tsy ny fitiavan’i Kristy izay namonjy antsika ka na dia tokony ho faty aza isika dia novelominy (vakio Rom 5.8).

Fanontaniana:

Afaka manantena anao ho vavolombelony ve ny Tompo ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2025

Jolay: OLOMBOAANTSO NY MPINO

| | 20. Ala. V man. Trinite - S. Fivondronana Laika
Amo. 7. 10-15 | Mar. 10. 46-52 | Gal. 1. 11-17

| | 27. Ala. VI man. Trinite - TPM sy IFRP
Jer. 1. 4-10 | Mar. 3. 13-19 | Rom. 1. 1-7

Aogositra: MIFAMPAHERY NY MPINO

| | 03. Ala. VII man. Trinite
2 Sam. 10. 9-14 | Jao. 14. 1-7 | Efe. 6. 10-13

| | 10. Ala. VIII man. Trinite - KFTM
Dan. 10. 18-11.1 | Lio. 22. 24-34 | Jak. 5. 7-11

FJKM Fahazavana

ANDRIAMAMPIANINA Zaka, Mpitandrina