Fiofanana Mpanabe Akaninjaza 2018.

Fandaminana vaovao  mahakasika ny
fiofanana Mpanabe Akaninjaza
Sekoly FJKM 2018

Hisy ny Foiben-toerana roa  hanatanterahana ny fiofanana :

1-Sekoly RASALAMA (Niv 1) Andravoahangy, ny 03-13 Septambra 2018

2-Sekoly FJKM Mahajanga  ny 17 -27 Septambra 2018.

Azon’izay maniry hanatrika izany ny misafidy ny toerana hiofanany  amin’ireo toerana roa ireo. Ny  fisoratana anarana  dia hatramin’ny 31 Aogositra 2018. Ny saram-piofanana dia 60 000 ariary ,  ireo fitaovana ampiasaina dia  raisina eo am-pisoratana anarana .

Mirary ny fitahian’ Andriamanitra   ho amintsika rehetra .

Ny Tale Nasionalin’ny Sekoly FJKM

RAKOTONDRANAIVO Domoina

Zoma 31 Aogositra 2018

Mitsangana hanohitra ny herisetra

Asan’ny Apostoly 16:16‑34

Manohitra ny herisetra ny mino.

Niharan’ny herisetra maro i Paoly Apostoly tamin’ny asa fitoriana nataony (and. 19‑24). Tsy mba nampiasa herim-batana na fitaovam-piadiana kosa anefa izy ho fanoherana ireny herisetra ireny fa nampiseho ny naha-mpanompon’i Kristy azy ka nanohitra ny herisetra :

1 – Amin’ny alalan’ny vavaka sy ny fïderana (and. 25‑27)

Vavaka sy hira fiderana an’Andriamanitra no nentin’i Paoly sy i Silasy nanohitra ny herisetra ara-batana sy ara-tsaina nihatra tamin’izy ireo. Mahagaga ny herin’izany fa niteraka horohoro teo amin’ny mpanao herisetra sy nahavaha ny fatorana rehetra. Ny herisetra rehetra dia avy amin’ilay ratsy. Efa nomen’ny Tompo antsika ny fitaovam-piadiana ho enti-manohitra izany ka anisan’izany ny fivavahana (Efe 6:18). Manana endrika vavaka misy tonony sy feony ihany koa ny hira fïderana.

2 – Amin’ny alalan’ny fitoriana (and. 28‑33)

Tsy nitsahatra ny fitoriana nataon’i Paoly sy i Silasy na dia niharan’ny herisetra aza izy ireo. Ny fitoriana nataony no nampiova fo ny mpanao herisetra ka nandraisan’izy ireo ny famonjena. Mila mitozo hatrany amin’ny fitoriana ny filazantsara isika ho fanoherana ny herisetra amin’ny lafiny ny rehetra. Ny fandraisana an’i Jesoa sy ny Vaovao Mahafalin’ny famonjena amin’ny anarany mantsy no mitondra fiadanana izay mifanohitra amin’ny fanaovana herisetra.

Fanontaniana :

Efa nampiasa ireo ve ianao ho fanoherana ny herisetra ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alakamisy 30 Aogositra 2018

Mitsangana hanohitra ny herisetra

I Samoela 24:1‑9

Ny olona misoroka ny herisetra.

Nisoroka ny herisetra hatrany i Davida na dia efa nisy fotoana aza nahazoany namono an’i Saoly mba hampitsahatra ny herisetra atao aminy. Andeha hanao toa azy ka :

1-Mihaino ny feon’ny fieritreretana (and. 4‑7)

Feo roa no henon’i Davida eto. Andaniny, ny feon’ireo namany izay nandrisika azy hamono an’i Saoly. Ankilany kosa ny feon’ny fieritreretany izay mifanohitra amin’ny feon’iretsy namany. Nihaino ny feon’ny fieritreretany i Davida ka voatohitra ny fanaovana herisetra. Andriamanitra no manome io feon’ny fieritreretana io. Mila mihaino izany isika.

2 – Manaja ny maha-olom-boahosotra (and. 8‑9).

Ny maha-olom-boahosotra an’i Saoly no nataon’i Davida tao an-tsaina ka antony tsy nanaovany herisetra taminy. Na teo aza ny fanenjehan’i Saoly azy sy ny fifofony ny ainy dia nohajain’i Davida hatrany ny maha-olom-boahosotra an’i Saoly mpanjaka. fanehoana ny fanokanan’Andriamanitra olona iray ho amin’ny andraikilra manokana ny fanosorana. Olona tahaka ny olona rehetra anefa ireny olona ireny ka mety manana ny fahadisoany, mety manana ny fahalemeny. Tsy antony hanaovana herisetra amin’izy ireny anefa izany noho ny amin’ny maha-olom-boahosotra azy.

Fanontaniana :

Efa mba isan’izay nikasa hanao herisetra tamina Mpitandrina ve ianao ?

Alarobia 29 Aogositra 2018

Mitsangana hanohitra ny herisetra 

Mat. 6:21‑29

Ny mpino manohitra ny herisetra

Andeha horaisina ho toromarika omen’ny Tompo antsika mba tsy ho tafalatsaka amin’ny fanaovana herisetra isika ka :

1- Manaova ny sitrapon’ny Ray (and. 21‑23)

I Jesoa no tena mahalala ny sitrapon’ny Ray ka nampita izany tamin’ny alalan’ny fampianarana sy ny toriteny rehetra nataony. Isan’izany ny tsy tokony hamaliana herisetra ny herisetra (Mat. 5:38‑41). Tsy mety ny manao Tompoko, Tompoko an’i Jesoa sy ny fanaovana asa maro amin’ny anarany kanefa any ambadika isika manao herisetra amin’ny tenantsika na amin’ny hafa. Fandavana antsika tsy hiditra ny fanjakan’Andriamanitra no setrin’izany eto.

2- Mankatoava ny Tenin’ny Tompo (and. 24‑27).

Fanoharana no entin’i Jesoa maneho ny elanelana misy eo amin’ny olona mankato ny teniny sy ny tsy mankato. Fahafahana manohitra ny sarotra rehetra ho an’ny mpankatoa ny teny. Faharavana kosa ho an’izay tsy mankatoa. Mahatohitra ny fanaovana herisetra izany izay mankato ny Tenin’ny Tompo. Mora latsaka ao anatin’ny fanaovana herisetra kosa izay tsy mankato ny Teniny ka faharavam-piainana no iafaran’izany. Toy ny riaka be sy rivotra mifofofofo mila handrava ny trano mantsy ny herisetra ka raha ratsy fotolra ny trano dia ho rava.

Fanontaniana :

Inona no sakana tsy ahafahana mankatoa ny tenin’ny Tompo ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Talata 28 Aogositra 2018

 

Mitsangana hanohitra ny herisetra

Isaia 53:7‑10

Niharan’ny herisetra llay Voahosotra.

Tafiditra ho anisan’ireo toko milaza ny mombamomba llay voahosotr’i Jehovah sy ny fiainany ity mofonainantsika ity. Niharan’ny herisetra Izy mba ho famonjena ny maro ka :

1- Nanaiky ny hitondra fahoriana (and. 7)

Mazava kokoa ny herisetra natao tamin’ny Mpanompon’i Jehovah ity rehefa vakiana ny and. 4‑7. Ny herisetra natao tamin’i Jesoa no nambara mialoha eto satria tanteraka taminy avokoa ny fampahoriana rehetra voalaza eto. Fomba iray nentin’ny Tompo nanohitra ny herisetra natao taminy ny fiaretana sy ny fanetre-tena ary ny fahanginana.

2 – Nanaiky ny hohelohina (and. 8)

Mahagaga ny valin’ny fitsarana eto. Ny niharan’ny herisetra indray no voaheloka. Fanehoana fankatoavana izany mba hahatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra. Tsy nanohitra ny herisetra natao taminy ny Tompo mba ho fankatoavana ny Ray sy ho fisoloana heloka antsika.

3 – Nanaiky ny hovonoina (and. 9)
Niafara tamin’ny fahafatesana ny fampijaliana sy ny fampahoriana nihatra tamin’ity Mpanompon’i Jehovah ity. Ny fahafatesan’i Jesoa teo amin’ny hazo fijaliana sy ny nandevenana Azy tao am-pasana no porofo manamarina ny fahamarinan’ily faminaniana eto ity.

Fanontaniana :

Mitadiava toko sy andininy hafa miresaka ny momba ity Mpanompon’i Jehovah ity ao amin’ny bokin’i Isaia ihany ?

Hafatry ny Filoha / Aogositra 2018.

VONTOSY FILAZANTSARA

NY NOSY MADAGASIKARA !

Sa ianao tsy tena mino

Fa raha olom-baovao

Tena manana ny Tompo,

Dia i JESOA KRISTY,

No mitondra firenena,

Dia hiova ny Tantara ?

Vakio indray ny Baiboly,

Fa raha hendry ny mpitondra,

Tena mino sy mivavaka :

Miadana ny firenena !

Koa andao isika hilofo

Hamafy ihany,

Hamafy hatrany

Ny voan’ny Filazantsara.

Fa na dia tany karakaina

Toa tsy misy hantenaina

Aza re ny fon’ny sasany,

Ka ny teny notorina

Toa very foana, tsisy asany,

Tsy maninona fa andao

Hotohizantsika ihany

Ny asa tsara izay natao.

Fa nahoana moa ny ratsy

No mikiry,tsy mba kivy,

Ka isika kosa indray

No hilavo lefona am’izao?

Mitsangàna ianao, ry mino :

VONTOSY FILAZANTSARA

NY NOSY MADAGASIKARA !

 

IRAKO Andriamahazosoa AMMI , mpitandrina 

Filohan’ny FJKM

Tafika masina / Antanimbaribe ( Kandreho)

Vavolombelona aho

Nanatanteraka Tafika Masina iombonana tany Antanimbaribe ny Sampanasa Asa Fitoriana ny Filazantsara Foibe (AFF) niaraka tamin’ny Vehivavy Sakaizan’ny AFF ary ny Fiangonana tratra antso ny volana Jolay 2018. Isan’ny tany an-toerana Atoa Rafidiarimanda Daniel, Mpiandry, Loholona sady Filohan’ny AFF ao amin’ny Fitandremana misy azy. Aumônier ao amin’ny Fonja Antanimora ihany koa.

Toe-javamisy

Ny Kaominina Antanimbaribe dia ao anatin’ny Distrikan’i Kandreho, Faritra Betsiboka, Faritan’ny Mahajanga. Antanimbaribe dia làlana eo amin’ny 40 km eo ho eo miala an’i Kandreho. Dia an-tongotra no nanaovana izany. Inefatra niampita renirano ny mpiantafika vao tonga tany Antanimbaribe ny Zoma 20 Jolay 2018, raha niala teto Antananarivo ny Alarobia 18 Jolay 2018.

Mifampiankina ny asa ara-panahy sy ara-tsosialy natao tany. Ny Vehivavy Sakaiza izay mpanohana ireo Evanjelistra miparitaka any ambany ravin-kazo any dia nitondra mpitsabo izay nanatanteraka fizahana sy fitsaboana ny mponina nanatanterahana ny Tafika Masina. Raha nanontaniana ny momba an’i Jesoa ny olona dia misy ny mahafantatra fa maro koa no tsy mahalala ka milaza hoe: “Tsy làlako izany”. Antony, nisy Fiangonana sy mpitarika ihany tany taloha nefa rava. Io toerana io koa dia mbola miaina amin’ny filalaovana ody.  Hita izany tamin’ny fotoana nanatanterahana ny asa fandroahana ny demonia. Ny zavatra nahafaly dia moramora kokoa ny mitarika ny ankizy ho ao amin’i Jesoa satria mora entanina. Toy izany koa ny vehivavy. Fa ny lehilahy na manaiky aza tsy miraika ary tsy tonga amin’ny fotoana nifanomezana. Nisy tokantrano 200 tafo tany no voatsidika.

Fanentanana

Tsy mbola vaindohan-draharahan’ny Fiangonana maro ny Tafika Masina. Raha nataon’ny Foibe AFF ny antso dia tsy nisy afa-tsy olona 33 ihany no nanohina. Ny baikon’ny Tompotsika anefa dia hoe: Mandehana ianareo ka mitoria ny Filazantsara amin’ny olombelona rehetra. Betsaka ny miofana fa vitsy no mandeha amin’ny Tafika Masina. Ahoana moa no ahatrarana ny vinan’ny FJKM hoe :amin’ny taona 2118 dia mbola hijanona ho firenena Kristiana i Madagasikara. Entanina ny Fiangonana mba hanao vaindohan-draharaha ny Tafika Masina toy itony, amin’ny fanohanana (vavaka, vola, fitaovana) sy firotsahana an-tsehatra mihitsy.

Ampaherezina ny Foibe hanohy hatrany ny Tafika Masina iombonana na inona na inona zava-misy, ary tsy hifidy toerana fa hatrany amin’ireny faritra sarotra ireny mihitsy. Tsy mora ny Tafika Masina, ary indraindray aza mihatra aman’aina kanefa tsy mahakivy izany. Misy olona efa 72 taona sy zazakely zanaky ny Katekista tao Kandreho nahavita nanao izany làlana 40 km izany.

Ny faniriana dia mba hanaitra ny Fiangonana izao, araka ny voalazan’ny Soratra Masina hoe: “Mifohaza hianao izay matory, ary mitsangàna amin’ny maty, dia hampahazava anao Kristy” (Efs 5. 14). Ny FJKM dia tokony hanao vaindohan-draharaha ny asa fitoriana ny Filazantsara satria misy olona tokony ho taomina sy angonina ho ao amin’ny Tompo maro be any. Mampalahelo raha izao firenena Malagasy efa miaina anaty fahantrana izao no mbola tsy hanana an’i Jesoa Kristy ho Tompo sy Mpamonjy azy. “Fa tsy nomen’Andriamanitra fanahy osa isika, fa fanahy mahery sy fitiavana ary fahononan-tena, koa aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompontsika” (2 Tim 1. 7-8a).

Nanangona: José Ravoavison

FJKM AMBOHIMAMORY Malala Orimbato ( SP 10) /150 T

Mitohy hatrany ny fankalazana ny jobily ny faha 150 taona

“Indro havaoziko ny zavatra rehetra” Apok 21,5

Isaorantsika ny Tompo noho ny nahatanterahan’ireo fotoana sy hetsika maromaro tao anatin’ny fankalazana ny faha 150 taona ny fiangonana. Teo ny Alahadin’ny “Zatovo sy ny Tanora” tamin’ny Alahady, 29 Jolay. Tonga maro izy ireo tamin’izany ho voninahitr’Andriamanitra ary nijoro vavolombelona tamin’ny alalan’ny raki-pahasoavana.

Tsy ela akory fa ny Ahahady, 12  Aogositra lasa teo no notontosaina ny Alahadin’ny Taranaka sy ny Sakaizany – Fankalazana ny 150 taona, saingy ny nampiavaka azy tsy toy ny isan-taona dia ny nanatanterahan’izy ireo ny tonona ho fandraisana anjara amin’ ny asa fanitarana ny fiangonana izay tsangambaton’ny faha 150 taona. Notohizana tamin’ny fety niarahan’ny terak’Ambohimamory, izay fanao isaky ny faha 15 aogositra izany alahadin’ny taranaka izany.

Marihana fa araka ny tantara dia 15 Août 1932 no nanomboka ny fankalazana ny fetin’ny terak’Ambohimamory, araka ny hita ao amin’ny boky “Tantaran’ny niandohan’Ambohimamory” nosoratan-dRazafimahefa Albert, ny 27 Jona 1989. Izany fety izany dia ho fanehoana ny fifankatiavana sy ny fihavanana izay efa nohamafisina orina hatrany amin’ny taona 1907 : fotoana nifohazan’ny firaisan-kina.

Mahakasika ny asa fanitarana indray dia efa mandroso tanteraka ny asa ary maneho fisaorana sy fankasitrahana hatrany ireo rehetra nifanome tanana ary indrindra ireo izay handray anjara amin’ny hetsika manaraka, toy ny Alahadin’ny “Dadabe sy Bebe”, ny Alahady, 23 Septambra, ny rindran-kira hotontosain’ny “AMPIFITA” ny Alahady, 30 Septambra ao amin’ny Kianja mitafon’i Mahamasina, izay hanasana ny rehetra.

Hamaranana izao lahatsoratra izao dia indramintsika ny tenin-dRazanadeva Arthur, Mpitandrina, ny faha 14 Jolay 1969, ao amin’ny teny fanolorana ny boky izay nosoratany : “Todiho ny lasa ry Taranak’Ambohimamory ô ! Banjino ny ho avy ka tano mafy izay anananao. Mandrosoa ho amin’ny fahamendrehana hatrany, manàna fahamarinana, arovy ny tenanao tsy hisy pentimpentina ary miezaha mandrakariva hampandroso ny Fanjakan’i Kristy. Onero ny banga, havaozy ny fiainana rehetra ary aza avela hisy hanao tsinontsinona anao.”

 RAHARINJATO Herisoa

Filohan’ny Sampana Sekoly Alahady

Komity faha 150 taona

Ny Fanomanana ho Diakona

Madiva hifarana ny taom-piasan’ireo tomponandraikitra rehetra any anivon’ny Fitandremana, satria ny taona alohan’ny Synoda lehibe no amaranany ny asany, izay naharitra efatra taona. Amin’io taona hoavy io, 2019, no ho taom-panavaozana, ka isan’izay tsy maintsy havaozina amin’izany ny Diakona, isa-pitandremana.

Ny diakona dia iray amin’izay mandrafitra ny antsoina hoe: Mpiara-mivavaka sady vahoakan’Andriamanitra rahateo (Fotodalàna sy Fitsipika – FDF-  toko faharoa), Mpandray ny Fanasan’ny Tompo, izay voasoratra anarana ao anatin’ny Fitandremana ka fidian’ireo Mpandray ny Fanasan’ny Tompo namany ho Diakona. Hifanaraka amin’ny isan’ny Mpandray ny isan’izy ireo amin’izany.

Fanompoana manokana no tanterahin’izy ireo eo anivon’ny fitandremana ka andraisany fanofanana ho fanomanana azy ireo amin’ny ny andraikiny. Ny FDF andininy faha 127, 128, 129 no mamaritra ny fiofanana tokony ho raisiny.

Haharitra telo volana io fiofanana io raha kely indrindra, izay tanterahina mialoha ny handraisan-tanana na anokanana azy ho Diakona (FDF And. 127) Tanterahina isan-kerinandro ny fanomanana amin’izany (and. 128).

Araka izany, na dia azo atao tsara aza ny manefa ny fanofanana ao anatin’ny ora maromaro, indray na indroa andro, eny na azo atao koa aza ny manoratra ny fanofanana ilain’ny Diakona ka hiofanany any an-trano dia tsy azo atao izany. Azo heverina mantsy fa efa fanomanana azy hiatrehany ny adidiny isan-kerinandro ny fanofanana azy isan-kerinandro. Farafahakeliny dia ho isan’alahady no hanao ny asany ny Diakona iray ka tsy maintsy omanina ho amin’izany izy. Koa nahoana ary no ahitana na andrenesana fa misy Diakona tsy tonga miangona raha tsy amin’ny fotoana anatanterahana ny anjara raharahany? Azo amaliana izany ny hoe: satria tsy takany ny hevitra ao ambadiky ny fiofanana isan-kerinandro.

Lohahevitra Valo no atolotra ny Diakona mandritr’io fotoam-piomanany io dia ireto avy, araka ny FDF and. 129 hoe: “Izao no fandaharan-desona ampianarina ireo miomana ho Diakona :

  • Fahalalana sy heviteny tsotra momba ny Soratra Masina : Testamenta Taloha sy Testamenta Vaovao,
  • Fahalalana ny fotopinoana kristiana,
  • Ny maha-izy azy ny Fiangonana : ny fitondrana sy ny fandaminana,
  • Ny Fotodalàna sy Fitsipiky ny FJKM,
  • Ny Asa Misiona sy ny Asa Fitoriana ny Filazantsara,
  • Ny Ekiomenisma,
  • Ny adidin’ny Diakona, ny toetra tsara ilaina hananany,
  • Ny Fanekena fito”.

Raha ireo fandaharan-desona ireo no enti-mamaritra ny antsoina hoe: diakona dia izao no izy:

Ny Diakona dia ho olon’ny Tenin’Andriamanitra. Fantany ny hevitry ny Soratra Masina izay vakiany ka ho tonga fiainany ny fahafantarany ny fahamarinan’izay vakiany.

Ny Diakona dia ho olona miorina tsara amin’ny maha Kristiana azy. Tsy ny Diakona mihitsy no hanao tan-droa amin’ny finoana ka sady hanaiky ny herin’ny maizina no hankato ny herin’Andriamanitra avo indrindra.

Ny Diakona dia ho olona manaiky sy miasa eo ambany rindran-damina sy rindram-pitondrana mazava, fa tsy sanatria manao izay tiany hatao. Amin’izany, ny Fotodalana sy fitsipika no toy ny arofanina mamerina azy tsy ho latsaka any amin’ny tsy fanoavana.

Ny Diakona dia ho Misionera (Iraka mpanao ny asan’Andriamanitra) no Mpitory ny Vaovao mahafaly dia ny famonjen’i Jesoa Kristy amin’ny Mpiara-belona aminy ka hiainga ao amin’ny Fiangonana nahavoafidy azy izany.

Ny Diakona dia ho olon’ny firaisam-piangonana, miainga avy ao amin’ny fiangonany ka miitatra hatrany amin’ireo Fiangonana Kristiana hafa manodidina azy.

Ny Diakona dia olona mandray andraikitra amin’ireo adidin’ny fiangonana ka maneho izany amin’ny toetra tsara ananany hatrany anivon’ny Fiarahamonina misy azy any.

Ny Diakona dia olona manana an’Andriamanitra ho Andriamaniny ary manaiky fa izy dia olon’Andriamanitra.

Koa eto am-pamaranana, ry Diakona o! Samia manavao ny fanoloran-tenany.

Ho an’Andriamanitra irery ihany anie ny voninahitra.

Rasorapiangonana

Fanazavana Perikopa Sept 2018.

Sahia manohitra ny kolikoly

Vita soa aman-tsara iny ny fankalazana an’Andriamanitra noho ny Jobily roa sosona, fa manohy ny fiatrehana ny fiainam-panompoany ny Fiangonana. Voatsiahy tamin’iny Jobily iny ny lalan-tsarotra nolalovan’ny Fiangonana hatrany am-pidirany; tany Antetezampasika ka hatreto Antanananarivo, eny hatrao amin’ny repoblika voalohany. Nandalo herisetra maro ny Fiangonana ka tsy maintsy nanohitra izany. Ny Mpanao herisetra matetika dia fantatra sy hita maso ka azo notoherina tsara, fa tsy mba toy izany ny ady amin’ny kolikoly izay azo heverina fa notoherin’ny Fiangonana ihany koa.

Amin’ity volana fahasivy, amin’ny taona 2018 ity, no ibanjinan’ny Fiangonana io ady amin’ny kolikoly io, ka nifidianan’ireo mpandrafitra perikopa ny lohahevitra hoe: “Sahia manohitra ny Kolikoly”

Amin’ity tari-dàlana ity no hiezahantsika hamaritra ny atao hoe: “Kolikoly” araka ny Perikopa voalahatra amin’ireo Alahady efatra, ka ny Testamenta taloha no horaisina.

Eksodosy 23, 1- 9: Ny toko faha 20 amin’ity boky ity no manambara ny nanomezan’Andriamanitra ny didy folo, satria olona manana an’Andriamaniny ho Andriamaniny ireo. Andriamanitra sady mitondra ny olony no manala azy ao anatin’ny fanandevozana. Io Andriamanitra mitondra sy manafaka io no manambara ny didiny mba ho porofom-pahariana vaovao ho an’ny Zanak’i Israely (Tsara ny manamarika fa mifanindran-dalana ireo fahariana ao amin’ny Genesisy toko voalohany sy ny didy folo). Mitohy io fanomezana lalana io hatrany amin’ny toko fahatelo amby roapolo. Ny andininy fahavalo no mandidy manokana ny Zanak’i Israely tsy hanao kolikoly. Azo zaraina ho roa ny Kolikoly araky ny fampiharan’izay manao izany dia ny kolikoly manome, ankilany ary ny Kolikoly mandray andaniny. Eto ny kolikoly dia fantatra amin’ny vokatra aterany. Ny Kolikoly no mitondra ny olona ao amin’ny aizina; toy ny olona jamba, tsy mahafantatra ny mazava. Mandrava sady manohatra ny faharian’Andriamanitra ny Mazava ny kolikoly. Ary raha manambara isika hoe: Aizina, moa tsy ny asan’ny Satana sy ilay ratsy va izany. Ankoatr’izany, ny kolikoly no mamadika ny marina izay endriky ny famadihana an’i Jesoa Kristy, Ilay “Fahamarinana”. Noho izany, ny Mpanao kolikoly dia efa mifidy sahady ny handa an’i Jesoa Kristy Fiainana ka manohitra ny antom-pahatongavan’Ilay Mpamonjy.

