Sabotsy 30 Jona 2018.

Miantsoa fanafahana avy  amin’ ny Tompo 

Salamo 144.6-11

Misy  ady sarotra  atrehan’ny mpanao salamo  eto ary rehefa miady izany dia tsy maintsy manantena fandresena hatrany. Ny hery na ny paikady hahafahana mandresy no tsy maintsy  apetraka tsara. Ny  mpanao Salamo àry dia:

1-Niandrandra ny fanampian’ Andriamanitra 

Hasehony sy haverina indroa ny zava-tsarotra hatrehany : « afaho aho ka vonjeo amin’ny  tànan’ny fahavalo ». Milaza izany fa manankery ny fahavalony ka tsy azo tsinotsinoavina fotsiny. Ny fanehoana ny tànana ankavanana mamitaka eto dia filazana  fa tena mamotika mihitsy izy fa tsy  hisomonga  fotsiny, raha tokony ho fanampiana sy fiarovana no azo avy amin’ny tànana ankavanana (jereo Isa. 41.10). Tsy  mihevi-tena ho inona ny  mpanao salamo  hahatohitra izany ka miandrandra indrindra ny fanamian’ Andriamanitra miantso ny mpamaky koa izy hanao  tahaka azy.

2-Midera an’ Andriamanitra

Toe-javatra fanao sy mivelatra ao  amin’ny Salamo ary  ampianarin’ny mpanao  salamo ny mpamaky indrindra ny  fiderana an’ Andriamanitra. Raha ny  marina, ny  sehatra misy  eto  dia ao  anaty ady  kanefa  hasehon’ny mpanao salamo  fa tsy  ny fisian’ny  ady  akory no ilazana hoe: sahirana be, dia tsy hanam-potoana hiresahana sy hiderana an’Andriamanitra. Ny  mifanohitra amin’izany aza no hatao, tena midera an’Andriamanitra amin’ny fotoana rehetra ka mino, fa io Andriamanitra io   dia mahafantatra  izay  tokony  hanampiana  izay  rehetra  matoky Azy. Mitaona antsika hametraka  ny fiainana amin’izany  na inona na inona mitranga.

Fanontaniana:

Fotoana inona ihany  no tokony  hiderana ny  Tompo?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Zoma 29 Jona 2018.

Miantsoa fanafahana avy amin’ny Tompo

Romana 13.11-14

Miomana hanana anjara amin’ny famonjena

1-Misaraha amin’ny aizina sy ny alina 

Eo amin’ny and. 12 dia misy  izao : « Efa ho lasa ny alina …aoka hariantsika ny asan’ny maizina« . Ankehitriny dia hoharina indrindra amin’ny maizina na ny alina izay anjakan’ny ratsy toy ny filalaovan-dratsy, ny fahamamoana, ny fijangajangana… Izany sy ny hafa  tsy voatanisa fantatry ny maro dia mamatotra ny olona ka mahatonga azy hiaina ao anaty aizina. Ho an’izay mieritreritra hanana anjara amin’ny famonjena ao amin’i Kristy kosa anefa dia ireo izay mihevi-tena ho kristiana. Tadidio fa tsy enti-poana izany anarana izany fa tsy maintsy  manapa-kevitra  misaraka amin’ny maizina (jereo Jao 3.19).

2-Raiso  sy iaino ny mazava

And. 13, « aoka  isika  hitondra  tena tsara  toy ny amin’ny andro ». Ny  ambara  amin’izany dia ny fiainana izay  zava-misy rehetra ao amin’ny mazava. Ny  zavatra voalohany takiana amin’izany dia ny fananana sy fitafiana an’i Kristy, izany hoe: mampiditra an’i Kristy ao aminy, manao  ny asan’i Kristy, mandeha amin’ny làlan’i Kristy. Amin’ny teny hafa, miezaka manatanteraka izay voalaza ao  amin’ny Efes. 5.8-11. Mety  mandeha ho azy  ny fitenin’olona hoe: izaho efa mpandray ny Fanasan’ny Tompo, nefa aoka handini-tena tsara izy fa izao no lazain’i Paoly : « izay manao azy fa efa mijoro  tsara  dia aoka  izy hitandrina fandrao  ho lavo » (1Kor. 10.12)

Fanontaniana:

Ho an’iza ny famonjena omen’ Andriamanitra ao amin’i Kristy ?

