Tafika masina an-drenivohitra

« Koa aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompontsika » (2 Tim 1.8a)

FANASANA 

Fifaliana  ho anay  ny manasa anao am-pitiavana ho tonga  hanatrika  ny FIZARANA NY VAOVAO MAHAFALY  sy FIALAMBOLYizay tontosaina ao amin’ny

KIANJABEN’I MAHAMASINA , Sabotsy 12 Mey 2018.

araka izao :

11 ora- 12 ora  : Vavaka sy Hira ara- pilazantsara ataon’ny Mpitandrina

12ora- 2 .45 mn : Baolina kitra  / vehivavy   mpitandrina  sy  ny vadin’ny Mpitandrina   #vehivavy  FJKM Ambohipo

1ora- 1.30mn :Fitoriana ny Filazantsara  ataon’ny Mpitandrina

1.30-2.45 :Baolina kitra  : Mpitandrina #Mpanao gazety

2.45-3.15mn : Fitoriana sy Rija RASOLONDRAIBE

3.15-4.30:Baolina kitra : Mpitandrina # Ben’ny tanàna

Manantena antsika ho  tonga maro  , ho Voninahitr’ Andriamanitra

Alatsinainy 30 Aprily 2018.

Manolotra ny  fiainany  ny  Tompo 

1 Timoty 2.1-4

« Koa mananatra anareo  voalohany indrindra aho  mba hatao  izay fangatahana , fivavahana , fifonana, fisaorana ho an’ny olona rehetra, ho an’ny  mpanjaka mbamin’izay rehetra manana fahefana, mba hiainantsika  miadana  sy  mandry fahizay  amin’ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra  sy ny fahamaontinana rehetra » 1 Tim 2.1

MIVAVAHA!MIVAVAHA!

Mitaona  antsika mba hivavaka ny Tenin’ Andriamanitra anio , manoloana ny toejavatra ianantsika sy andalovan’ny firenentsika  . Koa :

1-Mivavaha  ho an’ny olona rehetra

Ho an’ ny mpino kristiana toa anao, na ny samy hafa finoana aminao na ny tsy mpino an’ Andriamanitra mihitsy, na ireo tsara fihavanana aminao na ireo izay manenjika sy mankahala anao. Ny sokajin’olona izay tsy ampidirintsika amin’ny tonombavaka ataontsika dia mety hiteraka olana sy  hitondra fanakorontanana eo amin’ny fiaraha-monina misy antsika .

2-Mivavaha ho an’ny mpanjaka  sy ny manam-pahefana

Izany dia manomboka amin’ny filoham-pokontany, ny mpitsabo, ny  mpampianatra, mpitsara  sy mpamoaka ny didy … .Samy mampihatra ny fahefana amin’ny andraikitra ananany avy ireny ka ibaikon’ny Soratra masina mba ho entina am-bavaka .Tsarovy fa ny valimbavaka atolotr’ Andriamanitra dia mety tsy ho takatry ny saintsika, fa ny anjarantsika dia ny mankato izay asain’ny Tenin’ Andriamanitra ataontsika .

3-Ny tanjon’ny fivavahana eto :

Mba hananantsika fiadanana, lavitry ny tebiteby sy ny ahiahy, mba ho mandry fahalemana isika , amin’ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra sy ny fahamaontinana . Andriamanitra dia afaka miasa sy miditra an-tsehatra amin’ny toe-javatra misy rehetra. Ny vokatra voalohan’ny vavaka ataontsika dia tena soa ho antsika , ho an’ny fiainantsika manokana  sy ny toe-panahintsika. Tsarovy fa Andriamanitra dia manomana zavatra lehibe tsy takatry ny saintsika ho valin’ny vavaka ataontsika .

Fanontaniana :

Iza avy ireo heverinao fa manana ny fahefana tokony entina am-bavaka anio ?

Site Web FOIBE fJKM

 

Alahady 29 Aprily 2018.

Manolotra ny  fiainany  ny Tompo 

Matio  20.20-28

« Tsy fantatrareo zay angatahanareo« and22a

Ny  mifanohitra  amin’ny fampianaran’ny Tompo

1-Ny  Fitiavan-tena (and21)

Fahafaham-baraka  tsy  nisy  toy  izany  no nahazo  azy telo  mianaka  dia i Jakoba  sy  i Jaona niaraka  tamin-dreniny. Mba nangataka  sy  mba nanontanian’ny Tompo  hoe: « inona no irinao? ihany , saingy  zavatra   mifanohitra  amin’ny  sitrapon’ny  Tompo no nangatahiny. Fitiavantena tsotra  izao no nokasain’izy  ireo hiraisana tsikombakomba tamin’ny  Tompo. Lanin’i Jesoa marindrano izany , satria natao ho an’ny rehetra  ny fanjakan’ Andriamanitra . Koa  aoka isika handinika tsara  sy hamantatra  ny sitrapon’ Andriamanitra  vao  mangataka  zavatra  amin’ny Tompo .

2-Ny filam-boninahitra(and26-28)

Nahitsin’i Jesoa niaraka ny mpianatra 12 lahy , ana ireo  izay   nitady  tombom-pitiavana manokana mihoatra  noho ny hafa , na ireo  izay tezitra sy  be fihaonana tamin’izany . Fomban’ny jentilisa  ny  mitady  voninahitra toy  izany . Amin’ny  fanompoana  an’ Andriamanitra  dia tsy  maintsy  ny  fietrena no mialoha ny  fisandratana  ary  izay  mitady ny  toerana ambony  dia tsy  maintsy maka ny toeran’ny  mpanompo . »Ny  zanak’olona tsy  tonga mba hotompoina fa mba hanompo ka hanolotra ny ainy « . Ary izany  fanetrentena lalina izany  no nanandratan’ Andriamanitra Azy indrindra (Fil 2.9)

Fanontaniana:

Manana izany  fanahin’ny fanompoana izany ve ireo  tomponandraikitra ao  amin’ny  fianonana ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

 

Sabotsy 28 Aprily 2018.

Manolotra ny fiainany ny Tompo

Genesisy 2.4-9

1-Ny olombelona 

« Ary vovotany no namoronan’i Jehovah Andriamanitra  ny  olona ary  nofofoniny fofonaina mahavelona ny vavorony, dia tonga olombelona izy« and7

Nanomboka niditra eo amin’ny tantaran’izao tontolo izao ny olombelona. Notanterahin’ Andriamanitra tao amin’ny olombelona ny fanambarany ny hamoronany endrik’Andriamanitra tahaka ny endriny (1.27). Andriamanitra manome ny fiainany  ho an’ny olona hatrany am-boalohany Izy. Vovoka  no namoronany ny olombelona. Koa tsy  ao amin’ny vatany no mitoetra ny maha-izy azy ny olombelona, fa ao amin’ny hatsaram-piainany avy  amin’ny fanahiny . « Ny  fanahy  no maha- olona « , hoy ny fitenenana.

2-Ny saha Edena 

Tao amin’ny saha Edena no napetrak’ Andriamanitra i « Adama voalohan-dahy » (1Kor 15.45a. Saha mahafinaritra  ampy sy tanteraka nohariany  ho an’ilay  mitovy endrika Aminy io. Andriamanitra  tia sy mikarakara  Izy, ka  tsy  manao  soa tapany .Nanana zo nisitraka izany ny olombelona,afa-tsy ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy(and16-17). Efa nomanin’ Andriamanitra ho an’ny olona hatramin’ny voalohany ny fiainana mandrakizay , fa ny  olona no nisafidy ny fahafatesana  tamin’ny anandramany  ilay  hazo  fahalalana ny tsara  sy  ny ratsy . Ampitahao Deo 30.19.

Fanontaniana:

Ampy mizara  ho an’ny olona rehetra  ve ny  harena eto an-tany ? Nahoana?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Hafatry ny MF FJKM / Aprily 2018.

 

 HAFATRY NY MPIANDRAIKITRA FOIBE, MF 04/ SL XVIII

CFD Ampandrana 18 -25 Aprily 2018

Ry Havana,

Hampitomboina ho anareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana amin’ny fahalalana tsara an’Andriamanitra sy Jesoa Kristy Tompontsika. (IIPet 1/2)

Ny Mpiandraikitra Foibe izay nivory ara-potoana teto Antananarivo CFD  Ampandrana tamin’ny 18-25 Aprily 2018, dia miarahaba antsika  rehetra nahatratra ny Paska 2018, ary mamangy sy mampahery ny isan-tsokajiny avy ato amin’ny FJKM, ary mandefa izao hafatra izao ho an’ny vahoakan’Andriamanitra sy ny isan’Ambaratonga:

Eo amin’ny Fiainam-piangonana

Tonga namangy antsika FJKM ka nihaona tamin’ny Mpiandraikitra Foibe Andriamatoa Douglas Tilton, mpiandraikitra ny fiaraha-miasa ao amin’ny PCUSA aty amin’ny faritry Afrika sy Ramatoa Lois Palecek mpandrindra ny Madagasikara   Mission Network.

  • Misaotra an’Andriamanitra Ray Tsitoha izay mampiseho ny Voninahiny miharihary eo amin’ny fandrosoan’ny Fiangonana FJKM, na amin’ny finoana, na amin’ny asa sy ny fiombonana. Fantatra izany eo amin’ny fiainan’ny Fitandremana sy ny Sampana ao aminy avy, ary ny Synodamparitany rehetra.
  • Na eo aza ireo toe-javatra samihafa: fisondrotry ny vidim-piainana tsy mitsahatra, ny tsy fahampian’ny fandriampahalemana…, dia isaorana sy ankasitrahana ny Synodamparitany, Fitandremana tsirairay, ireo Fiangonana Mpanampy I sy II, ary ireo Fiangonana manampy, fa mihatsara sy mitombo hatrany ny fandrotsahana Adidy Iombonana na aty amin’ny Foibe FJKM na any amin’ny sehatra misy azy avy.
  • Mitohy sy mivoatra ny isan’ireo Fiangonana sy Vondron’Olona Mpiara-Mivavaka, vokatry ny Tafika Masina ataontsika rehetra hahatanteraka ny Vinan’ny FJKM hoe “Vontosy filazantsara ny Nosy Madagasikara”. Ankehitriny dia efa misy vondron’Olona mpiara-Mivavaka any amin’ny kaominina 150 amin`ireo 407. Miantso antsika hanohy ny ezaka efa natao.
  • Misaotra an’Andriamanitra Ray isika FJKM fa amin’ity taona 2018 ity dia hamoaka sy haniraka Mpitandrina miisa 111 sy ho mpampianatra 55 mianadahy, ary manam-pahaizana ara-pahasalamana 32 avy ao amin’ny Oniversity Ravelojaona miampy ireo Mpitandrina nahazo Master 72.
  • Mitombo sy mihatsara hatrany ny asa fanabeazana sy ny fampianarana ato amin’ny Sekoly FJKM. Asehon’ny fihatsaran’ny fandaminana sy ny fitantanana izany.Hampiharina manomboka izao ny Kitapo Iombonan`ny Sekoly (KIS)
  • Nankatoavina tamin’izao fivoriana izao ny Tonian’ny SFL, ny Talen’ny FFP, ary ny Rektoran’ny Oniversity Ravelojaona. Tafajoro ny Filankevi-pitondran’ny Oniversity Ravelojaona, sy ny Fondation FJKM Pasteur Ravelojaona, ary ny “Societe Civile Immobiliere”.Noraisina ho Asa ato anatin`ny FJKM NY Akany Fialofana Tangaina AkaFiTa ary voatendry koa ny Tale ao.
  • Ho tanterahina eny amim`ny FJKM Andrainarivo Fahasoavana amin`ny 15 – 18 Mey 2018 ny Synodampinoana Voalohany.Mampatsiahy sy manentana antsika amin`ny fankalazana an`Andriamanitra amin`ny Jobily faha 50 taonan`ny FJKM sy ny faha 200 taonan`ny LMS.
Momba ny fiainam-pirenena

Eo anoloan’ny zava-misy ankehitriny eto amin’ny firenena:

  • Ny FJKM dia tsy mankasitraka izay rehetra fampiasan-kery ampiharina eo amin’ny famahana olana samihafa.
  • Miantso ny hisian’ny fihaonana sy ny fifampihainoana hatrany ho an’ny fandaminana sy fikatsahana vahaolana mba hisorohana ny fifandonana sy ny fifampiandaniana.
  • Manohy ny ady amin’ny kolikoly sy ny tsy fahamarinana, amin’ny endriny rehetra ny FJKM.
  • Miantso ireo tompon’andraikitra isan’ambaratonga mba tsy hanaiky na hanome vahana ny fanomezana na fivarotana ny tany sy ny harem-pirenena amin’ny vahiny sy ireo olom-bitsy manampatra fahefana.Tsy azon’ ny Sampana, Sampanan`asa ary Asa atao amin’ny maha sampana ao anaty Fiangonana azy ny mitondra fanamiana na famantarana amin’ny fiatrehana fampielezan-kevitra na mampiasa ny anaran’ny Sampana ao anaty fampielezan-kevitra.
  • Ampirisihina ny Kristiana rehetra mba hijoro amin’ny fahamarinana ary hanara-maso ny fifidianana. Ampirisihina ny fananganana rafitra mpanara-maso ny fifidianana eo anivon’ny Fiangonana.
  • Ekena sy ankasitrahana ny hanatanterahan’ny FFKM ny fihaonana amin’ny zanany. Ny FJKM manokana, isan`ambarantongan-drafitra dia hanohy ny ezaka efa natao mialoha ny an’ny FFKM.
  • Ny BMF sy ny Mpitandrina, ny Tale sy Tonia ary ny Filohan`ny SSA maniry hirotsaka ho kandida dia mampandre mialoha amin’ny ambaratonga mpiahy azy.Manentana antsika fiangonana rehetra tsy hitsahatra hitondra amim-bavaka ny firenentsika toy izay efa nataon’ireo mpanompon’Andriamanitra toa an-dry Nehemia (Neh 1/5,6). Hamafisina miaraka amin’izany koa anefa ny fijoroana ho vavolombelon’ny fahamarinana sy ny fiombonana, na amin’ny teny, na amin’ny asa rehetra.

    FIATREHAN’NY FIANGONANA FJKM

    NY RAHARAHAM-PIFIDIANANA

    • Hamafisina hatrany fa :
    • Ny FJKM dia « Fehezin’ny hitsivolana laharana faha : 62- 117 tamin’ny 01 Oktobra 1962 » (FDF And1. tak13)
    • Mitovy amin’ny fanompoam-pivavahana rehetra ny fanompoam-pivavahana anasàna Manam-pahefana ao am-piangonana.

    Tsy azo ampidirina ao am-piangonana ny zavatra fanao ivelan’ny Fiangonana, toy ny sainam-pirenena, afa-tsy , raha misalotra amin’ny tena na vatana, ny kabary, ny hiram-pirenena ny fanomezana mari-boninahitra sy ny toy ireny » (FDF and7. Tak38)

    • Ny Manam-pahefana nasain’ny Fiangonana hiatrika ny fanompoam-pivavahana dia azo omena anjara fitenenana, ka aorian’ny fanompoam-pivavahana vao mandray anjara fitenenana izy ary ny Fiangonana hatrany no mandray anjara fitenenana farany.
    • Mandritra ny vanim-potoanan` ny fampielezan-kevitra, dia tsy mahazo mandray anjara fitenenana momba fifidianana ao am-piangonana sy eo amin’ny fivoriam-piangonana na eo amin’ny Sekoly FJKM ny kandida na ny mpanohana azy.
    • Ao anatin’ny fiatrehana ny fifidianana, izany hoe : mialoha sy ao anatin’ny fampielezan-kevitra;  dia tsy ekena ny fangatahan’ny antoko politika hanao fanompoam-pivavahana  ao am-piangonana sy eo amin’ny fivoriam-piangonana na eo amin’ny Sekoly FJKM.

    Ny Fiangonana kosa dia vonona ny hitondra am-bavaka ireo zanany mirotsaka an-tsehatra amin’ny politika.

    • Ny trano sy ny fanaky ny Fiangonana sy ny Sekoly FJKM dia tsy azo ampiasaina na am-pindramina na ampanofa na ho amin’ny raharaha politika.
    • Ao am-piangonana sy amin’ny fivoriam-piangonana ary amin’ny Sekoly FJKM dia tsy azon’ny kristiana sy ny mpianatry ny Sekoly FJKM atao ny manao kabary politika. Izany hoe: tsy mahazo mampirisika hifidy na tsy hifidy olona izy.

    Tsy azon` ny Mpitandrina sy ny Kristiana atao ny mitondra ny mariky ny antoko politika fa andraikitry ny Mpitandrina kosa ny mitaiza ny olona handray andraikitra, hivavaka sy hifidy ary hanara-maso ny fifidianana, ary hampirisika ny olona hifidy izay matahotra an’Andriamanitra Ray sy ny Zanaka ary Fanahy Masina sy mandala ny fahamarinana.

  • « Ary ny Tompon’ny fiadanana anie hanome anareo fiadanana mandrakariva amin’ny zavatra rehetra ». (II Tes 3/16)

    Ny Filohan’ny FJKM.

    IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA Ammi, Mpitandrina

     

     

     

     

     

     

     

     

     

Hafatry ny MF / Firenena

FANAMBARANA

Ny Mpiandraikitra Foibe FJKM, izay mivory ara-potoana ankehitriny (18-25 Aprily 2018) eto  Antananarivo, dia manao izao fanambarana izao amin’ny Anaran’I JESOA KRISTY , Andrianan’ny fiadanana sady tompon’ny fahefana rehetra any an-danitra sy ety an-tany:

  • Rehefa nahita ny toe-javatra niseho teto Antananarivo tamin’ny Sabotsy 21 Aprily 2018, ka namoizana ain’olona sy nisian’ireo naratra  tao Analakely, dia miombona alahelo amin’ireo fianakaviana namoy havana akaiky ka mampionona sy mampahery azy ireo, ary mirary fahasitranana ho an’ireo naratra mbola eo am-pitsaboana .
  • Ny FJKM dia manameloka tanteraka ny herisetra sy ny vonoana olona na inona na inona endrika isehoan’izany.
  • Ny FJKM dia miantso ho amin’ny fifanatonana sy ny fifampihainoana hamahana ny olana.
  • Na toy inona na toy inona toe-javatra miseho, dia mampahery antsika vahoakan’Andriamanitra mba hijoro ho vavolombelon’I Jesoa Kristy sy ny fitiavany ary ho vavolombelon’ny fahamarinana.

Eto am-pamaranana dia aoka samy hivavaka mitohy mandrakariva isika Kristianina rehetra hahatanteraka ny voalazan’Andriamanitra Tsitoha hoe “……raha ny oloko izay nantsoina amin’ny anarako ho avy hanetry tena ka hivavaka sy hitady ny tavako, ary hiala amin’ny ratsy fanaony dia hihaino any an-danitra Aho ka hamela ny helony ary hanasitrana ny taniny”. (IITan7/14).

Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra!

Amin’ny anaran’ny Mpiandraikitra Foibe

Ny Filohan’ny FJKM.

IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA Ammi, Mpitandrina

Zoma 27 Aprily 2018.

Manolotra ny  fiainany  ny  Tompo 

Galatiana 6.6-10

« Fa izay  afafin’ny  olona no hojinjany  » and7

Ny  mpino  mandeha araka ny fanahy

1-Mijinja fiainana mandrakizay 

« Izay  mamafy  ho an’ny  fanahy  dia hijinja fiainana mandrakizay  avy  amin’ny Fanahy » and8a. Tsy  hoe fiainana maharitra  mandritra  ny vanim-potoana elabe fotsiny izany  fa indrindra fiainana be dia be feno ny haren’ny voninahitry  ny lovany  eo amin’ny olona masina (Efe 1.18). Valisoa sarobidy  ho an’izay mahafehy  tena ka tsy maningo-tena  ny  amin’ny fiainana araka nofo araka izany   ny fiainana mandrakizay. Fijinjana ny vokatry  ny zavatra  tsara  natao  fotsiny   ihany  izany. Ny fiainan’Izy Andriamanitra  mihitsy  no natolony   ho antsika,  araka ny Jaona 10.10.

2-Mahery  amin’ny fanaovan-tsoa 

« Ary  aza ketraka  amin’ny fanaovan-tsoa   isika , aoka  isika  hanao soa  amin’ny olona rehetra… »and9a,10b. Ny hoe:« andro hanaovana » dia maneho  vanim-potoana raikitra  sy  voafaritra   fa tsy  fotoana  mandalo  akory. Izany   hoe: ny fiainan’ny  mpino  manontolo  mihitsy  no fiainam-panaovan-tsoa hanompoana ny hafa ao  amin’i Kristy. Ny  fitiavantsika  ny mpianakavin’ny finoana dia tena  marika lehibe hahatarafana  ny fitiavantsika  an’ Andriamanitra . Vokatra  hita  mason’ny fiainana ny Tenin’ Andriamanitra  ny fanaovan-tsoa.

Fanontaniana:

Iza no heverinao fa tomponandraikitra amin’izay zavatra iainanao  ankehitriny (na tsara na ratsy )?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

 

Alakamisy 26 Aprily 2018.

Manolotra ny  fiainany  ny  Tompo  

Deoteronomia 32.44-47

Ny làlan’ny Tompo 

1-Tandremana sy ankatoavina (and46)

Didin’ Andriamanitra  ny hampianarana  ny zanak’Israely  ity fihirana ity « soraty  ho anareo   izao  fihirana  izao, ka ampianaro   ny  Zanak’ Israely, ary  aoka  tsy ho  afaka  ao  am-bavany  izao fihirana  izao  » (31.19). Teo  no eo ihany i Mosesy  dia nanao   izay hampiharana izany  (and22-30). Efa   tafiditra  rahateo  ao anatin’ny fanekempinoana Israelita ny hampianatra  tsara   ny lalàna  ny  taranaka (Deo 6.6-9). Hitohy  hatramin’ny taranaka fara mandimby  ny fitandremana sy fankatovana  ny lalàn’ Andriamanitra , mba  tsy  hamitaka   ny  tena  sy  tsy  hanotana  amin’ Andriamanitra .

2-Manome fiainana (and 47)

Loharanom-piainana  sy  fitsaharana  ho an’izay mankato azy ny lalàn’ Andriamanitra. Maty  tany an’efitra  ny maro  tamin’Israely  noho   ny tsy fankatoavana  ny didin’Andriamanitra. Josoa  sy Kaleba  kosa, noho  ny fanarahany  tsara ny didin’ Andriamanitra dia nandova  ny tany fampanantenana, dia  ny tany Kanana izany. Zary  lasa  fiainana  ho an’ny mpino    ny fanarahana ny Tenin’ Andriamanitra. Io   no mahavelona  satria  i Jesoa  Ilay  Teny  tonga  nofo no monina  amintsika .

Fanontaniana:

Ahoana no fomba  fampianarantsika  ny  Tenin’ Andriamanitra  ny zanantsika ao an-trano ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Fampirantiana /150T- I6B Imerina

FAMPIRANTIANA

Nosokafana omaly 24 -27 Aprily 2018 ny  Fampirantiana karakarain’ny Foibe Arsiva sy Tranombakoka FJKM mahakasika ny fanamarihana ny faha

150 Taonan’ny Isan’enimbolan’Imerina (I6B-Imerina)

Ny toerana hanatanterahana izany dia ao amin’ny efitrano malalaky ny Foibe FJKM , efitrano faha- 201.Ho hitantsika  ao ny tantaran’ireo fiangonana mahatratra ny  faha-150 sy ny mihoatra .

Nitarika ny Fanompoampivavahana sady nanokatra ny fampirantiana sady nisolo tena ny Filohan’ny FJKM ny Mpitandrina RAVELOARISOA  Armande , solotenan’ny MF  mpiahy .Navoitran’ny mpandahanteny tao anatin’ny toriteny tao amin’ny  1 Mpanj 6.20 sy Jer 36.20 ny  maha-zavadehibe ny  fitehirizana ny tantaran’ny Fiangonana satria manambara  ny antom-pisiany izany .Tena fijoroana ho vavolombelona  manambara ny  fahaveloman’ny fiangonana ny fampahafantarana ny làlana nodiavin’ny fiangonana  hatramin’ny ankehitriny . Koa aza menatra  ny  ho vavolombelon’ny Tompontsika , aza menatra ny  fiombonana fa iray ihany isika na dia samy manana ny heviny aza.

Nandray anjara  fitenenana avy eo ny Talen’ny Arsiva sy Tranombakoka , ny Mpitandrina RALISON  Fara fanja . Ny I6B n’Imerina no  niteraka ny Asa fitoriana ny Filazantsara , tany aminn’y taona 1873 tany ho any . Naparitaka tany anindratany ny Evanjelistra. Hoy ny tarigetra tamin’izany «vereza izay ho very sy izay ho faty  raha tsy ataontsika tonga ho an’i Kristy  ny eto anivon’ny riaka ».

Tonga nanome voninahitra ny fotoam-panokafana  ireo avy amin’ny Sakaizan’ny  Tranombakoka sy Arsiva (SATRANA), ireo Tonian’ny Sampana sy  Sampanasa ary Asa , ny mpiasa eto amin’ny FOIBE,ireo Mpitandrina sy kristiana avy amin’ny fiangonana eto andrenivohitra sy ny  manodidina .

Mbola hitohy hatramin’ny Zoma 27 Aprily ho avy izao ny fampirantiana , izay hanentanana antsika fiangonana mba hitsidika izany  fa zava-dehibe hirosoana ho amin’ny alohaloha kokoa  ny fahafantarana ny tantara.

« Avia ka jereo  ny asan’ Andriamanitra…« Sal66.5

Nangonin-dRamatoa Sahondra Rabelison