Zoma 01 Martsa 2019.

Fandalinana ny Boky 1 Mpanjaka

1 Mpanjaka 7.38-51

Resahina betsaka eto ireo fanaka samihafa ao amin’ny tempoly:

1-Fanaka novolavolaina fatratra ireo .

Mampahatsiaro antsika ny fitiavan’ Andriamanitra sy ny asan’ Andriamanitra amintsika izany . Fa isika koa tahaka an’i Paoly dia « fanaka voafidy« (Asa 9.15). Koa tahaka ny nataony tamin’i Paoly , izay nazerany teo an-dàlamben’ny Damaskosy dia navelany ho jamba 3 andro aloha , vao natao batisa vao nirahiny (Asa 9.3-20) dia mamolavola antsika amin’ny fomba samihafa koa ny Tompo.

2- Fanaka masina ireo .

Ny nisy tao amin’ny tempoly dia fanaka varahina sy volamena .isika kosa, fanaka hafa noho izany , dia araka ny nolazain’i Paoly hoe: « Fa ao an-trano lehibe , tsy dia fanaka volamena sy volafotsy ihany no ao , fa fanaka hazo sy tany koa , ny sasany omem-boninahitra , ary ny sasany alam-baraka. Koa raha misy olona manadio ny tenany ho afaka amin’ireny (mpampianatra sandoka ireny ) dia ho fanaka omem-boninahitra izy , efa nohamasinina ka mahasoa ho an’ny Tompo , voavoatra ho amin’ny asa tsara rehetra  » (2 Tim 2.20-21). Aoka àry isika hahajoro tsara toa an’i Timoty , ary mivavaha mba ho maro ny mpanompon’ Andriamanitra ato amin’ny fiangonana ho fanaka omem-boninahitra toy izany koa.

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha- 3

Perikopa 2025

Aogositra: MIFAMPAHERY NY MPINO

| | 10. Ala. VIII man. Trinite - KFTM
Dan. 10. 18-11.1 | Lio. 22. 24-34 | Jak. 5. 7-11

| | 17. Ala. IX man. Trinite - Aumônerie Nationale
1 Mpa. 17. 10-16 | Lio. 5. 17-26 | Asa 15. 22-29

| | 24. Ala. X man. Trinite - AKAFITA
Sal. 31. 19-24 | Jao. 14. 18-24 | 1 Kor. 16. 5-14

| | 31. Ala. XI man. Trinite
2 Tan. 19. 8-11 | Mat. 18. 15-20 | 1 Tes. 5. 12-15

FJKM Fahazavana

ANDRIAMAMPIANINA Zaka, Mpitandrina