Sabotsy 31 Aogositra 2019.

Fandalinana ny Boky 1 KORINTIANA

1 Korintiana 15.12-34

Tena mino ve ianao ary mahazo antoka fa hitsangana amin’ny maty ? E! indrisy , fa feno fisalasalana ny maro ankehitriny , eny fa na dia ireo tamin’ny andron’ i Paoly aza. Ambaran’ny Soratra masina aminao anio fa tsy maintsy hatsangana amin’ny maty ianao izay tena mino marina satria :

1-Efa natsangana tamin’ny maty i Kristy

« Fa raha tsy misy fitsanganan’ny maty , na dia i Kristy aza dia tsy natsangana « (15.13,20.23) . Koa satria mino isika noho ny fanambarana fa natsangana izy dia toy izany koa no hananganana antsika ao aminy ; izany no porofo lehibe mbola mahavelona ny finoantsika sy fitorianteny mandaka ankehitriny (jereo and14,17). Aoreno tsara ao amin’i Kristy irery ny finoanao dia ho velona mandrakizay ianao.

2-Kristy no Tompon’ny fanapahana , ny fanjakana, ny fahefana, ny hery rehetra

Tsarovy fa tsy misy mahatohitra na maharesy Ilay Kristy manankery feno ao anatinao. « Fa tsy maintsy manjaka Izy , mandra-panaony ny fahavalonyt rehetra ho eo ambanin’ny tongony » (Sal 110.1) (and25). Ny fahefan’i Kristy no manangana anao amin’ny maty (and26,27,28).

3-Mino sy mitory marina ny Filazantsara

Ny finoana sy ny fitoriana ny Filazantsara no fototra azo antoka hananana fanantenana ny amin’ny fitsanganana amin’ny maty (15.12,30-34) . « Hoy i Jesoa taminy : Izaho no fananganana ny maty sy fiainana . Izay mino Ahy na dia maty aza dia ho velona indray« (Jao 11.25) (vakio Rom 8.10/ 1 Kor 9.16).

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-8

Zoma 30 Aogositra 2019.

Fandalinana ny Boky 1 KORINTIANA

1 Korintiana 15.1-11

Fijoroana ho vavolombelona lehibe no ataon’i Paoly eto.Rehefa mijoro ho vavolombelona isika dia:

1-Ny tena Filazantsara marina tokoa

Hoy i Paoly : »Fa natolotro anareo ho isan’ny zavatra voalohany indrindra ilay noraisiko , dia izao : Kristy maty noho ny fahotantsika araka ny Soratra masina , dia nalevina ary natsangana tamin’ny andro fahatelo araka ny Soratra masina » (15.3,4) .Tadidio mandrakariva fa ny fototry ny Filazantsara toriantsika dia izao ihany : maty i Kristy noho ny fahotantsika fa natsangan’ Andriamanitra tamin’ny andro fahatelo ho fandresena lehibe ho antsika .

2-Aza mirehareha na manambara tena ho lehibe

Hoy i Paoly eto hoe: « Fa Izaho dia ambany indrindra amin’ny Apostoly ka tsy miendrika hatao hoe : Apostoly , satria efa nanenjika ny fiangonan’ Andriamanitra aho ». Tsinotsinona isika fa noraisin’ny Tompo ho ao Aminy. « Fa Andriamanitra mampiseho ny fitiavany antsika , fa fony mbola mpanota isika , dia maty hamonjy antsika i Kristy  » (Rom 5.8).

3-Lazao ny amin’ny fahasoavan’ Andriamanitra

« Fa ny fahasoavan’ Andriamanitra no nahatoy izao ahy , ary tsy foana ny fahasoavany ato amiko, fa efa niasa fatratra mihoatra noho izy rehetra aho , nefa tsy izaho fa ny fahasoavan’ Andriamanitra no niara-niasa tamiko » (15.10). Ilay famindrampon’ Andriamanitra ho famonjena antsika no ambara eto , dia ilay fitiavany tsy miova mandrakizay . Tsarovy ny fitiavany anao.

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-8

TOPAZA /75 Taona

Asaina am-pitiavana isika mpianakavin’ny finoana ho tonga hiara-hanomre Voninahitra an’ Andriamanitra noho ny faha- 75 taona niorenan’ny

TOERAMPAMONJENA ZAZA

( TOPAZA / FJKM )

Izany dia hotanterahina ao amin’ny FJKM Tranovato Faravohitra ny Sabotsy 31 Aogositra 2019 , manomboka amin’ny 2ora sy sasany .

