DK / Andron’ny vehivavy 2019.

Hetsika 08 Martsa 2019.

Hotanterahina eny amin’ny FOFIKRI -Ilafy ny fankalazana ny Andron’ny vehivavy 08 Marsa amin’ity taona 2019 ity fa tsy eny Mahamasina araka ny efa nambara teo aloha.

1-Ireto avy ny zavatra ho hita amin’izany :

-Atelier momba ny fiainan-tokatrano

Fampianarana fanamboarana voninkazo

-Fahaiza-miaina samihafa

-Fanaingoana ny ao an-trano

-Fiainan-tokatrano sy fifampizarana

2-Hisy ny filaharambe ka toy izao ny fandaminana

-Ho an’ireo avy amin’ny Faritra atsimo : SP 10,11,12 sy ny hafa dia eo amin’ ny Station Shell AMBOHITRARAHABA

-Ho an’ireo avy amin’ny Faritra Avaratra : SP 19,22 sy ny hafa , eo Sabotsy Namehana .

Aoka samy hitondra Banderole isam-piangonana ka izao no soratra hohita « FJKM …… mankalaza an’ Andriamanitra noho ny faha- 50 Taona miaina ny 08 Martsa ».

Noho izany dia hanao fanamiana iombonana isika dia Tee-shirt ny faha- 50 Taona ampiarahina aminn’y jupe sarim-boninkazo (jupe fleurie). Azonao raisina ao amin’ny Birao Dorkasy FOIBE ny Tee-shirt.

3-Mahakasika ny fandaminana

-Izay handray anjara amin’ny Hira sy Hira gasy dia misoratra anarana mialoha hahazoana manao ny fandaminana

-Izay maniry hanao stand kosa ka hivarotra taozavatra na vokatry ny tany na sakafo na zavatra hafa dia misorata anarana mialoha aty amin’ny Foibe Dorkasy sady mandoa ny sarany 15.000 ar

Fandraisana anjara : 500 ar/olona na ankizy na olon-dehibe

Fifandraisana: 033 19 230 40 / 034 50 998 93 (Tonia)

033 41 790 34 / 034 76 470 37 / 032 25 713 44 ( Mpandraharaha)

Journée mondiale de la prière

Viens – tout est prêt

Programme écrit par le 
Comité slovène pour la Journée mondiale de la prière pour WDP 2019 
Luke 14: 15-24

Ce programme a été écrit par des femmes slovènes, l’un des plus petits pays d’Europe et un jeune comité du mouvement WDP. 

Au cœur du thème, une invitation – Viens; et pour permettre la réponse – tout est prêt. Venez louer, remercier et proclamer le royaume de l’amour. 

L’invitation est basée sur la parabole racontée par Jésus au sujet d’un grand dîner auquel assistaient ceux qui étaient appelés à sortir de la rue, tandis que ceux qui étaient invités se sont excusés. La communauté formée autour de la table ne suffit pas à remplir la maison, il reste encore de la place. Qui manque à la table dans votre communauté? Comment voulez-vous inviter et préparer le festin?

Tout au long du culte, nous entendons les histoires de ceux qui viennent à la table du pain, du vin, de l’eau et du sel. Leurs récits reflètent la situation politique et économique de l’époque où la Slovénie était un État communiste socialiste à nos jours. Leurs histoires sont celles des travailleurs réfugiés et migrants, des mères, des grand-mères, des épouses et des Roms. Tout en écoutant leurs histoires, nous demandons pardon pour nous avoir tenus silencieux face à l’injustice, et nous prions pour que Dieu ouvre notre cœur à la compassion et à la compréhension. Et nous partons avec une prière de bénédiction pour nous soutenir mutuellement sur le chemin de la liberté, de la justice et de la paix. 

Que le Dieu de l’accueil nous permette de mettre la table et de remplir les communautés d’espoir, d’amour et de joie!

world day of prayer

VKMM / AFME

Vehivavy Kristiana Mpiara-Mivavaka

Andro Fiaraha-mivavaka eran-tany

Fifaliana ho an’ny vehivavy Kristiana Mpiara-Mivavaka ny manasa anareo hanatrika ny Fanompoampivavahana noho ny Andro Fiaraha-Mivavaky ny Vehivavy Eran-tany araka izao :

Zoma 01 Martsa 2019, 9 ora sy sasany hatramin’ny 4 ora tolakandro ao amin’ny FJKM Ambalavao Isotry:Fanompoampivavahana fanokafana, lahateny , fitokanam-bavaka …

Sabotsy 02 Martsa 2019 , 9ora sy sasany ao amin’ny EEM (Fiangonana Anglikana) Santa Stefana Anatihazo : fanarahana ny fandaharana iraisana erantany nomanin’ireo vehivavy any Slovenie.

Tongava maro.

Fifandraisana :032 55 942 04 / 034 89 871 08

Alakamisy 28 Febroary 2019.

Fandalinana ny Boky 1 Mpanjaka

1 Mpanjaka 7.13-37

Mampihaingo ny anatin’ny tempoly i Solomona eto.Mampahatsiaro ny zava-nitranga tamin’ny nanaovana ny tabernakely tany an-tany efitra ny tantara eto:

1-Tamin’ny nanaovana ny tabernakely nankinina tamin’i Bezalila ny asa. Izy io dia ny Tompo mihitsy no nanolotra azy hanao ny asa sady nilaza hoe: « efa nofenoiko fanahin’ Andriamanitra izy dia fahendrena sy fahiratan-tsaina sy fahalalana ny amin’ny taozavatra samy hafa (Eks 31.3). Manana olona efa nomeny fanomezam-pahasoavana ho an’ny asany rokoa manko Andriamanitra.

2-Eto amin’ny fanaovana ny tempoly nankinina tamin’i Hirama ny asa. Izy koa dia feno fahendrena sy fahiratan-tsaina hahavitany ny asa varahina rehetra »(and14).Mampianatra antsika izany fa tena misy olona manokana asain’ny Tompo manao asa manokana eo amin’ny fiangonany . Tsy tokony hiteraka fialonana ho antsika izany , raha tsy isika io olona io ary tsy tokony hiteraka fireharehana izany , raha isika io olona voafidy manokana io . Fa ny fahaizana ananantsika , ento hanompoana an’ Andriamanitra , fa nomeba antsika izany matoa manana isika . Ary matoa nomena antsika izany dia misy asa ilan’ Andriamanitra antsika ao.

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha- 3

Alarobia 27 Febroary 2019.

Fandalinana ny Boky 1 Mpanjaka

1 Mpanjaka 7.1-12

Nitohy ny asa fanorenana lehibe nataon’i Solomona :nanao ny lapany izy eto .

1-Vita ny tempoly vao nanao ny lapany izy .Lesona lehibe ho antsika izany fa fampianarana antsika hanao ho laharam-pahamehana ny an’ny Tompo aloha , vao ny antsika manokana . Fahalemena mahazo mpivavaka maro ihany izao : mandefitra ny an’ny Tompo fa ny an’ny tena no mahamaika . Nitranga izany tamin’ny andron’i Hagay ka nahatonga ny teny hentitra nampitondrain’ny Tompo azy hoe: »Moa andro tokony hitoeran’ny tenanareo ao amin’ny tranonareo misy valin-drihana va izao , kanefa rava ity trano ity? » (Hagay 1.4).

2-Naharitra ela kokoa ny nanaovany ny lapany .Ny fiafaran’ny toko faha-6 dia nilaza fa 7 taona no nanaovana ny tempoly . Ny fiandohan’ny toko faha- 7 kosa dia milaza amintsika fa 13 no nanaovana ny lapan’ny mpanjaka . Novitaina tsy nisy hataka andro ny an’ny Tompo ary tsy nampaninona na niadana kokoa aza ny nanaovana ny lapa. Mbola mariky ny fanomezan-danja ny asan’ny Tompo ihany izany . Lehibe sy sarotra kokoa ny fanamboarana ny tempoly , saingy 7 taona dia vita . Manambara ny herimpo sy fifantohana nafantoka tao mba hahavitana azy izany . Mivavaha mba hiasantsika toy izany koa eo amin’ny fanaovana ny asan’ Andriamanitra.

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra« Boky faha-3

FJKM Ankadimbahoaka (SP 11).

Alahadin’ny Mpitandrina

« Efa nanendry mpiambina ho eny ambonin’ny mandanao Aho , ry Jerosalema ô . Koa mandrakariva na andro na alina dia tsy mahazo mangina ireny  » Isaia 62.6

Asaina am-pitiavana isika mpianakavin’ny finoana eto amin’ny FJKM Ankadimbahoaka ho tonga hiombona amin’ny Fanompoampivavahana noho ny Alahadin’ny Mpitandrina ANDRIAMANAMPY RAFIDISON Timoty mianakavy . Izany dia hotanterahina ny Alahady 10 Martsa 2019 ho avy izao manomboka amin’ny 9ora maraina .

