FJKM/ facing the Coronavirus

THE FJKM CHURCH FACING THE CORONAVIRUS AND ITS MEANS OF COMMUNICATION:

WE ARE USING EVERY AVAILABLE MEANS

Together with the Malagasy Government, the FJKM Church encourages everybody to stay at home and to respect all given instructions at this sensitive period.

Apart from praying at the Radio of the FJKM: the Radio Fahazavana (which is open if anyone would like to pray there as well), the President of the FJKM sends challenging message at his Facebook page. Here is one of them:

« Today, I choose to deny sin and to renounce all of them. Even committing them might have been a source of pleasure and benefit for me; I decide to renounce them with no more turning back, because of God’s power! »

FFKM or (literally) the Unification of the Christian Church in Madagascar has an ecumenical Service published on TV and radio stations every Sunday morning. Being one of its members, FJKM is very much involved.  

Praise God! Radio Fahazavana is finally on again last week after a serious technical problem. Thank you all for your prayer and for your great help! We do appreciate it!!!

Reduced number of its workers are now ensuring the minimum service since the lockdown and  make sure that the audience are encouraged during  this hard time; especially the believers, that they may strengthen their faith. Information and instructions are given as often as possible just as the other Radio  and TV  Station do; special prayer against the Coronavirus and for the people take place every hour .

Please note that everything on Radio Fahazavana is on Worldwide -Radio Fahazavana (www.radio-fahazavana.org) .  

Facebook is now one of the effective ways to communicate. Therefore, the Face book page of the FJKM Communication (Seraseram-pifandraisana FJKM) is also used for information, encouragement, and for mutual advises. Without forgetting the Word of God.

FJKM – Website Team

Talata 31 Martsa 2020.

2 TANTARA 30.1-9

Ny fanehoana ny fiverenana amin’ Andriamanitra

Misy fandaharam-potoana hitandrina ny Paska eto araka ny voalaza eo amin’ny and 3 hoe:: »tsy mbola nahatandrina azy tamin’izany andro izany izy » ary koa ny and 5: » ary ny be sy maro tsy mba nitandrina azy araka ny voasoratra » . Mila fiomanana araka izany ny fitandremana ny Paska dia ny fanolorantena indray ho an’Andriamanitra ary misy voambolana ilazany izany eto hoe: « miverina ho amin’ny Tompo »

1-Misy asa, hetsika atao

Ambara eto fa tsy tokony hanaraka izay làlan-dratsy nalehan’ny teo aloha ny olona raha miverina ho amin’ny Tompo marina . Ny zava-misy mantsy dia nandà Azy ny olona ka lasa nanaraka tompo hafa ivavahana sy iankohofana ary na dia efa notenenina tamin’izany aza dia tsy niraharaha , fa nifidy hisaraka amin’ny Tompo hatrany , kanjo lasa babo.Eto àry dia taominy ny olona mba tsy hanamafy ny fony tahaka izany fa hanome lanja ny fitoera-masin’ny Tompo ka hivonona hanompo Azy amin’ny fo rehetra sy fotoana rehetra ary amin’izay atao rehetra.

2-Hahazoana vokatsoa izany

Tsy vitan’ny hoe: fitaomana ny olona mba hiverina amin’ny Tompo ihany no asongadina eto fa haseho mihitsy hoe: tena misy vokatsoa lehibe ny fanatanterahan’ny olona izany . Raha hiverina ho amin’ny Tompo mantsy ny olona dia hahazo famindrmpo hatramin’ireo rehetra lasa babo mba hody any amin’ny taniny ndray .

Fanontaniana :

Misy vokatsoa ho an’ny oloa ve ny fiverenana amin’nyTompo ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alatsinainy 30 Martsa 2020

ASAN’NY APOSTOLY  15.13-21

1-Ho an’ny rehetra ny fiverenana amin’ Andriamanitra

Misy  faniriana avy  amin’ny firenena hafa eto mba ho isan’ny fiangonan’ Andriamanitra , satria efa mino  sy mandray ny fampianaran’ny Filazantsara.Toa hasarotin’ny sasany  anefa izany  fidirana ho isan’ny fiangonana  izany  satria terena  hoforana izy ireo  ary tsy maintsy manaraka  ny lalàn’I Mosesy ara-bakiteny koa (and5) .Raha  tsy izany  dia tsy azo ekena , hoy izy ireo .Tsy mitovy hevitra  anefa  ny rehetra  , satria tsy tokony  hohasarotina  ny fidirana  ho isan’ny fiangonana (and19). Tsy  manavaka izay tena  mitady  Azy mantsy   Andriamanitra  ary miandry  sy mandray  ny olona rehetra te-hiverina  Aminy indrindra koa .

2-Tsara ny hanoratana Epistily  ho amin’izany

Eo  amin’ny and 20 dia misy  filazana hoe: “aoka hanoratra  Epistily  aminy isika”.Taratasy  nosoratan’olona ho amin’olon-kafa  no  hevitry  ny hoe: Epistily ,ary tonga  nilazana ireo  taratasy  nosoratan’ny Apostoly  ho an’ny fiangonana  nampianariny  na ho an’ny mpianany tsirairay izany .Maro ny tombotsoa raketin’nyEpistily :

-azo ambara  ao  avokoa  ny zavatra tiana hampitaina rehetra ( eto izao  dia misy  hoe: filazana ny fifadiana  , sehatry ny fanompoantsampy  sy ny fijangajangana rehetra.

-tsy  voatery hifamotoana  mandrakariva

Ny mpampianatra  sy ny  mpianatra  nefa azo  ampiasaina amin’ny fotoana rehetra ny Epistily  mba handinihan-tena ka hiverenana amin’ny Tompo .

Zava-dehibe ilay hoe : ny soratra  mitoetra fa ny teny manidina .

Fanontaniana:

Olona voatokana ihany ve no antsoina hiverina amin’ny Tompo ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alahady 29 Martsa 2020.

MARKA 1.14-15

Ny Filazantsaran’Andriamanitra

Ny Filazantsara na lazaina koa hoe: « vaovao mahafaly » dia entina ilazana zavatra roa samy hafa nefa mifameno ihany :

-nanondroana ireo boky efatra izay nanangonana ny tenin’i Jesoa sy ny asany rehetra tety an-tany , ny nampijaliana azy sy ny namonoana Azy ary indrindra ny nitsanganany tamin’ny maty .

-nilazana ny hafatra nentin’i Jesoa Kristy mivantana izany (Mar 1.14) na ny hafatra nataon’ny hafa momba an’i Jesoa Kristy koa(Mar 1.1) . Koa ny Filazantsara dia toriana satria :

1-Milaza fa efa antomotra ny fotoana

Voalaza eto hoe: « efa tonga ny fotoana , efa akaiky ny fanjakan’Andriamanitra » .Raha ny marina dia efa ao anatin’ny « andro farany » mihitsy isika izao , izany hoe: efa ao anatin’ny vanim-potoana tokony hiheveran-tena ho olon’ Andriamanitra indray fa tsy ho very fotoana hanjehy ny andro ho lava fotsiny. Ampahafantarina àry isika fa efa antomotra ny fotoana sao tonga amin’ny fiteny hoe: atoandro faka ronono ka ilaozan’ny omby miahaka.

2-Mandidy ny olona hibebaka

Ilay hoe: mihevi-tena ho an’Andriamanitra dia miverina amin’ Andriamanitra indrindra no takiana amin’ny olona amin’izany ka tanterahina amin’ny alalan’ny fibebahana izany . Amin’ny teny hafa , ny hoe: mibebaka dia manomboka hatrany amin’ny fiaikena amin’ny faharatsian’ny tena aloha avy eo mitondra izany faharatsiana izany ho eo amin’i Jesoa Kristy mba hohomboany sy holevoniny izany ary manaiky hohavaoziny kosa indray ary dia miaina sy mivelona amin’ny Filazantsara .

Fanontaniana:

Manaiky ve ianao fa antomotra ny farany?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

toriteny

https://www.facebook.com/fjkmtv/videos/1032391093823261/

Sabotsy 28 Martsa 2020.

OHABOLANA 1.20-23

Ny fananarana ny olona

Toe-javatra mifanerasera amin’ny olona mandrakariva ary natao ho an’ny olona indrindra ny fananarana .Zavatra nataon’ny mpanabe ho an’ny beazina izany , fa izay tena hisehoany dia avy amin’ny ray amandreny ho an’ny zanaka .Raha ny marina izany dia olona no tena hisehoan’izany fananarana izany .Eto anefa dia misy endrika miavaka hanehoana izany fananarana izany amin’ny alalan’ny fahendrena satria :

1-Omena endrika olona ny fahendrena

Mariho tsara fa lazaina hoe: manao ireto asa ireto ny fahendrena : »miantso afy , manandratra ny feony , mitory ao amin’izay fivorian’ny maro be« .Raha ny marina dia olona no manao izany asa na hetsika izany .Eto anefa dia ny fahendrena no lazaina fa manao izany .Tena fomba fiasan’Andriamanitra mihitsy ny mampiasa endrika olona tahaka izany mba hanatonany ny olona ary hilazana fa tena akaiky ny olona ary mihevitra ny olona tokoa Andriamanitra .Ampiasaina koa izany fanomezana endrika olona ny fahendrena izany mba hilazana amin’ny olona resahana ny anarina rehetra hoe: fantany ny zavatra ampitana aminy ka tsy ho afa- miala izy amin’izany ary tsy ho fanamaivanana izany koa izy.

2-Antsoiny hiverina amin’Andriamanitra ny olona

Ny endriky ny fiverenana amin’ Andriamanitra dia ny fialàna amin’ny faharatsiana ary izany no iantsoantsoan’ny fahendrena mafy ny olona mba tsy andevozin’ny fahotana sy ny faharatsiana hatrany fa hanana fiainana ao amin’ny Tompo .

Fanontaniana :

Ambara eto fa miantso ny fahendrena .Iza no antsoiny ary iza no afaka hamaly izany antsony izany ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Fédération Protestante de France

Monsieur le Président,
Monsieur le Pasteur,
Cher frère en Christ,

Nous sommes aujourd’hui confrontés à une crise liée à la pandémie du Covid-19 qui touche le monde entier. Dans ce contexte d’une mondialisation de la menace et des deuils à affronter aujourd’hui et demain, je voulais vous proposer de vivre la mondialisation de la fraternité chrétienne et vous adresser mes meilleurs messages en Christ.
Dans l’épreuve que nous traversons aujourd’hui, je tiens à vous assurer du soutien et de la solidarité de la Fédération protestante de France. Cette situation dramatique nous conduit tous à mettre en œuvre les ressources et les moyens dont nous disposons dans nos lieux de confinement et sur le terrain pour ceux qui le peuvent, pour faire face à cette pandémie et à ses conséquences dramatiques.
Depuis la France, nous vous adressons ainsi qu’à l’ensemble de votre Conseil nos messages de fraternité dans la communion en Christ et formons le vœu qu’après cette épreuve et à travers elle, notre communion soit renforcée.

François Clavairol

Zoma 27 Martsa 2020.

2 TIMOTY 2.22-26

Torohevitra ho an’ny mpanompon’Andriamanitra

Taratasy nosoratan’i Paoly ho an’i Timoty ity mba hanomanany azy ho amin’ny asa fitarihana sy fitondrana ny fiangonana . Lehibe sy midadasika mantsy ny asa ka tsy vitan’i Paoly irery fa tsy maintsy mila namana hanatanteraka izany izy . Isan’ny voafidy ho amin’izany i Timoty . Koa satria mbola tena tanora izy dia manomana azy hitarika amim-pahamendehana hanatanteraka izany i Paoly .Tsy vita mora ary tsy mandeha ho azy velively akory izany asa fanompoana izany .

1-Mandosira ny filan’ny tanora fanahy

Misy toetra takin’i Paoly hananana eto mba hampahomby ny asa fitoriana :tsy maintsy tadiavina ny hisian’ny fahamarinana , ampiorenina ny finoana , ampanjakaina ny fitiavana sy ny fihavanana ary atao amin’ny fo madio izany rehetra izany fa tsy mila fihatsarambelatsihy .Amin’ny maha-tanora mantsy dia azo heverina fa raha entanin-kafanampo fotsiny eo dia mety heverina hanaotao foana ka hanimba ny asa sy ny fiangonana mihitsy amin’ny farany .

2-Malemy fanahy amin’ny olona rehetra

Toe-javatra mety hisy ny tsy fitovian-kevitra eo amin’ny tontolon’ny Fiangonana ary raha tsy voatandrina anefa dia hitarika fikorontanana mahatsiravina izany satria lasa miady ny olona .Ampitandremana eo anatrehan’izany ny mpitarika mba halemy fanahy amin’ny rehetra , hahay mampianatra , hahalefitra .Raha tsy izany mantsy no hanirahan’ny Tompo azy .

Fanontaniana:

Inona avy no andrasan’ny Tompo Andriamanitra amin’ny mpanompony izay hirahiny hanao ny asa fanompoana Azy?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM