Talata 30 Aprily 2019.

Fandalinana ny Filazantsara araka an’i MARKA

Marka 9.14-32

Nanatona an’i Jesoa ny lehilahy iray , resy lahatra fa i Jesoa no hany afaka manasitrana , manafaka, mitsabo ny zanany , izay azon’ny aretina hatry ny fony mbola zaza : « Mpampianatra ô , nentiko ho ety aminao ny zanakolahy , izay azom-panahy moana » . Mampianatra antsika izao Tenin’ Andriamanitra izao tsy hisalasala hanatona an’i Jesoa , tsy ho variana amin’ny adihevitra tsy ahitam-bokatsoa,, mandany andro fotsiny , fa hihaona sy hiresaka Aminy mivantana mihitsy : « Hainao hoe » ? Ny zavatra rehetra dia hain’ny mino  » , hoy i Jesoa . Ny finoan’ny rain-drazazalahy no nadrasan’i Jesoa taminy : « Mino aho , vonjeo aho ho afaka amin’ny tsi-finoako » (sady nandrotsa-dranomaso. Niasa i Jesoa : « niteny mafy ny fanahy maloto Izy ka nanao taminy hoe: « Ry fanahy moana sy marenina, izaho mandidy anao : mivoaha aminy , ka aza miditra ao anatiny intsony » . Sitrana ilay zazalahy na dia « efa toy ny maty ka dia nataon’ny maro hoe: maty » aza .

Mety manana olana saro-bahana izaho sy ianao . Toy ny efa maty mihitsy aza angamba . Aza misalasala manatona an’i Jesoa Kristy anio hanafahany , hitsaboany ,hanasitranany antsika amin’izany . Mitenena Aminy anio : »Mino aho , vonjeo aho mba ho afaka amin’ny tsi-finoako » . Minoa fa ho sitrana ianao!

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha- 6

Alatsinainy 29 Aprily 2019.

Fandalinana ny Filazantsara araka an’i MARKA

Marka 9.1-13

Mazana ny olona taitra amin’ny hita maso sy azo tsapain-tànana, mora roboka sy variana. Toy ny famantarana samihafa no manery na mitaona azy ho resy lahatra amin-javatra iray . Noho ny famantarana niainan-dry i Petera , i Jakoba ary i Jaona tao an-tendrombohitra niaraka tamin’i Jesoa Kristy izay nahatonga tahotra no nitenenan’i Petera tamin’i Jesoa hoe: « Raby ô , tsara raha mitoetra eto isika , ary aoka hanao lay telo izahay : ny anankiray ho Anao , ny anankiray ho an’i Mosesy , ary ny anankiray ho an’i Elia » (and5). Raha matahotra na manahy izaho sy ianao , iza no iantsampazanao? Ho tahaka ireto mpianatra ve ka maniry ny hitoetra , honina hiaraka amin’i Jesoa izay ambara hoe : IMANOELA = Amintsika Andriamanitra ) isika eo anatrehan’izany sa ho aiza na hila vonjy amin’iza?

Nasehon’ Andriamanitra Ray tokoa eto ny fiasany , ny fiarovany , ny fiahiany , ny fombany ny zanany: « nisy rahona niseho nanarona azy , ary dia nisy feo avy tao amin’ny rahona nanao hoe : »Ity no zanako malalako . Izy no henoy » (and7) . Miaro antsika Zanak’ Andriamanitra izay mihaino , mankato , manatanteraka tokoa ny teniny Andriamanitra , tahaka ny nataony tamin’ireo mpaminany , na dia eo aza ny fahafantarana fa »tsy maintsy mijaly mafy Izy ka hatao tsinotsinona » . Minoa àry an’i Jesoa Tompo, meteza hanjakany ! .

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha- 6

Alahady 28 Aprily 2019.

Fandalinana ny Filazantsara araka an’i MARKA

Marka 8.22-38

Miasa mandrakariva i Jesoa Kristy amin’ny toerana izay alehany . Rehefa tonga tao Betsaida Izy dia : »nisy nitondra lehilahy jamba teo amin’i Jesoa ka nangataka taminy hanendry ilay jamba . Ary nitantana ilay jamba Izy ka nitondra azy teny ivelan’ny tanàna , ary rehefa nororany ny masony , ka napetrany taminy ny tànany dia nanontaniany hoe izy : mahita zavatra va ianao? ».

Nahiratra ary nahita tsara ralehilahy rehefa niasan’ny Tompo , ka nasainy nody avy hatrany tany an-tranony . Tsy navelany hilazalaza tao an-tanàna izy.

Na dia efa niasa , nanasitrana, niara-niaina tamin’ny sokajin’olona maro toy izany aza anefa i Jesoa Kristy dia maro no tsy nahafantatra , tsy nino Azy. »Ataon’ny olona ho iza moa Aho ?« . Samy nanana ny valitenin’ny olona tafavory teo : »Jaona mpanao batisa , Elia anankiray amin’ny mpaminany. »

Maro isika no toy ireto Fariseo sy mpanora-dalàna ary mpianatry ny Tompo ireto koa.Na dia manao zava-mahagaga isanandro eo amin’ny fiainantsika aza i Jesoa Kristy dia toa adinontsika fa hay teo Izy no miasa… Manontany antsika àry ny Tompo eto : » Ataonao ho iza moa Aho ? » . Ho sahy hiteny toa an’i Petera ve isika hoe: « Ianao no Kristy » . manatrika antsika hatrany ny Tompo .

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha- 6

Sabotsy 27 Aprily 2019.

Fandalinana ny Filazantsara araka an’i MARKA

Marka 8.1-21

Mampahatsiaro antsika i Jesoa Kristy eto fa rehefa difotra , variana amina toe-javatra iray ny olona dia manadino na dia izay efa fahasoavana noraisiny , na ny asan’ Andriamanitra teo anatrehany aza… . »mbola tsy mahafantatra ihany va ianareo » (and21), tsy takany ny Tenin’ Andriamanitra, adinony fa eo i Jesoa sy ny asany mahagaga.

Mampandini-tena antsika kristiana , na ny fiangonana izao teny izao fa tsy ny ara-panahy ihany no nisahiranan’ny Tompo fa ny maha-olona feno (onena ireo vahoaka noana nanara-dia), tsy tokony ho variana amin’ny toriteny , fampianarana …izany isika fa hijery manokana koa ny manahirana ny hafa (sakafo, fianaran’ny ankizy, fitsaboana…).

Nanahy ny mpianatra teo anoloan’ny iraka nomen’ny Tompo azy hamahanana ireo vahoaka (and4). Nampihariharian’i Jesoa anefa eto sady nampahatsiaroviny indray fa naniraka antsika Izy hanaiky hanolotra izay eo an-tànantsika . Ny faneken’ny tsirairay tokoa mantsy hanome izay ananany no fiasam-pamonjena, fanampiana, famahana olana ny hafa :  » ny mofo dimy no novakiko ho an’ny dimy arivo , roa ambin’ny folo (ambiny) « fito sobiky« . Meteza àry hanolotra ho an’ny asan’ Andriamanitra » .

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha- 6

Zoma 26 Aprily 2019.

Fandalinana ny Filazantsara araka an’i MARKA

Marka 7.17-37

Te- hampianatra ary hisarika ny sain’ny olona i Jesoa Kristy fa maro amin’ny sitrapon’ Andriamanitra no tsy azon’ny olona amin’izao raha tsy Izy Jesoa Kristy mihitsy no manazava, manambara , maneho izany . Mazana ny olona no mandray an-tendrony ny hafatr’ Andriamanitra.

Ambara àry eto fa  » izay mivoaka avy ao amin’ny olona dia izany no mahaloto azy« (and20). Tsy hoe : mahaloto na mahatonga fahotana amin’ny olona ny sakafo na ny toy izany izay ampidiriny avy eo am-bavany , fa izay aloaky ny vavany no maloto. Inona no resahinao isak’izay miresaka na miteny , izay no be ao am-po , avoaka satria tsy levona intsony (olana, ady, politika) ? izay novakianao , iainanao , jerenao , alehanao hatrany … dia hita taratra eo amin’ny fiteny , fihetsika, fomba…

Mivokisa àry ny Tenin’ Andriamanitra , « Dia nalady ny sofiny , sady voavaha ny fatoran’ny lelany ka dia nahateny tsara izy » (and35) , mba hahatonga ahy sy ianao hamoaka teny , fomba , fihetsika…mahatsiriritra, mahasarika ary mahatonga ny hafa ho resy lahatra amin’ny fitiavan’i Kristy sy ny asany : »talanjona indrindra ny olona ka nanao hoe : tsara ny nanaovany ny zavatra rehetra, fa sady mampahalady ny marenina Izy no mampiteny ny moana » (and37).

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-6

Alakamisy 25 Aprily 2019.

Fandalinana ny Filazantsara araka an’i MARKA

Marka 7.1-16

« Nahoana ny mpianatro no tsy manaraka ny fampianarana voatolotry ny razana , fa mihinan-kanina amin’ny tànana tsy misasa izy? » .

Fanontanian’ireo Fariseo sy ny mpanora-dalàna tamin’i Jesoa Kristy izany eto. Mivantana sady mahitsy anefa ny fampianarany eto fa tsy ny fomba ivelany na fomban-drazana , na ny fampianaran’olombelona no zava-dehibe. Hoy mantsy Izy : « Mahafoy ny didin’ Andriamanitra ianareo ka mitana ny fanaon’olona ». Mihatsaravelatsihy izany fa tahotra olona no hanaovana ny tsara.

Mitaona sy mitarika antsika àry i Jesoa Kristy : »Mihainoa Ahy ianareo rehetra , ka mahafantara » , izay hahazoana mihaino sy mamantatra ary miaina ny sitrapon’ Andriamanitra na ny didin’ Andriamanitra . Mampandini-tena antsika koa ny Tompo eto hahatsapa sy hahatsiaro araka izany fa ny fanompoana Azy dia tsy amin’ny fomba na endrika ivelany akory. Mankahala mafy ny fihatsarambelatsihy mantsy ny Tompo . Mitaky finoana latsaka anaty mihitsy Izy . « Ity firenena ity manaja Ahy amin’ny molony , fa ny fony kosa lavitra Ahy  » « Fa tsy ny zavatra avy eo ivelany izay miditra ao anatin’ny olona no mahaloto azy ,fa izay mivoaka avy ao anatin’ny olona no mahaloto azy » . Meteza àry hihaino sy hankato ny baikon’i Jesoa Kristy .

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha- 6

Alahadin’ny TOPAZA 2019.

Fandaharana iombonana

Alahady 28 Aprily 2019.

1-Fiarahabana Apostolika

2-Fiderana (mitsangana ) . SALAMO 8

Hira 14

Vavaka

3-Fampianarana ho an’ny ankizy sy ny tanora

Hira 788.1-3

Fampianarana ho an’ny ankizy sy ny tanora

Hira 786.1-4

Vavaka fangatahana ny Fanahy Masina

4-Vakiteny : Sal 82.1-8 / Jao 21.1-14 / Rom 6.1-7

Hira 761

5 -TORITENY

Feonjavamaneno

6-Hira fifonana :

Hira : 790.2-3

7-Famelankeloka : Lioka 8.48

« Sambatra ny olona izay voavela ny helony ... »

Hira : 808

8-Fanekempinona lah-3

9- ASA VAVOLOMBELONA (raha misy)

10Vavaka fisaorana sy fangatahana + vavaka nampianarin’ny Tompo

11-Raharaha + Hafatra

12Rakitra : Hira (Antoko mpihira na Hira )

Fanolorana ny Rakitra

13-Hira FF 16

Tsodrano : Rom 15. 5-7

Ho an’ Andriamanitra irery ny Voninahitra . Amena

…………………………………………………………………………………………………………….

HAFATRA

 » Mitsangana , areno ny zaza ka tantano » Gen 21.18

Miarahaba antsika rehetra amin’ny Anaran’ny Tompo. Toy ny fanao isan-taona amin’ny maha- asan’ny Fiangonana ny TOPAZA dia androany Alahady 28 Aprily 2019 no hanatanterahana ny fitondrana amam-bavaka ny Asa TOPAZA . Mankasitraka antsika rehetra noho ny fitondrantsika am-bavaka sy ny fanohanana ataontsika hatrany izany asa masina izany . Ary manantena hatrany ny fanohizantsika ny adidy izay napetraky ny Tompo hotanterahina ho an’ireo madiniky ny Tompo ireo : »Andriamanitra hamaly fitia ».

Manaraka izany dia misaotra an’ Andriamanitra lehibe isika noho ny faha- 75 taona niorenan’ny TOPAZA , araka ny taratasy nalefa isam-piangonana dia notanterahina omaly Sabotsy 27 Aprily 2019 tao amin’ny Katedraly Analakely ny fanokafana ny fankalazana an’ Andriamanitra noho ny faha- 75 Taona niorenany . Manolotra fisaorana feno antsika rehetra , namaly ny fanasana nalefa isam-piangonznz ho fanatrehana izany .

Marihana fa ny Tsangambaton’ny fankalazana dia ny fanombohana ny tetikasa ho loharanombola maharitra dia ny fanorenana ny « centre de formation et de loisirs » any Fihaonana : izay « station missionnaire » ny TOPAZA fahizay , sady heverina ihany koa hanaovana fambolena sy fiompiana ho fanohanana ny ankizy . Lehibe ny asa ! Koa asaina hatrany isika rehetra samy hitrotro am-bavaka sy hanolotra izay fanomezam-pahasoavana hanatratrarana izao tetikasa izao . Ny fanokafana no vita fa manasa antsika hatrany hifanotrona amin’ny ivony sy ny famaranana . Mankasitraka indrindra ry havana ary manao veloma amin’ny Anaran’ny Tompo .

Ny Filoha

RANDRIANJA Voahangy

Ny Tale

RAKOTOARIVONY Tantely

Vaovao / MF 06

VAOVAO MPIANDRAIKITRA FOIBE FJKM

Miatrika ny Fivoriana MF 06-SL XVIII -24 Aprily -01 Mey 2019 ny Mpikambana ao amin’ny MPIANDRAIKITRA FOIBE FJKM .

 Nasaina amin’izany koa ireo President Synodal  rehetra manerana an’i Madagasikara  sy ireo Tonia sy Tale eo anivon’ny Sampana sy Sampanasa  ary Asa  .

Hodinihana mandritra izao fivoriana voalohany amin’ity taona ity izao :

1-Ny tatitra avy amin’ny Synodamparitany  miisa 38 , sy ny avy amin’ny Sampana sy Sampanasa ary Asa .

2- Ny fanendrena  ireo Mpiomana ho Mpitandrina sy Mpampianatra  FJKM .

 Ny fivoriana  dia hatao ao amin’ny CFD  Ampandrana  . Misy hatrany ny fandraisana anjaran’ireo fiangonana manodidina  amin’ny famatsiana ara-tsakafo ny mpivory , ka tamin’ity andro voalohany ity dia ny FJKM Itaosy no nandray anjara tamin’ny fampisakafoana .

Alarobia 24 Aprily 2019.

Fandalinana ny Filazantsara araka an’i MARKA

Marka 6.45-56

Rehefa variana sy sondriana ary difotra amin’ny zava-misy ety amin’izao tontolo izao ny olona « sahirana nivoy fatratra , fa notohain’ny rivotra » dia toa tsy mahatsapa intsony ny fisian’i Jesoa Kristy . Toa takona i Jesoa Kristy . Toa matoky tena sy mihevi-tena ho mahery aza kanjo indrisy : »nataony ho matoatoa , ka niantso mafy izy ireo . Fa izy rehetra samy nahita Azy (Jesoa Kristy ) avokoa , ka dia raiki-tahotra » .

Eo anatrehan’izay heverintsika ho tena ady , zava-tsarotra indrindra anefa ka mahatonga antsika hitebiteby , hiahiahy , hatahotra no itenenan’ny Tompo amiko sy aminao tahaka ny mpianatra fehizay koa hoe: « Matokia, fa Izaho ihany aza matahotra ».

Ny fanekentsika ny fombàn’ny Tompo sy ny fatokiantsika ny asany miaraka amintsika mandrakariva dia hahatonga olona maro ihany koa ho isan’ny olom-boavonjy , mandray fanavotana sy fanasitranana : »nihazakazaka tamin’izany tany rehetra izany (ny olona ) ary nitondra ny marary tamin’ny fandriana ho ahy amin’izay reny fa nitoerany . Ka sitrana izay rehetra nanendry Azy » . Manaiky ho isan’ny fitaovam-piasana mahomby eo anatrehan’i Jesoa Kristy ve ianao hitaona ny hafa ho amin’ny fahasitranana sy ny famonjena?

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-6