Birao Sekoly Alahady  FOIBE FJKM

S.Fivondronana Laika / Tonia vaovao

SAMPANA FIVONDRONANA LAIKA (SFL)

NAHAZO TONIA VAOVAO.

Napetraka tamin’ny fombam-piangonana tao amin’ny FJKM Katedraly Analakely ny Alahady 22 aprily 2018 ny Tonian’ny SFL Ramatoa RAMANANA RAZAIHARIMALALA Fiainantsoa, rehefa notinapaky ny fivorian’ny Mpiandraikitra Foibe teny amin’ny CFD Ampandrana ny 19-25 Aprily 2018  izay hisolo toerana ny teo aloha dia Itompokolahy Andriantsoa  Yves Michel izay efa nodimandry.

Toy izao  ny mombamomba azy:

Manambady an’Andriamatoa RAMANANA Alain, manan-janaka 3 mianadahy. Kristiana Laika avy ao amin’ny  FJKM Amparibe Famonjena, Synodamparitany Antananarivo Andrefana SPAA 10. Ny Synodamparitany nitaiza dia ny SP Mandridrano Mpiambina 29 sy Miarinarivo Fahazavana 27. Diakona tao amin’ny FJKM Miarinarivo Finoana, Mpandray ny Fanasan’ny Tompo FJKM Antanimena Andrefana .

Niofana tao amin’ny Ivon-toerana Fanomanana Misionera IFM/FJKM . Nivoaka ho Mpitoriteny SEFALA tao amin’ny Synodamparitany Miarinarivo Fahazavana SP 27.  Nanangana sy nampahery ny vondron’olona mpiara-mivavaka tao amin’ny Kaominina Marofotsy, Distrika Morombe, Synodamparitany Toliara 33. Komity Sampana Mpanazava sy Tily FJKM Amparibe Famonjena. Mpikambana ao amin’ny Vaomiera maharitra Sampana Fivondronana Laika. Filohan’ny Komitim-Pivondronana Sampana Mpanazava sy Tily FJKM Miarinarivo Finoana.Tompon’andraikitra serasera sy fifandraisana ary ara-barotra « Tsena be tolo-tànana Laika ». Mpikambana mavitrika Sampana Vondrona Fototra Laika. Manana vady  manohana sady nandray andraikitra teo anivon’ny Sampana Fivondronana Laika (izay mpandinibolan’ny Sampana Komity Foibe), Filohan’ny Vondrom-Paritany Laika Miarinarivo Fahazavana.

Ankohonana Kristiana mahafantatra tsara sy manohana  ny Sampana Fivondronana Laika. Nandritra ny 12 taona nifampizarana teo anivon’ny Sampana Fivondronana Laika sy ny Sampana hafa tato anatin’ny sahan’ny FJKM. Mahafantatra tsara sy mahafehy ny foto-pinoana, ny rafitra, ny tantara ary ny fiainan’ny FJKM. Mahafantatra tsara ny mombamomban’ny Sampana Fivondronana Laika, ny antony namoronana azy, ny niandohany, ny tantarany sy ny fototra sy fitsipika anatiny mifehy azy.

Manana haizatra sy mahafehy tsara ny lafiny fitantanana sy ny fandaminan-draharaha ankapobeny teo amin’ny sehatra anatiny na ivelan’ny Fiangonana. Mpampiofana sy mpilatsaka antsitra-po anivon’ny FJKM. Efa zatra ny mitakosina amin’ny Kristiana FJKM, tia sy mankamamy  ny fidinana manao asa eny anivon’ireny Fitandremana sy Fiangonana lavitra sy saro-dàlana ireny.Ny laharana telefona ahafahanao mifandray amin’ ny Tonia SFL vaovao dia 034 01 572 78.

                                                                                              Evariste, Santatra Fahazavana

 

Alakamisy 28 Jona 2018.

Miantsoa  fanafahana avy amin’ny Tompo 

1 Mpanjaka 18.22-29

Misy  fampianarana  ampitain’ Andriamanitra  amin’i Elia mpaminany  eto . Tokony  ho fieritreritry ny  olona mamaky ity teny ity izany.

1-Tsy  voatery  hahavita zavatra ny  maro 

Fitenintsika  Malagasy ny toy izao : « ny  mita be tsy  lanin’ny  mamba , ny akanga maro tsy  vakin’amboa… » izany hoe: heverina fa mahavita zavatra  sy tsy  hay tohaina  ny  maro . Asehon’ny Tompo kosa anefa eto fa tsy voatery ho marina izany  ary koa tsy rehefa vitsy, eny na dia tokana aza  dia tsy hahavita na inona na inona mihitsy . Andriamanitra dia manana làlan-tsaina tena mifanohitra  amin’ny an’olona  satria ambarany  fa ny làlanareo tsy mba làlako  ary ny fihevitro tsy fihevitrareo (Isa 55.8). Asongadina eto àry  fa na dia  vitsy   sy  tokana  aza dia mahavita  zavatra  rehefa  miankina amin’ Andriamanitra .

2-Aza mitoky amin’ Andriamanitra  tsy izy 

Ny  olona dia manana faharesen-dahatra  fa tsy  mahavita tena velively ka mitady hery any ivelan’ny tenany  mba hiankinana amin’ny trangan-javatra  maro  samihafa  eo  amin’ny fiainana. Izany  no  mahatonga   ny  olona hivavaka   na ny  kristiana  na ny  tsy  kristiana  . Ny zavatra hivavahana kosa no  samy  hafa  satria  samy manana izay  maharesy  lahatra azy  ka hamonoany  tena mihitsy . Haseho  eto anefa fa na  dia misy  fianteherana amin’ny andriamanitra  hafa aza  dia tsinotsinona  ireny  . Koa  asakasak’izay  hivavaka amin’ny tsinotsinona .

Fanontaniana :

Vavaka manao  ahoana  no henoin’ Andriamanitra  sy valian’ ny Andriamanitry   ny kristiana ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alarobia 27 Jona 2018.

Miantsoa fanafahana avy  amin’ny Tompo 

Matio  6.9-15

Tokony  ho efa  ao  ambavan’ny  maro  ny lehibe sy ny  kely  , ny  vavaka  nampianarin’ny Tompo . Mety  mandeha amim-pahazarana fotsiny anefa  rehefa manonona  izany  , na dia ho an’ny mpandray  ny Fanasan’ny Tompo aza izay efa nampianarina manokana izany .Noho izany  dia tokony  ho ao an-tsaina ireto.

1-Ny ho an’Andriamanitra sy  ho an’ny  olona 

Misy fanehoana mpisolo tena « nao sy « nay » eto ka ny « nao  » dia maneho indrindra izay zavatra  rehetra  atolotry ny olona an’ Andriamanitra (ny fanjakanao, ny anaranao, ny sitraponao) ary ny « -nay » kosa  dia maneho  izay tadiavin’ny  olona amin’ Andriamanitra : hanina sahaza ho anay, mamelà ny helokay tahaka ny amelanay , manafaha anay. Misy zavatra ifanolorana izany eto fa tsy mahazo mianina  fotsiny amin’ny hoe:Andriamanitra dia mpanome sy mpanao zavatra ho an’ny olona hatrany, tsy maintsy misy fandraisan’ny olona anjara. Miomàna ianao manatanteraka izany .

2-Zava-dehibe ny fifamelana

Ambaran’ny fampianaran’i Jesoa  Kristy eto fa izay mamela heloka no avelan’ Andriamanitra  heloka ary izay tsy vonon-kamela heloka dia tsy  misitraka  izany . Tokony ho ao an-tsain’ny olona hatrany àry fa mpanota ny olona rehetra  (jereo Sal 14.3/ Rom3.10) . Koa  aza manantena ny havelan’ Andriamanitra  heloka fotsiny fa atombohy  amin’ny  olona samy olona izany .

Fanontaniana:

Misy  ve olona tsy  mba diso  mihitsy  ka tsy mila izany  famelan-keloka izany akory?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

 

Talata 26 Jona 2018.

Miantsoa fanafahana avy amin’ny Tompo 

Jeremia 31.10-14

Fantatry ny kristiana tsara  fa Andriamanitra  dia fitiavana  ary  maneho  izany  sy  manasoa ny olona amin’izany  tokoa Izy. Na izany  aza anefa   dia tsy  tokony   hohararaotin’ny  olona hanaovana  zavatra  tsy  manjary  izany. Aoka ho tsaroana hatrany fa:

1-Mampiely  ny olona Andriamanitra

Tokony ho tsara  hatrany  ny fifandraisan’ Andriamanitra  amin’ny  olona raha toa  ka mankato  sy feno  tahotra  azy ny  olona, kanefa  tsy izany  loatra  no zava-misy .Fanaon’ny olona ny  mivadibadika  amin’ Andriamanitra  ary mahavita  izay ratsy  indrindra aza ny olona . Tena  zavatra  mahatezitra an’ Andriamanitra  mihitsy izany  ary efa hanarina hatrany  ny olona tsy hanao  izany  nefa  mafy loha tsy azo tenenina . Koa tsy mahagaga raha faizin’ Andriamanitra  . Maro  ny endrika  famaizan’ Andriamanitra  , fa eto dia ny fampielezany ny olona no mitranga , izany  hoe: lasa babo any  amin’ny tany hafa (jereo  Sal 137)

2-Manangona ny  olona koa Andriamanitra 

Mahagaga koa anefa  io Andriamanitra  io fa na dia tezitra  mafy  amin’ny olona aza ka manafay  azy  dia manao  izay hanavotana azy hatrany . Ireo  nampieleziny  dia mbola hangoniny  indray  ho eo  amin’ny tany  efa notendreny  ho lovany . Amin’izany  tsy hoe:monina fotsiny  fa hanomanany zavatsoa : fitomaniana hiova fifaliana ary ho voky ny olona . Homeny  ny olona  izany , omeny anao , omeny ny Malagasy raha misy olona vonona hanaraka ny teniny sy ny sitrapony .

Fanontaniana :

Mba misitraka ny soa eo amin’ny taniny ve ny Malagasy?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alatsinainy 25 Jona 2018.

Miantsoa fanafahana avy  amin’ny Tompo 

Marka 5.1-9

Mampijaly ny  olona amin’ny  heriny ny devoly

1-Tsy  voafehin’ny olona izany 

Voalaza fa misy  olona andevozin’ny  devoly eto, any anaty  fasana izy no mitoetra ary minanana mandrakariva  no ataony  ary hita  fa manelingelina sy mampijaly ary mampatahotra  olona mihitsy  izany .Niezaka nifehy  azy ihany ny  olona tamin’ny alalan’ny famatorana ny tànany , ny  tongony  fa niala maina  hatrany . Tsy  voafehin’ny olona mihitsy ny  devoly .Na dia tsy fahita aza angamba ny fisian’ny  demoniaka toy izany  eo amin’ny fiainan’ny  kristiana ankehitriny  dia manaiky  isika  fa mbola ampahorian’ny  devoly  ny kristiana  min’ny ankapobeny  ary na dia tsy voafehin’ny olona aza izany dia tsy mahazo  mipetra-potsiny ny kristiana fa tsy maintsy  mitady  fomba handresena azy.

2-Resin’i Jesoa ny devoly 

Vao nahita an’i Jesoa Kristy  ilay fanahy ratsy  dia voalaza eto fa niankohoka tamin’ny tany teo anatrehany . Ambaran’ny  mpahay Baiboly  fa mariky ny fahambonian’i Jesoa Kristy manoloana ny hery rehetra izany . Ny  fampiasana ny fomba fiteny  hoe: »moa mifaninona akory izaho sy ianao ry Jesoa? » dia mba hanosehana an’i Jesoa tsy hiditra  amin’ny zavatra ataony, kanefa i Jesoa Kristy  vao mainka niditra. Ny  dikan’ny nanontaniana ny anarany dia mba hahafahana mifehy azy(vakio ny tohin’ny tantara). Koa ny handresena ny  devoly  izany  dia tsy  misy afa-tsy  ny herin’i Jesoa Kristy irery ihany. Koa mangataha izany Aminy ianao raha te-handresy izany .

Fanontaniana:

Afaka mandresy ny  devoly amin’izao ve ny  mpiandry?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alahady 24 jona 2018

Miantsoa fanafahana avy  amin’ny Tompo

Jeremia 34:12 – 17

Mahazatra sy fanaon’ny olona

1 – Manda ny Tenin’Andriamanitra

Voalaza eto fa nanao fanekena tamin’ny olona Andriamanitra tamin’ny andro nitondrany ny olona nivoaka ny tany Egypta. Efa fomba fiasan’Andriamanitra hatrany am-piandohana mihitsy ny fanaovana fanekena mba hanehoany ny fitiavany ny olona sy hampandraisana andraikitra ny olona satria ny fanekena dia tsy zavatra ataon’ny andaniny amin’ny ankilany fotsiny akory fa tena ifanaovan’ny roa tonta sy ifamatorana mihitsy aza. Ny fanekena dia zavatra nekena ankatoavina sy hotanterahina ka Andriamanitra dia tsy mba mivadi-panekena , saingy tsy mba marina tahaka izany ny olona. Tena zavatra fanaon’ny olona mihitsy ny tsy manaiky ny Tenin’Andriamanitra.

2 – Mody manaiky ny Tenin’Andriamanitra

Hitan’Andriamanitra fa ratsy ny ataon’ny olona kanefa tsy navela amin’izao ny olona fa notenenina sy nanarina. Nilaza fa hanaiky ny Tenin’Andriamanitra ny olona , kinanjo ny nataony ihany no mbola hataony hatrany. Heverina fa tena ratsy noho ny tsy manaiky avy hatrany aza ny mody manaiky satria tena mpamitaka sy mpandainga tsotra izao. Eto anefa dia haseho fa toetran’olona izany, izany hoe ratsy ny olona. mpihatsaravelantsihy. Nahatezitra an’Andriamanitra izany ka namaizany ny olona tamin’ny alalan’ny sabatra, ny areti-mandringana, ny mosary. Loza mihantona ho an’ny olona ny fivadihana amin’ny Tompo.

Fanontaniana :

Ahoana no ataonao raha mody manaiky ny teninao fotsiny ny zanakao ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Sabotsy 23 Jona 2018

Miantsoa fanafahana avy amin’ny Tompo 

Joba 6, 8‑10

Rehefa misy zavatra tena mafy manjo dia

1 – Mety ho tonga amin’ny famoizam-po
Mihasarotra ny fiainana. Tsapa fa tena mihasahirana ny Malagasy ankehitriny ary tsy hoe fahasahiranana mandalo fa toa hitoetra mihitsy izany. Ny zava-misy eo amin’ny fiaraha-monina moa vao maika manampy trotraka izany toy ny eo amin’ny lafiny politika, ny lafiny ekonomika ny sosialy raha tsy hiresaka afa-tsy ny tsy fandriampahalemana isika, ny tontolon’ny fananan-tany koa dia tena zava-doza no iainana, satria toa tsy an’ny Malagasy intsony i Madagasikara. Mizaka fahoriana mangidy ny Malagasy ary tsikaritra noho izany fa mihamitombo ny olona mamoy fo : inona no vahaolana ? aiza ny tany haleha ? inona no hatao ?  hanao ahoana ny hoavin’ny taranaka ? Mampamoy fo ny zava-misy.

2 – Tsarovy fa Andriamanitra dia manana vahaolana

Hahavanonan-doza ny famoizam-po nefa tsy vahaolana maharitra izany fa hiteraka olana hafa ary tadidio fa mampiditra ho amin’ny kizo fotsiny izany raha tanterahina tokoa. Amin’ny maha- kristiana. Andeha aorina ny finoana fa Andriamanitra ivavahantsika dia manana vahaolana maharitra sy azo antoka, vakio ny Matio 11. 28. Mitaona ny olona, ny kristiana indrindra ny Tompo mba hatoky Azy, hahay hametraka ny adiny eo Aminy fa izany no hahafahana manampy ny kristiana. Hoy isika Malagasy : ny fahoriana tsy ambara amin’ny namana dia zakan’ny tompony ary koa ny entan-jarai-mora zaka koa zarao amin’ny Tompo izany.

Fanontaniana:

Hainao ve ny mizara ny vesatra mianjady aminao amin’ny Tompo ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM