Alakamisy 13 Febroary 2020.

LIOKA 11.27-28

Ny Tenin’ Andriamanitra eo amin’ny mpino

Rehefa nahita ny asa lehibe nataon’i Jesoa ity vehivavy ity dia resy lahatra ka nilaza fa sambatra i Maria reniny .Mitaona handray ny tena fahasambarana noho izany i Jesoa.

1-Tenin’ Andriamanitra hitondrana ny fiainana

Nitaona ilay vehivavy ho amin’ny fandraisana sy fiainana ny Tenin’ Andriamanitra i Jesoa . Anjaran’ny olona mino ny asa nasehon’ Andriamanitra teo amin’ny fiainan’i Jesoa ny mino ka mandray ny teniny .Tsy ampy mantsy ny hoe : manana fifandraisana Aminy amin’ny maha- reny niteraka sy zanaka fa ny zava-dehibe indrindra dia ny fanekena hihaino ny Tenin’ Andriamanitra ary mifamatotra amin’izany ny fampiharana ny Teny nohenoina hitondrana ny fiainana.

2-Tenin’Andriamanitra handraisana fahasambarana

Rehefa mandray marina ny Tenin’Andriamanitra ny mpino .Manorina fifandraisana vaovao amin’ny fihainoana sy fankatoavana ny Teniny dia misy vokatsoa raisina avy amin’izany : fiainam-pahasambarana .Tsarovy fa mitondra anao amin’ny tena fiainana feno fahasambarana ny fanekena hifandray marina amin’i Jesoa tsy amin’ny endrika hita maso fa amin’ny fiainana ara-panahy dia ianao manana ny teniny ka miaina araka ny fiainan’ny zanak’ Andriamanitra . Meteza ianao hanokana fotoana hihainoana ny Tenin’Andriamanitra . Ampiharo eo amin’ny fiainanao izany dia ho sambatra ianao.

Fanontaniana:

Inona no tokony hataonao mba hanananao fiainam-pahasambarana?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2025

Aogositra: MIFAMPAHERY NY MPINO

| | 17. Ala. IX man. Trinite - Aumônerie Nationale
1 Mpa. 17. 10-16 | Lio. 5. 17-26 | Asa 15. 22-29

| | 24. Ala. X man. Trinite - AKAFITA
Sal. 31. 19-24 | Jao. 14. 18-24 | 1 Kor. 16. 5-14

| | 31. Ala. XI man. Trinite
2 Tan. 19. 8-11 | Mat. 18. 15-20 | 1 Tes. 5. 12-15

Septambra: VELON'NY FINOANA NY MPINO

| | 07. Ala. XII man. Trinite
Gen. 15. 1-6 | Jao. 9. 35-41 | Rom. 4. 1-12

FJKM Fahazavana

ANDRIAMAMPIANINA Zaka, Mpitandrina