Alarobia 27 Febroary 2019.
Fandalinana ny Boky 1 Mpanjaka
1 Mpanjaka 7.1-12
Nitohy ny asa fanorenana lehibe nataon’i Solomona :nanao ny lapany izy eto .

1-Vita ny tempoly vao nanao ny lapany izy .Lesona lehibe ho antsika izany fa fampianarana antsika hanao ho laharam-pahamehana ny an’ny Tompo aloha , vao ny antsika manokana . Fahalemena mahazo mpivavaka maro ihany izao : mandefitra ny an’ny Tompo fa ny an’ny tena no mahamaika . Nitranga izany tamin’ny andron’i Hagay ka nahatonga ny teny hentitra nampitondrain’ny Tompo azy hoe: »Moa andro tokony hitoeran’ny tenanareo ao amin’ny tranonareo misy valin-drihana va izao , kanefa rava ity trano ity? » (Hagay 1.4).
2-Naharitra ela kokoa ny nanaovany ny lapany .Ny fiafaran’ny toko faha-6 dia nilaza fa 7 taona no nanaovana ny tempoly . Ny fiandohan’ny toko faha- 7 kosa dia milaza amintsika fa 13 no nanaovana ny lapan’ny mpanjaka . Novitaina tsy nisy hataka andro ny an’ny Tompo ary tsy nampaninona na niadana kokoa aza ny nanaovana ny lapa. Mbola mariky ny fanomezan-danja ny asan’ny Tompo ihany izany . Lehibe sy sarotra kokoa ny fanamboarana ny tempoly , saingy 7 taona dia vita . Manambara ny herimpo sy fifantohana nafantoka tao mba hahavitana azy izany . Mivavaha mba hiasantsika toy izany koa eo amin’ny fanaovana ny asan’ Andriamanitra.
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra« Boky faha-3