Hery lehibe ho an’ireo ankizy tezaina ao sy ny mpanabe rehetra ny fanotronanao sy ny fitrotroanao azy ireo amam-bavaka .

Ireo zaza kamboty sy ny mpitaiza azy

« Araka izay efa nataonareo tamin’ny iray amin’ireto rahalahiko kely indrindra ireto no nataonareo tamiko » Mat 25.40

Ho an’ Andriamanitra irery ny Voninahitra .

Sekoly/ J.Fisotrondronono

FANASANA

« Eny , mitantana anao amin’ny tànana ankavanan’ny fahamarinako Aho » Isa 41.10d . Asaina am-pitiavana isika hiara- hanome Voninahitra an’ Andriamanitra noho ny Jobily fisotron-drononon-

dRamatoa RALINORO Lalaharisoa Voahangy , Mpampianatra.

Izany dia hotanterahina ny Alakamisy 26 Septambra 2019 , amin’ny 9ora sy sasany , ao amin’ny FJKM IFARIHY Famonjena (SP 11) .Hery lehibe ho azy mianakavy ny fanotronanao sy ny fitondrana amam-bavaka ny fotoana.

Ho an’ Andriamanitra irery ny Voninahitra .

Alakamisy 29 Aogositra 2019.

Fandalinana ny Boky 1 Korintiana

1Korintiana 14.20-40

Mbola mitohy hatrany ny fametrahana ny lamina ho fanehoana ny Voninahitr’ Andriamanitra ao am-piangonana.Toromarika eto hoe: »Aoka ny zavatra rehetra ho fampandrosoana » (1Kor 14.26). Rehefa ao am-piangonana hivavaka dia:

1-Mihaino ny Tenin’ Andriamanitra , mivavaka, mampibebaka ny tsy mino

« Ka dia miseho ny zavatra takona ao am-pony , dia hiankohoka izy ka hivavaka amin’ Andriamanitra sady hilaza fa Andriamanitra dia ao aminareo marina tokoa » (1 Kor 14.25). Rehefa ao am-piangonana dia ilaozana ny fifampandaniana fa mihaino ny Tenin’ Andriamanitra ,mivavaka marina , mahatonga ny tsy mino hiaiky ka hivavaka sady hanambara ny fahamarinan’ Andriamanitra tokoa. Ny fanompoam-pivavahana dia mitarika ho amin’ny fibebahana , fa tsy fombafomba fotsiny hanalana andro akory .

2-Manatona ny Tompo amin’ny fahamendrehana sy ny filaminana

« kanefa aoka ny zavatra rehetra hatao amin’ny fahamendrehana sy ny filaminana » (1 Kor 14.40). Tsy toerana fiadian-kevitra, na hitabatabana tahaka ny any an-tsena akory ao am-piangonana fa toerana feno fifanajana , fihainoana tsara izay miteny , fitafiana maontina . Tandrovina tsara ny fahamendrehana sy ny filaminana hanehoana ny Voninahitr’ Andriamanitra. « Fa Andriamanitra tsy tompon’ny fikotranana , fa Tompon’ny fiadanana araka ny fanaon’ny fiangonan’ny olona masina rehetra  » (and33).

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-8

SEFALA/ Fiofan.Mpitoriteny

FIOFANANA ho an’ny MPITORITENY

Ny SEFALA FOIBE FJKM dia faly mampandre sy miantso ireo MPITORITENY rehetra ato anatin’ny sahan’ny FJKM, izay nivoaka avy tao amin’ny SEKOLY FANOMANA LAIKA FJKM ka manana Diplaoma Mpitoriteny na Mpiandry na Katekista . Asaina ireo rehetra ireo mba ho tonga hamonjy ny fanofanana voalohany taorian’ny nahavitanao fianarana no sady hanavaozana indray ny fomba fitorian-teny ato anivon’ny sahan’ny FJKM.

Ny Fiofanana dia hatao ny Alarobia 4 Septambra sy ny Alakamisy 5 Septambra 2019 ho avy izao, izay hotanterahina amin’ny Seha-panofanana miisa sivy (09), izay notsinjaraina toy izao :

Ø  Ny SP 24 no mandray ny SP  03-05-12.

Ø  Ny SP. 04  no mandray  ny SP : 06-07-14- 23-25-33

Ø  Ny SP 19  no mandray ny SP 22-35

Ø  Ny SP 30  no mandray ny SP  09-17-18-20-26

Ø  Ny SP 34  no mandray ny SP 10-13-27-29

Ø  Ny SP 31. no mandray ny SP 02-32 izay atao ny 11-12 Septambra 2019.

Ø  Ny SP 38. no mandray ny SP 01-08-11-15 izay atao ny 03- 04 oktobra 2019

Ø  Ny  SP 21 BEMARAHA dia hatao ny 29-30 Oktobra 2019 ao Maintirano

 Ireto Synodam-Paritany manaraka ireto kosa dia nasiana fandaminana manokana noho ny maha toerana mitokana sady mifanalavitra ny toerana misy ireo kristiana ao aminy dia ny any amin’ny SP MIRAY FARITRA ANTOGIL (28) sy ny SP AVARATRA ANTSINANANA (16) . Koa aoka ny Mpitoriteny amin’ireo faritra ireo mba hanatona ny President Synodal amin’ny toerana izay misy azy avy mba hahalalana ny andinindininy.

Aoka hiomana ny mpizaika fa hisy Boky fiofanana sy Badge sy fanamiana ary lambahoany sy ny hafa ihany koa hamidy amin’io fotoana io.

Marihina fa ny fitaovana na ny zavatra amidy amin’io fotoana io dia tsy maintsy hahazoana alalana avy aty amin’ny FOIBE SEFALA avokoa.

Ny BIRAO SEFALA FOIBE FJKM

Alarobia 28 Aogositra 2019.

Fandalinana ny Boky 1 KORINTIANA

1 Korintiana 14.1-19

« Ary toy izany ihany koa ianareo , raha fatra-paniry ny zava-panahy dia izay hampandroso ny fiangonana no tadiavo indrindra » (1Kor 14.12) . Antso avo ataon’ny Soratra masina amintsika izany . Lesona lehibe atolotra ny mpino eto dia izao :

1-Katsaho izay hampandroso ny hafa

« Izay miteny amin’ny fiteny tsy fantatra dia mampandroso ny tenany , fa izay maminany kosa mampandroso ny fiangonana » (and4 ) . Tsy manao tsinotsinona ny fiteny tsy fantatra akory i Paoly raha milaza hoe: maminany fa ny tena zava-dehibe amin’ny maha- kristiana dia ny fikatsahana izay hampandrosoana ny fiangonan’ Andriamanitra manontolo no kendrena . Tandremo ! Tsy mahazo tia tena ny kristiana . Izay tombom-pahasoavana anananao dia ikatsahana izay hampandrosoana ny hafa. « Aoka tsy hisy olona hitady ny hahasoa ny tenany , fa ny hahasoa ny namany  » (1 Kor 10.24) .

2-Mifameno ho fampandrosoana ny fanahy sy saina

« Ahoana àry no izy ? Sady hivavaka am-panahy aho no hivavaka an-tsaina koa aho , sady hihira am-panahy no hihira an-tsaina koa aho » (1 Kor 14.15) . Ilay FIZIANA ivon’ny maha-olona feno no ambaran’i Paoly eto , entina mivavaka amin’ Andriamanitra ary ho fampandrosoana ny manontolo fa tsy ampahany ihany . »Koa tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra sy ny ainao rehetra ary ny herinao rehetra » (Deo 6.4-5) (Marka 12.30) .

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-8

SFL / Fisaorana

SAMPANA FIVONDRONANA LAIKA

Ny Filoha sy ny Birao SFL, ny Tonia,ny Filohan’ny Komity sy ny Biraon’ny Komitin’ny faha 40 Taona SFL Foibe sy Antananarivo ,dia misaotra an’Andriamanitra noho ny fahavitan’ny fankalazana an’Andriamanitra noho ny faha 40Taonan’ny SFL natao tao amin’ny Kianja Mitafo Mahamasina ny Sabotsy 24 Aogositra 2019 ary nanerana ny VPL efatra teto Antananarivo ny Alahady 25 Aogositra 2019 lasa teo.Ankasitrahana isika rehetra tonga nifanotrona,nifanome tanana nahalavorary izany fotoan-dehibe izany,ankasitrahana ny « FAHAFOIZANA » nataonareo ho amin’ny fanorenana ny Trano Fiangonana any Befasy Morondava SP 36, izay tsangambaton’ny faha 40 Taona, ankasitrahana ihany koa ireo izay tsy afaka noho ny antony maro samihafa, inoanay fa niombom-po taminay ianareo indrindra tamin’ny fitondrana am-bavaka.


Any Manakara indray isika ny 24 ka hatramin’ny 27 Oktobra 2019 hiatrika ny Fihaonambe sy ny Zaikabe SFL .Samia tahian’Andriamanitra. 

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny Voninahitra.

 Tonia SFL

SAMPANA FIVONDRONANA LAIKA (SFL)

Immeuble IFANOMEZANTSOA I Analakely

Rihana faha-5 varavarana 502 

B.P. 623  – Antananarivo 101

BFV N° 00005 210 002 687 51 89 

BFV Antaninarenina

Tel : 034 20 919 84 / 033 61 958 86

e-mail :  sflfjkm@yahoo.com

„Inona no ataonareo mihoatra noho ny sasany.?“

(Mat. 5,47b)

SP 33/ Fivoriambe 2019.

FIVORIAMBE  SP TOLIARA FIHAVAOZANA (SPTOLFI 33)
  Nanatontosa fivoriambe ny Synodamparitany Toliara Fihavaozana ny Alakamisy 01 Aogositra hatramin’ny Alahady 04 Aogositra 2019 lasa teo. Notontosaina tao amin’ny Fitandremana Rasalama Maritiora Fihavaozana Toliara izany fivoriambe izany. Nitarika ny fotoana ny andron’io Alakamisy io ny Prezidà Synodaly ny Mpitandrina RANDRIANARISON Jean Evariste ary Andriamatoa IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA Ammi Mpitandrina Filohan’ny FJKM no nitondra ny Tenin’Andriamanitra izay nitsidika ny SP tamin’io fotoana io. Nalaina tao amin’ny 1 Tim 6, 11-19 ny Soratra Masina notoriana ka notsoahina tamin’izany ireto loha-hevitra ireto :  Asain’Andriamanitra hino isikaAsain’Andriamanitra hiady isikaAsain’Andriamanitra hanao ady tsara isika.
Nampiofana ny Kristiana tonga nivory ny Filohan’ny FJKM ny tolakandron’ny Alakamisy ihany ary namelabelarany ny lohateny hoe : “Hafatra ho amin’ny 50 taona ho avy” ka nisongadina tamin’izany fampiofanana izany ireto hevitra manaraka ireto :
Miorena tsara ;Mitondrà tena tsara ;Manaova asa tsara ; Mifankatiava tsara ;Mitoria tsara. Marihina fa nisy tamin’ireo tonga niofana tamin’io fotoana io ireo Kristiana hafa toy ireo avy amin’ny Fiangonana Loterana Malagasy monina ao Toliara rehefa nandre fa mandalo ao an-toerana ny Mpitandrina Filohan’ny FJKM sady Filohan’ny FFPM rahateo.   
  Natao ny Alakamisy 01 Aogositra 2019 io  ny fanavaozana ny Biraon’ny Sekoly Alahady ao amin’ny Synodam-paritany (SA SP) sy ny Biraon’ny Sampana Fifohazana SP (SAFIF-SP). Ireo Mpitandrina miasa ao amin’ny Synodamparitany no namaranan’Andriamatoa Filohan’ny FJKM ny fihaonana tao amin’ny Fitandremana Rasalama Maritiora Fihavaozana Toliara.  
Nitohy ny Zoma 02 Aogositra 2019 ny fivoriana ka taorian’ny fotoampivavahana maraina izay notarihan’ny Mpitandrina ANDRIANOLANINA Rija . Nisy ireo fampiofanana ka ny Mpitandrina RABEMANANA Tojonirina no nampianatra ny hoe : “Ataon’ny olona ho iza moa I Jesoa ? “ araka ny Mar 8/27-33. Ny Mpitandrina RAZAFINDRANANDRO  Fanova kosa no nampianatra ny hoe : “Ny fandrosoana  amin’ny asa fitoriana ny Filazantsara” araka ny Asa 8/1. Ny tolakandro kosa no nitondran’ny Mpitandrina RANDRIANANTENAINA Thierry ny hoe : “Tanora FJKM mendrika ny Filazantsara”  sy ny hoe “Ny fiomanan’ny mpino kristiana ho amin’ny fanambadiana “ (Mariazy) izay notontosain’ny Mpitandrina RAVAKINIAINA David. Tontosa ny andron’ny Zoma io ny fanavaozana ny Biraon’ny SVM SP, toy izany koa ny fanavaozana ireo Biraon’ny STK SP, ny SLK SP ary ny VFL SP. Nisy ny takariva mahafinaritra ny Zomà alina ka nandray anjara ireo sampana  avy  amin’ireo Fitandremana ao anatin’ny Synodamparitany.  
Ny fotoam-pivavahana ny Sabotsy 03/08/2019 maraina izay notarihah’ny Mpitandrina ANDRIATSITOHAINA Rakotonirina ar dia nofaranana tamin’ny Asa sy Fampaherezana. Nitohy  ny fampiofanana ka ny Mpitandrina ANDRIANANDRASANA  Rado no nampianatra ny: “Andriamanitra sy Kaisara”. Ny Mpitandrina RATOLOJANAHARY Tolotra kosa no namarana ny fampianarana ka nitondrany ny hevitra hoe:”Ny fitoriana ny Filazantsara amin’ny olona mbola mandala ny fomban-drazana Malagasy” Nisy ny fanofanana manokana ho an’ireo Biraon’ny Sampana vaovao ao amin’ny SP sy ireo Biraon’ny Fitandremana. Ny tolakandro dia nisy ny fihaonana ara-panatanjahan-tena. Ankoatra izay nisy koa ny fampirantiana  isankarazany “Stand”nataon’ireo Fitandremana isanisany avy sy ny fifaninanana vakodrazana ary ny takariva mahafinaritra no namarana ny fivoriana io Sabotsy io. 
  Ny Alahady 04/08/2019 no Fanompoam-pivavahana famaranana ny Fivoriambe ka ny Mpitandrina RANDRIAMIANDRISOA  Fanantenana no nitarika ny fotoana ary ny Mpitandrina Prezidà Synodaly no nitondra ny Tenin’Andriamanitra. Nofaranana tamin’ny Fandraisana ny Fanasan’ny Tompo ny Fotoana. Nanatrika izao Fivoriamben’ny SP 33 tany Toliara izao ny ARORIAKA avy aty amin’ny FOIBE FJKM ka nitondra fanazavàna misimisy ny amin’ny Trano Fiantohana ARORIAKA. Nohazavaina koa ny tokony hanaovana ny fiantohana amin’ny loza rehefa ho an’ireo mamonjy fihaonam-be isan-tsokajiny no sady nampahafantatra ny vokatra azo jifaina rehetra ato amin’ny ARORIAKA.

Fanarahana ny Fampianarana nandritra ny Fivoriambe SP 33

Mamy RANDRIAMAMPIANINA  (ARORIAKA)

Talata 27 Aogositra 2019.

Fandalinana ny Boky 1 KORINTIANA

1 Korintiana 13.1-13

Manohy hatrany amin’ny fananarana i Paoly , ary eto amin’ity Perikopa ity no hanomezany ny tena vontoatin-kafatra na ny tanjona sy ny ivon’izay tiany ambara dia fananana FITIAVANA (AGAPE). « Ary ankehitriny dia ireto telo ireto no mitoetra : finoana, ny fanantenana, ny fitiavana fa ny fitiavana no lehibe amin’ireo » (and13) .

NY FITIAVANA AGAPE

1-Ambony amin’ny fanomezam-pahasoavana rehetra avy amin’ny Fanahy Masina

Mitana ny laharana voalohany amin’ny fanomezam-pahasoavana rehetra ny fitiavana « nefa maniria fatratra ny fanomezam-pahasoavana lehibe indrindra » (1 Kor 12.31). Ny fitiavana Agape no ambarany amin’izany . « Ary aoka ho ambonin’izany rehetra izany ny fitiavana, fa fehin’ny fahatanterahana izany » (Kol 3.14). Fotokevitra iombonan’ny didin’ Andriamanitra iainantsika dia ny fitiavana . « Fa ny anton’ny didy dia fitiavana avy amin’ny fo madio sy ny fieritreretana tsara ary ny finoana tsy mihatsaravelatsihy «  (1 Tim 1.5). Zava-poana noho izany ny fivavahantsika sy ny asa rehetra ary ny ezaka rehetra ataontsika raha tsy manam-pitiavana isika.

2-Tsy ho levona mandrakizay

« Ny fitiavana tsy ho levona mandrakizay , fa raha ny faminaniana dia ho levona na ny fiteny tsy fantatra dia hitsahatra , na ny fahalalana dia ho foana  » (and8). Ny olona manana ity fitiavana Agape ity noho izany no haharitra mandrakizay sy ho afaka hifanatrika amin’ Andriamanitra Fitiavana . »Andriamanitra dia fitiavana, ary izay mitoetra amin’ny fitiavana no mitoetra ao amin’ Andriamanitra , ary Andriamanitra ao Aminy «  (1 Jao 4.16).

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-8