Alakamisy 28 Febroary 2019.
Fandalinana ny Boky 1 Mpanjaka
1 Mpanjaka 7.13-37
Mampihaingo ny anatin’ny tempoly i Solomona eto.Mampahatsiaro ny zava-nitranga tamin’ny nanaovana ny tabernakely tany an-tany efitra ny tantara eto:
1-Tamin’ny nanaovana ny tabernakely nankinina tamin’i Bezalila ny asa. Izy io dia ny Tompo mihitsy no nanolotra azy hanao ny asa sady nilaza hoe: « efa nofenoiko fanahin’ Andriamanitra izy dia fahendrena sy fahiratan-tsaina sy fahalalana ny amin’ny taozavatra samy hafa (Eks 31.3). Manana olona efa nomeny fanomezam-pahasoavana ho an’ny asany rokoa manko Andriamanitra.
2-Eto amin’ny fanaovana ny tempoly nankinina tamin’i Hirama ny asa. Izy koa dia feno fahendrena sy fahiratan-tsaina hahavitany ny asa varahina rehetra »(and14).Mampianatra antsika izany fa tena misy olona manokana asain’ny Tompo manao asa manokana eo amin’ny fiangonany . Tsy tokony hiteraka fialonana ho antsika izany , raha tsy isika io olona io ary tsy tokony hiteraka fireharehana izany , raha isika io olona voafidy manokana io . Fa ny fahaizana ananantsika , ento hanompoana an’ Andriamanitra , fa nomeba antsika izany matoa manana isika . Ary matoa nomena antsika izany dia misy asa ilan’ Andriamanitra antsika ao.
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha- 3