Alatsinainy 25 Martsa 2019.
Fandalinana ny Boky 1 Mpanjaka
1 Mpanjaka 18.1-16
Andeha hianatra amin’ny Tompo indray fa:
1-Tompon’ny fahefana rehetra ny Tompo. Rehefa tiany asiana amin’ny mosary ny tany dia asiany rehefa tiany hofaranana izany dia faranany : »handatsaka ranonorana amin’ ny tany Aho » , hoy Izy (and1). Mampieritreritra antsika ny amin’ny zava-mitranga eto amin’ny firenentsika izany . Fa araka ny Deo 28.12,24 dia arakaraka ny hihainoana na tsia ny Tompo no handraisana fitahiana na ozona isian’ny ranonorana na haintany .
2-Mahatahiry mpanompo mahatoky ho Azy ny Tompo . Ao amin’ny lapan’i Ahaba mpanjaka mpanompo sampy no isian’i Obadia mpanompon’ Andriamanitra mahatoky . Eny , tena azo atao tokoa mantsy ny hijoro amin’ny finoana , na miara-monina sy fehezin’olona tsy matahotra an’ Andriamanitra aza. Izany dia mampahatsiaro antsika an’i Noa, ilay lehilahy marina teo anivon’ny fiaraha-monina mendrika fandringanana (Gen 6.9-13) na i Lota (2 Pet 2.7-8) . I Obadia dia sahy nanafina mpaminany 100 lahy sy namatsy mofo sy rano azy ireo .Fahasahiana lehibe izany satria fihaikana an’i Jezebela , vadin’ny mpanjaka , izay nampamono ireny mpaminany ireny . Ianao koa , mijoroa. Fantatry ny Tompo izay ataonao ho voninahitry ny Anarany , aza miova , miorena tsara ! (1 Ko 15.58).
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha- 3