Alakamisy 30 Aprily 20202.

2 KORINTIANA 4.14-18

Mandrosoa ho amin’ny lalina

1-Amin’ny fihavaozana

« Havaozina isanandro kosa ny toetray anatiny » (and16) . Ny toetra ivelany dia maneho ny vata-tenan’ny olona izay nisedra toe-javatra maro ny toe-po, toe-tsaina , toe-panahy izay afaka mandray fanavaozana sy fihavaozana araka ny fiasan’ny Fanahy Masina . Ny olona mandeha araka ny vokatry ny Fanahy dia tsy mora ketraka aminn’y seho sy ny tranga hita maso andavanandro fa ireny aza no manosika azy hiroso hatrany amin’ny fikolokoloana ny fiainam-panompoany .

2-Amin’ny faharetana

« fa ny fahorianay maivana , izay vetivety foana… » . Niharan-javatra maro i Paoly Apostoly nandritra ny fanompoany .Tao ny kapoka , sambo vaky, ny loza tamin’ny jiolahy , ny loza tamin’ny ranomasina , hanoanana (2 Kor 11.23-29) , ny latsa sy ireo fanenjahana izay tsy maintsy hatrehany … Fa amin’i Paoly dia maivana ireny . Maivana satria teo hatrany Kristy Jesoa .

3-Amin’ny fanantenana

« Dia maika miasa fatratra indrindra ka mahatanteraka voninahitra mavesatra maharitra mandrakizay ho anay » (and17). Fantatr’i Paoly fa tsy foana tsy akory ny fikelezana aina amin’ny fanompoana .Ireny aza no hahafahany misitraka ny ampahany bitika ny hazo fijalian’i Kristy . Ny olona manana fanantenana dia efa mahazo sary an-tsaina sahady ny fahombiazany ampitso.

Fanontaniana:

Mahatanty lazonady ve ny mpino kristiana amin’ny ankapobeny ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alarobia 29 Aprily 20202.

DANIELA 4.31-34

Velona mandrakizay ny Tompo

1-Ny fahefan’olombelona dia misy fetrany ihany

Maro ireo mpitondra sy mpanjaka malaza tamin’ny fahefany sy ny voninahiny .Isan’izany i Nebokadnezara : na dia teo aza ny fahambonian’i Nebokadnezara dia nampahafantarin’ Andriamanitra tamin’ny alalan’i Daniela fa azon’ny Tompo hatao ny maka ny fahefana eo am-pelatànany ary mamerina aminy indray izany fahefany izany . Midika izany fa na dia ny mpitondra heverina fa mpanao didy jadona toy inona aza dia eo am-pelatànan’ Andriamanitra ny fahefany sy ny fanjakany .Tokony hijery lavidavitra izany izay nomena andraikitra hitondra sy hitarika fa tsy ho variana hanapatra fahefana .Ny sasany aza ny lalàna napetrany hamoretana ny manohitra azy no nifototra taminy rehefa tsy eto amin’ny toerany intsony izy. Tsarovy fa tsy tombotsoa fa andraikitra ny fahefana ampindramina antsika mpitarika.

2-Ny fanapahany dia fanapahana mandrakizay

Tsy mba toy izany kosa ny fahefan’ny Tompontsika . Voasoratra hoe: »Ary ny fanjakany hahatratra ny taranaka fara mandimby  » .miova izao rehetra izao , ry tsy miova ô , momba anay . Andriamanitra Tompon’ny tantara ny Tompontsika . Mijery lavitra Izy ka ny toromarika omeny antsika dia tsy vonjy tavanandro .Tsy mijanona amin’izay mahasoa anio ihany fa mikatsaka ny mahasoa ho an’ny taranaka mandimby ary ho fiainana maharitra mandrakizay .Toy izany koa ny tsodrano omeny dia mipaka hatramin’ny taranaka mifandimby .

Fanontaniana :

Inona avy ireo endrika fanararaotam-pahefana tokony tsy ho hita eo amin’ny kristiana mpitarika ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Talata 28 Aprily 2020.