Salamo 15, 1- 5: I Davida dia isan’ireo Mpanompo nahafantatra tsara ny hatsaran’ny fiarahana amin’Andriamanitra, ka maminy indrindra izay nitondran’Andriamanitra azy, araka ireo hira nataony ao amin’ny Salamo. Koa na iza na iza te-hiara-miaina amin’Izy Andriamanitra dia anariny mba tsy handray Kolikoly satria tsy hoe: mamadika ny marina ihany, araka izay voalaza tetsy aloha ny kolikoly, fa mitondra ho amin’ny fanamelohana ny marina. Ny Kolikoly dia endriky ny fanomezana vahana indray ny ratsy fanahy ka anadinoana fa Andriamanitra irery no tokony homena voninahitra. Tsy afa-miara-mitoetra amin’Andriamanitra ny olona mamadika ny voninahitr’Andriamanitra ho amin’ny ratsy.

2 Tantara 19, 4- 11: Nozarain’ny mpandinika ho efatra ny bokin’ny Tantara (1 sy 2), ka ity perikopa ity dia ao anatin’ny fizarana fahaefatra farany, izay mitantara indrindra ny Fanjakana Atsimo. Nanomboka tamin’ny fisarahana ka hatramin’ny fahababoana tany Babylona (2 Tantara 10- 36). Eto amin’ity perikopa ity, Josafata mpanjaka no mamerina ny olona ho amin’Andriamanitra ka ny fametrahana rafitra mpitsara no anehoany izany. Napetraka isa-tanàna ny mpitsara. Ny Mpitsara dia hanatanteraka ny asany mitodika amin’Andriamanitra, fa tsy mitodika amin’ny olona tsaraina. Momba azy Andriamanitra Marina, ka marina amin’ny fitsarana ataony ny Mpitsara. Izany fahamarinam-pitsarana izany no ho fisehoan’Andriamanitra ao amin’izy Mpitsara. Noho izany, ny kolikoly dia endriky ny fanafoanana tanteraka an’Andriamanitra eo amin’izay manao izany sy eo amin’ny mpiara-belona.

Amosa 5, 10- 15: Araka ny voarakitra dia mpioty aviavy tany Tekoa (Jodia), teo atsimon’ny Betlehema i Amosa fa tsy mba mpaminany na zanaky ny Mpaminany (Amo.7, 14). Tao amin’ny tanàna nidiran’ny fandrosoana no nisy azy, ka mora nidiran’ny endrim-pandrosoana rehetra ihany koa ny olona. Fandrosoana nitondra ny Israely ho amin’ny fialana tamin’Andriamanitra ka nanaraka ny fanaon’ny fiarahamonina (and. 2). Voatanisa eto amin’ity perikopa ity ny sasantsasany tamin’ireo fanao ratsy nataon’ny Israely. Iray amin’ireny ny Kolikoly raisina mba hahazoana manavotra olona meloka. Amin’izany, ny kolikoly dia vidin-keloka, manafoana ny ran’i Jesoa Kristy hany mahavotra ny olona tamin’ny faharatsiany rehetra.

Koa ialao ny fanao ratsy dia ny kolikoly mandray na manome.

Ho an’Andriamanitra irery ihany anie ny voninahitra.

RAKOTOZANANY Andrianirinomena Jules, Mpitandrina