Araka ny fanao dia hanohana azy mivady amin’ny vavaka sy ny marika hita maso sy tsapain-tànana isika .

Tongava maro ho Voninahitr’ Andriamanitra sy hifalian’ny mpanompony .

Hafatry ny Filoha / Feb 2019.

VONTOSY FILAZANTSARA

NY NOSY MADAGASIKARA !

Fa toy ny tanimboly ihany

Ange ny tanindrazana e!

Dia jereo ny zaridaina

Fa raha mahavatra ianao,

mikolokolo sy miava,

dia endrey ny hatsaràny:

ny vony maro loko indreo

mandravaka ny tokotany,

ny ahi-maitso tsara koja

vao jerena dia tsaroana

mampitonitony saina.

Fa tsy tongatonga ho azy

Velively anefa izany.

Tena nila anao nanaiky

Hisahirana isan’andro.

Fa raha ity ianao no kamo

Dia ho hitanao tokoa

Ireo ahi-dratsy samihafa

Hirongaronga izaitsiizy

Hamono iretsy voninkazo,

ka ny sisa ho tavela,

izato tokotaninao

zary toa tanàna haolo!

Ary tahaka izany koa

Ny firenena manontolo:

hahavatra ve isika

hamafy voan’ny Teny Tsara

hijinjana fitahiana,

sa ho resin’ny hakamoana

dia hanjaka ny ahi-dratsy?

VONTOSY FILAZANTSARA

NY NOSY MADAGASIKARA !

IRAKO AMMI

Fahasalamana / Sira misy ioda

Famokarana sira misy ioda any Morondava

Hanatsarana ny fahasalamana sy hampandrosoana ny toekarena

Nodinihina sy namafisina indray ny famokarana sira misy ioda eto Madagasikara mba ho fanatsarana ny fahasalamam-bahoaka sy ho fampandrosoana ny toekarem-pirenena. Tany Morondava renivohitr’i Menabe no nanaovana izany izay fiaraha-miasa teo amin’ny Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka, ny OMS sy ny UNICEF ary ireo orinasa mpamokatra sira misy ioda any an-toerana.

Sira misy ioda

Ny tsy fahampian’ny ioda eo amin’ny vatan’olombelona dia miteraka olana ara-pahasalamana toy ny aretina goatra, ny tsy fahatomombanana ara-tsaina, ny fahafahan-jaza tampoka, sns…

Raha ny salan’ny fihinanan’ny Malagasy sira misy ioda anefa dia manodidina ny 3kg isan-taona isan’olona eo ho eo, izay tsapa fa tena ambany dia ambany tokoa. Ny 84%-n’ny vehivavy mitondra vohoka izao dia tsy ampy ioda ny vatany, ny 25%-n’ny tokantrano malagasy no tsy mahita akory sady tsy mahafantatra izany sira misy ioda izany. Efa hatramin’ny taona 2014 no nahatsapana izay tsy fahampiana ioda izay teo amin’ny Malagasy ka nahatonga ny fanjakana tamin’izany namoaka lalàna hampanisy ioda ny sira fanjifan’ny olona andavanandro.

Tsy ampy ny famporisihana ny olona hihinana sira misy ioda, fa tsy maintsy jerena ihany koa ny fampitomboana ny vokatra. Raha miakatra mantsy ny tahan’ny fanjifana sira misy ioda dia tokony hiakatra miaraka amin’izay koa ny famokarana azy. Izany indrindra no antony nijerena akaiky ity famokarana sira misy ioda any Morondava ity. Hatreto dia any Antsiranana no tena mamokatra sira misy ioda be indrindra, 5 alina taonina eo ho eo isan-taona, saingy tsy ho ampy izany raha tena manjifa avokoa ny rehetra. Ho famenoana izany no antony hanatsarana ny famokarana any Morondava.

Tsy hadinoina ihany koa famporisihana ireo orinasa madinika sy salantsalany mpamokatra sira mba hanaraka ny fenitra famokarana ka hanisy ioda ny sira vokariny.

NIRINA, SF

FJKM Ranovao Maritiora (SP 12)

F

MIATRIKA NY JOBILY FAHA 150 TAONA

Niorina tamin’ny taona 1869 ny FJKM Ranovao Martiora ao amin’ny Synodamparitany Antananariro Atsinanana. Manamarika ny faha 150 taona ny Fiangonana amin’ity taona ity izay nosokafana tamin’ny Alahady 03 Febroary 2019 lasa teo. Sady voka-dehibe santatra tamin’io fotoana io no fanolorana ireo komity manomana ny Jobily.

Nitarika ny fanompoam-pivavahana ho fankalazana an’Andriamanitra Andriamatoa RAKOTONDRAJAO Hery, Mpitandrina. Noraisin’ny Fiangonana ho teny faneva ny Soratra Masina voarakitra ao amin’ny Isa 43: 10a: “Hianareo no vavolombeloko, hoy Jehovah, sady mpanompoko izay efa nofidiko…”.

Hafatra 3 no nampitain-dRamatoa TRIMOZAFY Dyna izay nitondra ny Tenin’ Andriamanitra ka nasongadiny tamin’izany ny toetran’ny olom-boafidin’Andriamanitra. Manana herim-po amin’izay nijoroany ny olona nofidiana ka vavolombelona sy manaporofo ny amin’ny fisian’Andriamanitra. Tsy maintsy manaraka izay tiany hatao ihany koa satria mpanompony, ary sitrak’Andriamanitra ka namindrany fo sy nofidiny.

Miaina tanteraka ny taom-panavaozany ny FJKM Ranovao Maritiora izy ireo amin’ity taona ity noho ny  fanovana ny birao rehetra sy ny antso amin’ny asa fanompoana eo amin’ny sahan’ny FJKM. Fananganana ny rihana sy fanavaozana ny tafo no tsangambaton’ny Jobily, araka ny fanazavan’Andriamatoa RAMILISON Lantonarivo, Filohan’ny komitin’ny fankalazana. Tsy izay ihany fa misy koa ny fankalazana ny jobily isaky ny Alahady fahatelo ka hanatanterahana ireo fankasitrahana sy fandraisan-tànana ary fiarahabana samihafa.

Nataon ’ny Mpitandrina laharam-pahamehana ny Tafika masina anatiny iarahana amin’ny AFF eo an-toerana sy ny Tafika masina ivelany sahanin’ny AFF vahiny. Mikasa ny hanatsara ny tanàna miaraka amin’ny mpiara-monina eo amin’ny fokontany sy ny manodidina ny fiangonana, ho fijoroana vavolombelona amin’ny asa fanompoana.

Ny Mpitandrina mivady sy ny Komity 150T FJKM

Fanokafana izay no vita fa andrasana indray ny ivon’ny fankalazana ny Jobily hiarahana amin’ny Foibe FJKM sy ny Synodamparitany ny Alakamisy 03 Oktobra 2019 raha ny Alahady 13 Novambra 2019 ny anjaran’ny taranaka sy ny renifiangonana.

Ny Avotra, Santatra Fahazavana

Talata 26 Febroary 2019.

Fandalinana ny Boky 1 Mpanjaka

1 Mpanjaka 6.15-38

Nofintinina eto ireo 7 taona nanaovana ny tempoly :

1-Asa voakaly no natao: Ny refy samihafa nomena antsika tamin’izao fitantarana izao dia milaza fa tsy asa peta-toko fa voakajy fatratra avokoa no natao. Andriamanitra tokoa manko dia « tsara sady mpanao ny tsara »(Sal 119.68) ka mendrika ny hanolorana ny tena tsara . Fanairana antsika izay indraindray alaim-panahy hanatsotsotra ny zava-panahy ho an’ny Tompo izany , ka ny asan’ Andriamanitra indray no lesoka raha mitaha amin’ny an’izao tontolo izao.

2-Asa sarobidy no natao . Miverimberina ny hoe: « nopetahana takela-bolamena » . Fantatra ny hasarobidin’ny volamena ary iaraha-mahalala ny famirapiratany . Ny trano dia natao haneho ny fiandrianan’ Andriamanitra , Ilay mpanjakan’ny mpanjaka . Mba mahatsiaro izany ve isika rehefa miditra ao amin’ny trano fivavahana ? Fa indraindray , hadinon’ny mpivavaka izany fiandrianan’ Andriamanitra lehibe izany ka tsy ampy fanajana ny tranon’ Andriamanitra izy . Mivavaha ho an’ireo rehetra manitatra trano fiangonana na vao manorina mba samy hahavita izany toy ny nataon’i Solomona teto. Fa tsy hoe mpanjaka izy ka nahavita azy , fa tsarovy ny salamo tokana voalaza ho nataon’i Solomona , ny Sal 127.1.

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha- 3