JAONA 21.20-25

Sahia mandini-tena

1-Aza variana mamisavisa ny fiainan’ny hafa

Amin’ny lafiny iray dia rariny raha sosotra ny mpianatra amin ‘ny fisian’ny mpianatra namany izay hamadika ny Tompo . Nanitikitika azy ireo ny hiafaran’ny fiainan’izany mpamadika izany , saingy tsy nahazo valiteny araka ny noeritreretiny tamin’i Jesoa izy ireo .Tsara kokoa raha izay momba antsika sy ny fanompoantsika no hametrahantsika fanontaniana .Aza lany andro manadihady ho an’ny hafa . Jesoa jerena fa tsy ny olona.

2-Tandremo ny mitelin-kafatra , na manita-dresaka

Misy andianteny ninian’ny mpanita-dresaka natelina ka nanova ny hevitra fototra tiana ambara .Samy hafa mihitsy ny hoe: ‘hitoetra izy mandra-piaviko  » sy ny hoe: »raha tiako hitoetra izy mandra-piaviko « .Hafa ny hevitry ny hoe: « hitako izy » sy ny hoe »raha hitako izy« . Aza atelina ny teny tokony tsy atelina ary aza hitarina ny resaka tokony tsy hiitatra .Mazava ny tenin’i Jesoa : « Raha tiako hitoetra izy mandra-piaviko , ahoanao izany ? » Masi-mandidy amin’ny fandaharany ny Tompo

3-Mijoroa ho vavolombelona marina

Manana adidy hilaza ny marina , ary ny marina irery ihany ny vavolombelona . Sahy mijoro izy , na dia maningotra ny tenany aza ny filazana ny zava-misy .Aina no fetra ka tsy mataho-masomena.Rariny ve ny fahenoana mpilaza vaovao mahafaly izay rehefa hanontaniana ny vaovao milaza fa tsy misy ? Sahia manambara ny fitiavan’i Kristy .Aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompontsika.

Fanontaniana:

Inona no azonao ambara momba an’i Jesoa amin’ny maha-vavolombelona anao?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alatsinainy 27 Aprily 2020.

EFESIANA 2.1-10

Velona miaraka amin’i Kristy isika

1-Matin’ny fahadisoana sy ny fahotana isika fahiny

« Ary ianareo dia efa novelomina , fony mbola matin’ny fahadisoana sy ny fahotana izay nataonareo fahiny  » (and1) . Ny fiainantsika rehetra talohan’ny nanolorantsika tena ho an’i Kristy dia fiainana nandeha an-jambany . Maro ireo nandeha araka ny filan’ny nofony sy ny sainy fotsiny . Nanaraka ny fomban’izao tontolo izao , nandray volon-tany toy ny trandraka an-tanimena.Mazava ny voasoratra : »Fahafatesana no tambin’ny ota » (Rom 6.23).

2-Niara-natsangany isika

« Ary niara-natsangany isika ka niara-napetrany any an-danitra ao amin’i Kristy Jesoa » (and6).Mandray andraikitra ho antsika ny Tompo . Mamonjy amin’ny tànam-pahasoavany Izy. Mora fo sady manakarem-pahasoavana Izy. Natolony ny tenany ho avotra noho ny fahotantsika .Dieny ankehitriny dia efa manangana antsika Izy araka ny fahasoavany .Tsy ny herintsika na avy amin’ny ezaka nataontsika no namonjeny antsika fa fanomezana maimaimpoana avy Aminy (and8).

3-Voaforona ao amin’i Kristy hanao asa tsara isika

Afaka madiodio àry isika izao . Tsy hoe: marina fa nohamarinina . Sanatria amintsika ny hiverina amin’ny fanao mahazatra fahiny fa: « Ny amboa no miverina indray amin’ny loany » (Oha 26.11), ary ny kisoavavy efa nisasa dia mihosim-potaka » (2 Pet 2.22) .Ampy izay ny andro lasa fa andeha hidera ny Tompontsika amin’ny fanaovana asa tsara isika .

Fanontaniana:

Inona avy ireo karazana asa tsara azontsika hatao ho fanomezam-boninahitra ny Tompontsika ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM