Talata 31 Jolay 2018

Sahia mitory ny fahamarinana

Marka 11, 15‑18

« Ny tranoko hatao hoe trano fivavahana ho an’ny firenena rehelra ? (Isa. 56, 7) : fa ianareo kosa nanao azy ho zohy fieren’ny jiolahy ?  »(jer. 7:11)

Manamafy amintsika ny fahamasinan’ny tranon’Andriamanitra ny Tompo

1-Mitaona antsika hanao ny marina
Ny Soratra Masina ihany no mamerina ny olona rehetra amin’ny fahamarinana ary i Jesoa Kristy mihitsy no fahamarinantsika. Izy no nanaiky hanome ny fanahin’ny fahamarinana mba hitari-dâlana antsika
amin’ny marina rehetra. Ny finoantsika no handraisantsika ny fahamarinan’ny tenin’Andriamanitra. Mamaky sy mandinika Soratra Masina isika mba hanana ny teny hitarihan’ny Tompo antsika amin’ny fahamarinana.

2-Mijoro vavolombelon’ny fahamarinana isika

Mahafantatra ny sitrapon’Andriamanitra isika rehefa zatra mamaky Soratra Masina. Ny Tompo dia miteny sy manambara ny sitrapony ao anatin’ny Baiboly. Mampahery antsika ho vavolombelon’ny fahamarinana ny Tompo amin’ny aialan’ny Soratra Masina. Aoka ho sahy mijoro vavolombelona ny kristiana tsirairay izay velomin’ny tenin’Andriamanitra. Handrava ny tsy fahamarinana eo amin’ny fiaraha-monina tahaka ny nataon’ny Tompo.

Fanontaniana :

Inona no nataontsika ho fijoroana vavolombelon’ny
fahamarinana ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Vakiteny isananandro , volana Aogositra 2018.

Mitsangana hanohitra ny herisetra 

Volana Aogositra 2018

01 Eks 2.11-17
02 Jak 4.1-10
03 Est 7.1-7
04 Lio 23.13-25
05 1 Sam 22.11-23
06 Tit 3.1-7
07 2 Kor 1.3-11
08 Mat 26.47-56
09 Sal 18.1-6
10 Asa 12.18-23
11 2 Tim2.22-26
12 Lio 20.9-18
13 Eks 14.10-18
14 Oha 6.12-19
15 2 Sam 3.17-29
16 Mpit 9.11-16
17 Rom 12.17-21
18 Oha 3.27-35
19 Efe 4.25-5 :2
20 1 Sam19.22-30
21 Lio 22.47-53
22 Mpi19.22-30
23 Asa 5.29-39
24 Mat 5.38-42
25 Jao 8.1-11
26 1 Mpa 21.7-19
27 Hos 4.1-3
28 Isa 53.7-10
29 Mat 6.21-29
30 1 Sam 24.1-9
31 Asa 16.16-34

 

Alatsinainy 30 Jolay 2018

Sahia mitory fahamarinana

1 Petera 3, 14‑17

Sambatra isika !

Nahoana tokoa moa no ambara sy lazaina fa sambatra rsika ?

1-Satria miaraka amin’i Jesoa Tompontsika

“…fa manamasina an’i Kristy ho Tompo ao am-ponareo” (and. 15), izay efa nananaran’ny mpaminany ny Isiraely fahizay (lsa. 8, 13), dia hamafîsin’ny Apostoly Petera eto mba tsy hohadinoina ny Tompo. Izy tokoa no mandray ny fon’izay mino Azy ary manaiky hiditra ka hanome fiadanam-po, fitoniana amin’ny tebiteby sady hamonjy. Raha Izy tokoa no noraisintsika ary nekentsika hanapaka ny fiainantsika dia hahatsapa ny fombàn’ny sandriny mahery isika. Koa avelao ny Fanahiny Masina hitarika antsika amin’ny marina rehetra.

2- Satria manaraka ny sitrapon’ny Tompo.

Efa tenin’i Jesoa ny fanomezan-toky antsika mpino kristiana momba ny fahoriana ka nilazany hoe : “matokia, Izaho efa naharesy izao tontolo izao” Jao. 16:33. Nandresy Izy ka entiny handresy miaraka
Aminy isika mino sady hampianariny handeha amin’ny fahamarinany tokoa. Teny fahamarinana no ilazana ny sitrapon’Andriamanitra ao amin’ny Soratra Masina koa aoka hifikitra hankatoa ny teniny isika isan’andro. Izany no manao ny sitrapony.

Fanontaniana :

Tsapanao ve ny fahasambarana omen’ny Tompo eo amin’ny fiainantsika ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alahady 29 Jolay 2018

Sahia mitory ny fahamarinana

Salamo 71:14-24

Ny fizarana ho fitoriana ny fahamarinana

1 – llazana ny asa lehibe nataon’ny Tompo

Nahatsapa ny famindrampon’Andriamanitra teo amin’ny fiainany ny mpanao salamo. Zava-dehibe loatra taminy ny famonjeny azy ka miloatra avy ao am-pony ny filazana ny sandrin’Andriamanitra (and. 18) ho an’ny taranaka mbola ho avy. Ny mpino kristiana raha midera ny Tompo dia sahy milaza ny asa lehibe nataony tahaka izany koa ao amin’ny tononkirany. Mampirisika antsika hanohy ny fitoriana ny filazantsaran’ny famonjena, dia filazana izay nataon’i Jesoa Kristy ho antsika hatramin’ny taranaka fara-mandimby.

2 – llazana ny Tompo amin’ny fahamarinany.

« Ary mihatra amin ‘izay avo indrindra ny fahamarinanao, Andriamamlra ô… iza no tahaka Anao ? » (and. 19) Indro manao fanekem-pinoana ny mpanao salamo ary milaza an’Ilay Andriamanitra miasa ao amin’ny fiainany ka na misy zava-tsarotra nolalovany aza dia natoky Azy izy fa «hampiakatra» (and.20) azy indray. Miankina tanteraka amin’ny fahamarinan’Andriamanitra ny fiainany ka mijoro vavolombelon’izany izy. Isika koa, aoka hanao tahaka ny mpanao salamo amin’ny fitoriana ny filazantsara fa Marina sy Fahamarinana ny Tompontsika, Izay ekentsika harahina mandrakizay.

Fanontaniana :

Vonona hijoro vavolombelon’ny fahamarinana ve isika ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Sabotsy 28 Jolay 2018

Sahia mitory ny fahamarinana

Isaia 11:1-5

Ny fitsarana marina

1 – Mampiavaka llay Andriamanitra marina

« Ka tsy hitsara araka ny hitan’ny masony Izy na hampiaiky araka izay ren’ny sofiny » (and. 3b). Ny fitsarana ataon’ny olona no mitsara ivelany fa ny Mpitsara marina, dia Jesoa Kristy rehefa hiseho eny amin’ny rahona amin’ny heriny sy ny voninahiny Izy (Apo. 19:11). Hitsara ny olona araka ny asany izy, mandinika ny fo sy ny voa ary mahafantatra ny alehan’ny olona tsirairay. Tsarainy amin’ny nataontsika isika. Marina Izy ary ny Teny Fahamarinana avy amin’ny vavany no hanehoany ny fitsarana marina hataony. Aoka hoentintsika eo amin’ny Tompo ny ady atrehantsika.

2 – Maneho llay Andriamanitra fahamarinana.

« Fahamarinana no ho fisikinany ary fanahy mahatoky no ho fehin-kihony » (and. 5). Ny hery sy ny fahefana rehetra any an-danitra sy ety an-tany dia nomen’Andriamanitra Ray an’i Jesoa Kristy Zanany Tompontsika. Izy dia nanambara ny Tenany hoe: Fahamarinana» (Jao. 14:6) satria tonga tamin’ny alalany ny fahamarinana (Jao. 1:17). Manota ny olona rehetra kanefa izay tonga miaiky ny fahotany eo anatrehan’ny Tompo Mpitsara marina dia mahazo famelan-keloka (I Jao. 1:9). Aoka hanetry tena sy handefitra isika.

Fanontaniana :

Efa nentinao hotsarain’ny Tompo Jesoa ve ny adinao sa nitady mpitsara hafa ianao ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Zoma 27 jolay 2018

 

Sahia mitory ny fahamarinana

Matio 5:31-37

Ny fahamarinana asaina hiainana manomboka ao an-tokantrano.

1- Marin-toerana ny tokantrano.

Tsy ankasitrahan’ny Tompo mihitsy ny fisaraham-panambadiana na inona na inona no antony, saingy nekeny ihany raha noho ny fijangajangana satria efa nisy lalàna (Deo. 24:1). Izany anefa dia vokatry ny tsy fahamarinan-toeran’ny tokantrano. Tsodrano nomena ny hoe : « marena tokantrano » fa firy no mametraka tokoa ny tokantrano ho marin-toerana ka tsy mizotra amin’ny fisaraham-panambadiana ? Irina fatratra ho maro izany. Ny tsy fifampitokisan’ny mpivady no olana voalohany mampiditra izany ka manimba ny tokantrano. Aoka àry hiverina hifampatoky ny mpivady, tsy hifamitaka fa hifanampy sy hifankatia manaraka ny Tenin’Andriamanitra.

