Talata 14 Janoary 2020.

ISAIA 41.8-13

Manome toky ny olom-boafidiny ny Tompo

Amin’izao fampaherezana ny vahoakan’Israely izao dia ireto teny roa samy mavesa-danja no horaisintsika :

1-Aza matahotra ( and10a)

Averimberin’ny Tompo ny teny hoe: « Aza matahotra » satria fantany ny toe-pon’olombelona rehefa miatrika fahavalo izay heverina fa mahery noho ny tena .Mpanompo maro no efa nomen’ny Tompo io teny fanomezan-toky io. Nampiasain’i Jesoa matetika ihany koa ny teny hoe: Aza matahotra mba ho fanomezan-toky ho an’izay rehetra manana olana . Tian’ Andriamanitra haseho eto fa tsy mamela ny mpanompony ho irery Izy fa miara-dàlana aminy . »…momba anao Aho« ,hoy ny teniny. Aoka izay ny tahotra , satria i Jesoa dia efa nampanantena hoe: « Indro , Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongavan’ny fahataperan’izao tontolo izao  » (Mat 28.20).

2-Aza miherikerika foana (and10b)

Ny miherikerika eto dia midika koa hoe: « mitebiteby » « manahy , tsy mitombina eritreritra. Ny olona tsy manana fahatokiana an’ Andriamanitra no manao toy izany . Mitaona ny Israely ny Tompo mba tsy hitady famonjena sy fiarovan-tena amin-javatra hafa intsony , fa hibanjina Azy Tompo , na dia eo aza ny fahavalo. Hoy ny teniny :« Izaho no Andriamanitrao, mampahery anao Aho sady mamonjy anao, eny mitantana anao amin’ny tànana ankavanan’ny fahamarinako Aho » . Manoloana ny olana sy ny ady sarotra dia aoka isika tsy hiherikerika foana fa hain’i Jesoa Kristy ny mampandresy antsika .

Fanontaniana:

Marina ve fa Andriamanitra tsy manampy izay tsy manampy ny tenany?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV