Fahasalamana / Sira misy ioda

Famokarana sira misy ioda any Morondava

Hanatsarana ny fahasalamana sy hampandrosoana ny toekarena

Nodinihina sy namafisina indray ny famokarana sira misy ioda eto Madagasikara mba ho fanatsarana ny fahasalamam-bahoaka sy ho fampandrosoana ny toekarem-pirenena. Tany Morondava renivohitr’i Menabe no nanaovana izany izay fiaraha-miasa teo amin’ny Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka, ny OMS sy ny UNICEF ary ireo orinasa mpamokatra sira misy ioda any an-toerana.

Sira misy ioda

Ny tsy fahampian’ny ioda eo amin’ny vatan’olombelona dia miteraka olana ara-pahasalamana toy ny aretina goatra, ny tsy fahatomombanana ara-tsaina, ny fahafahan-jaza tampoka, sns…

Raha ny salan’ny fihinanan’ny Malagasy sira misy ioda anefa dia manodidina ny 3kg isan-taona isan’olona eo ho eo, izay tsapa fa tena ambany dia ambany tokoa. Ny 84%-n’ny vehivavy mitondra vohoka izao dia tsy ampy ioda ny vatany, ny 25%-n’ny tokantrano malagasy no tsy mahita akory sady tsy mahafantatra izany sira misy ioda izany. Efa hatramin’ny taona 2014 no nahatsapana izay tsy fahampiana ioda izay teo amin’ny Malagasy ka nahatonga ny fanjakana tamin’izany namoaka lalàna hampanisy ioda ny sira fanjifan’ny olona andavanandro.

Tsy ampy ny famporisihana ny olona hihinana sira misy ioda, fa tsy maintsy jerena ihany koa ny fampitomboana ny vokatra. Raha miakatra mantsy ny tahan’ny fanjifana sira misy ioda dia tokony hiakatra miaraka amin’izay koa ny famokarana azy. Izany indrindra no antony nijerena akaiky ity famokarana sira misy ioda any Morondava ity. Hatreto dia any Antsiranana no tena mamokatra sira misy ioda be indrindra, 5 alina taonina eo ho eo isan-taona, saingy tsy ho ampy izany raha tena manjifa avokoa ny rehetra. Ho famenoana izany no antony hanatsarana ny famokarana any Morondava.

Tsy hadinoina ihany koa famporisihana ireo orinasa madinika sy salantsalany mpamokatra sira mba hanaraka ny fenitra famokarana ka hanisy ioda ny sira vokariny.

NIRINA, SF

Perikopa 2025

Aogositra: MIFAMPAHERY NY MPINO

| | 10. Ala. VIII man. Trinite - KFTM
Dan. 10. 18-11.1 | Lio. 22. 24-34 | Jak. 5. 7-11

| | 17. Ala. IX man. Trinite - Aumônerie Nationale
1 Mpa. 17. 10-16 | Lio. 5. 17-26 | Asa 15. 22-29

| | 24. Ala. X man. Trinite - AKAFITA
Sal. 31. 19-24 | Jao. 14. 18-24 | 1 Kor. 16. 5-14

| | 31. Ala. XI man. Trinite
2 Tan. 19. 8-11 | Mat. 18. 15-20 | 1 Tes. 5. 12-15

FJKM Fahazavana

ANDRIAMAMPIANINA Zaka, Mpitandrina