2-Mandeha amin’ny fahamarinana.

Ny fianianana dia nataon’ny olona hampidirana an’Andriamanitra ho vavolombelon’ny zavatra lazainy ka na tsy marina aza dia aleony miandry ny vokany eo. Manome didy tsy hanaovana intsony fianianana ny Tompo satria ny fahamarinana tsy mba azo havadibadika. Tsotra ny fanapahan-kevitra nampianarin’ny Tompo : « Fa aoka ny teninareo ho Eny, eny ; Tsia, tsia ; fa izay mihoatra noho izany dia avy amin’ny ratsy » (and.37).

Fanontaniana :

Manao ahoana ny tokantrano misy antsika ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alakamisy 26 jolay 2018

Jakoba 5:1-6

« Efa nanameloka namono ny marina ianareo ,
fa tsy manohitra anareo izy » (and. 6)

Ny fïjoroantsika manahaka ny Tompo.

1 – Anekena na fanamelohana sy famonoana aza

Tonga mpandresy tahaka an’i Jesoa Kristy isika raha mihazona mafy ny teny fahamarinana ao Aminy. Izy no hanamarïna na iza na iza hiampanga ny olomboafidiny. Efa notanterahin’i Jesoa avokoa ny ady mampitondra fahoriana eto amin’izao tontolo izao ka nametrahany fampanantenana hoe « matokia » ! Manaiky ho maritiora na vavolombelona ny mpitory ny Filazantsaran’ny famonjena satria hiatrehana zava-tsarotra izany. Aoka ialàna ireo toetra mifanohitra amin’izany fa tsy hahatanterahantsika ny sitrapon’ny Tompo. Toetra feno tsy fahamarinana hita amin’ny and. 1‑6.

2 – Fandrasana ny baikon’ny Tompo Jesoa

Manazatra ny zanany amin’ny fomba amam-panaony ny raiamandreny rehetra. Ny Tompontsika koa maneho fanazarana antsika hanao ny marina ao amin’ny Soratra Masina. Tsy nanohitra ireo mpampahory sy mpampijaly tokoa i Jesoa mba hahavitan’ny famonjena tamin’ny nanolorany ny tenany ho sorona.
Ampianariny hiandry sy hatoky Azy isika ary manome baiko Izy toy ny hoe : « aza manahy izay havalinareo, na izay holazainareo » (Lio. 12:11). Finoana sy fahatokiana tanteraka Azy no tadiaviny koa aoka hanam-paharetana isika amin’ny fijoroana marina.

Fanontaniana :

Efa misy toetran’ny Tompo tahafinao ve ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alarobia 25 jolay 2018

Sahia mitory Fahamarinana

Isaia 56, 1 -2

Ny famonjena izao tontolo izao no entin’ny mpaminany Isaia ka hanehoany fiainam-baovao ho an’ny olona mitandrina ny rariny sy manao ny marina. Ny fahasambaran’izay manao izany no lazainy eto.

1-Mitàna ny marina mahavonjy.

Manomana ireo avy any ampahababoana ho amin’ny fanomezan-toky, dia ny fisehoan’ny famonjena ny Tompo nefa tsy tena famonjena ny olona rehetra no hambarany eto. lzay mitàna ny marina no handray ny famonjena notanierahin’i Jesoa Kristy tety antany. Ny fahamarinan’Andriamanitra dia mitondra fahasambarana ao amin’izay mankatoa ny didiny ary manao ny marina mandrakariva. Tsy ny andro natokana hivavahana no zava-dehibe fa ny toe-po hoetina manompo an’Andriamanitra. Ny finoana hanatanterahana ny asa fanompoana nomeny hovitaina.

2-Miaro ny tànany tsy hanao ratsy.

Tsy afaka manao fitan-droa isika, « tsy olona mahay manompo tompo roa » (Mat. 6, 24) ; « aza mirehareha na mandainga hanohitra ny marina » (Jak. 3, 14b). Koa aoka isika hiaro ny tenantsika manontolo tsy hanao ratsy fa hanao ny tsara sy ny marina ankasitrahan’ny Tompo. Fanolorantena hanompo ny Tompo amin’ny fo madio sy marina no hahazoana ny famonjena mampiditra ao amin’ny fiainam-baovao, dia fahasambarana izany. Fiainana hisantarana sahady ny fiainan-danitra na mbola eto antany ihany aza isika.

Fanontaniama :

Notananao ve ny famonjena mitondra fiainam-baovao sy fahasambarana ? Hifampizarao.

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM